Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

tompo roa

Matio 6: 24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna* ianareo.[*Mamôna = harena].
Ny mamôna eto dia lazain'ny soratra masina fa hoe harena, misy manambara kokoa any amin'ny Lioka 16: 16 momba ny mamôna tsy marina, manambara vola izy io. Mazava ho azy fa amin'izao fotoana izao dia ny vola no harena, ary ny vola anànana no fatran’ny harena.

Ny mahagaga amin'ity tenin'i Jesosy ity dia ny nampilaharany an'Andriamanitra sy ny harena. Any amin'ny Isaia 40: 25 dia milaza mazava Jehovah hoe: "hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?. Ny sampy dia lazainy fa tsinontsinona
(Sal 35: 1[lohanteny])(Sal 115: 1- 8 ), ary mety mora kokoa amin'ny olona ny mandresy ny sampy noho ny vola.


Ny olona resahin'ny Tompo eto dia olona tia manompo an'Andriamanitra matoa nataony tafiditra tao anaty safidy Andriamanitra. Izy tsy nilaza manao hoe "tsy mahay manompo sampy sy ny vola ianareo", satria ny  olona izay manana fanolontena ho an'Andriamanitra ihany no tiany ahitsy mba tena ho Azy. Eo mihintsy ilay tranga, satria manjary manjaka bebe kokoa amin'ny olonan ny vola. Nahoana no afaka maka ny toeran'Andriamanitra ao am-po sy ny sain'ny olona ny vola (harena) ? mety hilaza angamba ianao hoe "tsia" tsy maka ny toeran'Andriamanitra ny vola fa natao hivelomana.
Ny tena  marina anefa dia resin'ny vola izao tontolo izao. Io no nahafaty an'i Anania sy Safira, tia loatra ny vola noho ny fitiavana an'Andriamanitra izy ireo ka nahatonga handaika ary dia niharan'ny fahatezeran'Andriamanitra izy ireo ka nahita loza (Asa 5: 1..).

Fantatrao ary ve fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra? (1Tim6: 10), ary inona no tena manosika ny olona hitady azy vao mivoaka ny trano, ary tsy mody raha tsy hariva na alina mihintsy aza raha tsy ny vola?


Manamarika toy izao ny fitenin-tsika Malagasy "ny vola no hozatry ny fiainana", hita amin'izany fa ny saina mihintsy no simba manoloana ny vola. Ao ny milaza fa ny vola no maha-rangahy, ao ny miaiky volana fa raha marary tsy misy vola dia toy ny miandry fahafatesana, nahoana?
Satria miantehitra tanteraka amin-dravola ny olona, ary jamba sy malemy manoloana azy io. Nahoana ny olona no mahatokitoky kokoa ny herin’ny vola, ka rehefa misy izy io dia toa mety avokoa izay atao? Nahoana ny olona na dia manana an’Andriamanitra aza dia sahiran-tsaina aoka izany raha vao tsy misy  na kely ny vola eo ampelan-tànana? Nahoana ny olona no mitady azy io mihoatra ny zavatra rehetra, ary mazàna dia volavolaina dieny mbola zaza mihintsy aza mba ho vonona ny hitady azy?

Hatreto ny ankabeazan’ny olona dia mino fa ny vola no hozatry ny fiainana, izy no mampandeha sy mampirindra izay rehetra atao, izy no fototry ny fahavelomana ety ambonin’ny tany. Tena marina ary ve izany rehetra izany?

 

Lazain’ny soratra masina fa tompo ny vola, ka izay rehetra manaiky azy dia mpanompony avokoa (2Pet 2: 19). Hoy ny voalaza “Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna”; izany hoe na ny olona misafidy ny hanompo an’Andriamanitra, na hanompo an’i mamôna.

Hevero anie izao voalaza manaraka izao; mivavaka mafy ny olona mba ho tahiana ara-bola, mangataka mafy amin’Andriamanitra ny olona mba hahita vola, mitady ny fanala-hidin’ny sakana ara-bola ny ankabeazan’ny kristiana amin’izao fotoana izao. Ny tena marina dia ny vola sy harena no mety manosika ny olona hivavaka voalohany mba hialàna amin'ny fasahiranana. Manaporofo izany fa ny olona izay efa manana dia mitalaho mafy mba harovany amin’ny asa ratsy rehetra fandrao mety hidina ny lanjan’ny farim-panànana, ary tsy vitsy ireo izay niverin-dàlana ka lasa nitady vola nohon’ny fasahirànana ara-bola. Tsy vitsy rahateo ny fiangonana izay mitady vola amina karazana hetsika maro samy hafa, ao ny an’ny mpitandrina, ao ny an’ny sampana maro isan-karazany... izany rehetra izany dia toa manaporofo fa mànana hery lehibe ny vola, ary tsy vitsy no miaiky toy izany, anisan'ireo ny mpanankanto izay midradradradra ny herin'ny vola, eo koa ireo izay efa mànana, na ireo izay mbola ao anatin’ny ady.
Marina ary ve fa misy heriny ny vola?

