Nissi Praise Ministry
NISSI PRAISE MINISTRY AND PRODUCTIONNy NISSI PRAISE MINISTRY & PRODUCTION dia ministera nantsoin'ny Tompo hanandratra Azy amin'ny alalan'ny fiderana sy fiankohofana ary ny mozika, izay ahitana kristiana avy amin'ny anaram-piangonana maro samihafa manana vina (vision) iraisana. Ny hahatonga ny fanatrehan'ny Tompo izay mitarika fiovana ho an'ny toem-po sy famerenan'Andriamanitra ny tsirairay araka izay tiany no tanjonay ary ny mba hanjakan'ny Tompo amin'ny tontolo-andron'ny tsirairay.
Misokatra ho amin'ny fiaraha-miasa tsy mivoana amin'io vina io ny NPMP ary vonona ny hifanohana ho amin'ny fampandrosoana ny asan'Andriamanitra rehetra ka mbola ahafahanay mandray anjara.

Ity blogsite ity dia natao mba ahafahan'ny rehetra mifanerasera aminay amin'ny alalan'ny toro-hevitra maro samy hafa sy fampianarana ary fampaherezana. Noho izany dia mety ho azonao atao tsara ny miara-miasa amin'ny NPMP na dia tsy mifanatrika aminay aza fa amin'ny alàlan'ny tranon-kala voarakitra ato.

Ny NPM dia manana teti'kasa maro izay vooavolavoa toy izao:
- Ny fanaovana seminera momba ny fiderana sy fiankohofana
- Manofana momba ny fitarihana ho an'ireo olona vonona hiasa ho an'Andriamanitra
- Manokana fotoana hiarahana amin'ny olona rehetra hiderana an'Andriamanitra. (Mbola tsy voafaritra ny fotoana) [jereo ny pub eo ambony (rehefa misy)], mijereva mail.
Ireo izay te hanana fifandraisana manokana aminay dia afaka manoratra amin'ny adresse mailaka: 1nissipraise@gmail.com

NB: Pour télécharger des bibles gratuitement en version française avec je croix; Cliquez ici
Raha hikaroka toko sy andininy amin’ny baiboly katolika dia :Tsindrio eto
RAHA HAKA BAIBOLY VERSION WORD KOSA IANAO DIA:Tsindrio eto .Mahazoa fahalalàna avy amin'ny famakiana ny soratra masina.