Angamba avy hatrany dia hamaly ianao hoe [ENY], nefa aleo ho jerentsika ny fijerin’Andriamanitra azy io. Ny vola dia toy ny taratasy rehetra, ka tsy tokony hisy hery manokana anànany. Nisy tsangambaton-tsapy iray izay naorin’i Solomona tamin’ny fotoan’androny, rehefa naka vady tamin’ireo firenena izay nandraràn’i Jehovah izy. Ny sampin’izy ireo dia saika tafiditra tao anatin’ny faritanin’ny zanak’Isiraely avokoa ka nahatonga ny zanak’Isiraely ho niodina tamin’i Jehovah. Ireny tsangan-tsampy ireny dia toy ny “statut” rehetra ihany, saingy nekena ny maha-andriamanitra azy, tsy tonga ho azy anefa izany fa misy fanahy izay mitaona ny olona hanaiky azy (1Mpaja 11: 1- 8 ). Ilay sampy noho izany dia tsy misy hery, fa ilay fanahy ao ambadik’izy ireny no manandevo ny olona manaraka azy ka manjary toa jamban’ny heriny ny olona. Tsy misy hafa noho izany ny vola, toy ny taratasy rehetra izy ireny, saingy misy fanahy izay mahatonga ny olona hirona bebe kokoa any ka mampanandevo azy. Io fanahy io no lazain’ny baiboly hoe “mamôna”.

Hevero anie izao, maty ve ny olona raha tsy misy ny vola? Tena mikorontana ve ny tontolo raha tsy misy ny vola, tena tsy misakafo tokoa ve, tena tsisy fiarovana tokoa ve rehefa tsy misy izy io? Tany aloha tany dia tsy nanjàka loatra ny vola, vitan’ny fihavànana sy ny fifanankàlozana ny zavatra rehetra. Raha mamboly izao ny olona rehetra sady tsara ny fifaraha-monina, mety ho nilaina ve ny vola? Mazàva ho azy fa tsy tokony hitàna anjara-toerana mankadiry eo amin’ny fiainantsika ny vola.

Milàza toy izao ny baiboly: “fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika. (Asa 17/28)” hevero anie hoe inona no idiran’ny vola amin’ny fitsangànanao na fatorinao? Inona no idiran’ny vola amin’ny fametrahan-tànana amin’ny marary ka mahasitrana azy? Inona no idiran’ny hoe ianao miaina mampiditra sy mamoaka rivotra amin’ny oronao? Tsy misy voavidin’ny vola izy ireo, ary marina ny voalaza fa Andriamanitra no anton’ny zavatra rehetra.

Raha salàma ianao, raha matory tsara ianao, raha ambinina ianao, raha milamina ny fiainanao, raha mizotra miaina tsara ianao dia Andriamanitra no manome maimaim-poana anao ny zavatra rehetra.

Mety afaka mandinika ny toerana misy anao ve ianao zao? Aiza ho aiza ny toerana misy anao? An’i mamôna sa an’Andriamanitra? Tsy afaka ny sady hanompo an’Andriamanitra no hanompo ny vola ianao, noho izany mila miàla eo ambanin’ny fanapahan’i mamôna ianao, mba hanapàhan’Andriamanitra manontolo ny fiainanao. Tsarovy fa rehefa mamôna no mahazo làka, dia tsy afaka ny haka toerana ao Andriamanitra, ary aza mety hofitahin’ny fanahin’ny mamôna amin’ny alàlan’ny fivavahana  mba hanompoana azy, fa ataovy madio sy mahintsy ny fonao fa Andriamanitra tsy mahantra Izy, ary mahatoky amin’izay rehetra nolazainy.

Ny vola dia toy ireny fitaovana rehetra ireny izay manampy antsika amin'ny fiainana andavanandro, mitovy izy sy ny angady, fa angamba kosa tsy mbola nisy olona nandevozin'ny angady fa nahay nionona ihany. Tadidio tsara fa tsy andriamanitra akory ny asa aman-draharaha ka hampanompo anao noho ny resaka vola. Ny asa dia fantsona iray izay entin'Andriamanitra hampidinany ny fitahiana aminao.  Raha misy olona atao hoe very asa kanefa tena mino an'Andriamanitra, dia tsy tokony ho kivy izy satria tsy ny fitahiana akory no niova, fa ilay fantsona no tian'Andriamantra hovaina mba ahafahan'ny fitahiana ho anao hifanaraka amin'ny fikasany. Jereo i Elia, tsy vola no nameloman'Andriamanitra azy raha nasainy nankany amin'ny reniranon'i Kerita izy, fa ny goaika no notendreny hamelona azy tany (1Mpanj16: 3,4). Jereo koa Jesosy rehefa namahana ny olona tsy omby dimy arivo lahy, ny mpianatra dia nanahy ny amin'ny hoe na dia mofo vidiana denaria roanjato aza tsy ampy azy rehetra hananay kely avy, kanefa ny Tompo tsy niantehitra tamin'ny vola fa tamin'ny maha-zanak'Andriamanitra Azy(Marka 6: 7).  Noho izany dia alaviro ao anatin'ny saina ny hanompo ny asa na ny vola, izy ireny no natao hanompo anao fa isika no natao hampanompo ny zavatra rehetra (Gen 1: 28).
Hoy ny soratra masina "Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo ny zavatra rehetra" (Matio 6: 33).

 

Amen.

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement