Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Noforonina ho tsara


Noforonina ho tsara,

       Tamin'ny voalohany Andriamanitra dia nahary ny lanitra sy ny tany,  ireo zavatra izay hita eo amboniny sy izay ao ambaniny ary izay rehetra manodidina azy. Ny zavatra rehetra rehefa noforonina dia nambarany fa tsara avokoa, ary indrindra fa isika olombleona izay tsy mba nataony toy ny zava-manan'aina rehetra fa tena nampitoviany tamin'ny tenany  sy tamin'ny endriny (toem-panahy) sy tamin'ny fombafomba rehetra. Io fahatsarana io dia nampiseho ny hevitr'Andriamanitra sy ny fikasany ary ny maha Izy Azy.

       Raha mandinika tsara ny baiboly isika dia mahita fa ny endriky ny zavatra hita ety an-tany dia maneho ilay endriky ny zavatra any an-danitra, na koa hoe; ny fikasan'Andriamanitra ny amin'ny andro aoriana dia efa hita tany an-danitra. Izany dia maneho fa Andriamanitry ny fahafenoana Izy ka tsy nikasa ny fiainan-janak'olombelona ho amin'ny fijaliana tsy akory. Koa raha mahita àry isika fa tsara ny zavatra hitantsika ety an-tany dia midika mazava izany fa tsara Andriamanitra izay nanao izao rehetra izao satria ireny no mampiseho Azy.

       Nasehon'Andriamanitra tamin'ny alalan'ireo zavatra noforoniny ireo ny fahatsarany. Ireo zavatra ary rehetra ireo dia tao Aminy no nivoahany, voalaza fa avy tamin'ny teniny no nahariany ny zavatra rehetra. I Joba dia nolazainy fa  tao Amiko ianao fony mbola tsy àry ny fanorenana izao tontolo izao(Job 38/4). Tsy i Joba irery anefa fa izaho sy ianao koa. Ilay tsara tao amin'Andriamanitra no navoakany ka namoaka izao zavatra tsara rehetra izao hanehoany ny Fahatsarany sy ny maha-Izy Azy.

       Ny zavatra tena mahafinaritra sy mahatalanjona dia izao, isika olombelona no nohariany farany indrindra. Raha Jesosy no voalaza fa nohariana voalohany, ka nataony naka ilay endriky ny tenany amin'ny fahatsarana rehetra, kanefa ho Azy no nahariana izao rehetra izao, dia mazava fa ny zavatra rehetra noharian'Andriamanitra taorian'i Jesosy dia zavatra tsara avokoa mba ho Azy(Jesosy). Rehefa vita avokoa anefa ny zavatra hafa rehetra tety ambany masoandro, dia hita fa banga ihany ny tany raha toa ka tsy hisy olona hipetraka, dia nanao ny olona Izy. Nanao ny olona hanjaka amin'ny tany indray Andriamanitra, ary nataony nitovy taminy "Jesosy" ilay zanaka (olona) noforoniny, Jesosy izay voalaza fa endrik'Andriamanitra tsy hita (kol 1;15)(Heb 1;2,3). Hoy Izy; "Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano......." (Gen 1;26) Hita eto fa izaho sy ianao tsy mba natao hafa fa tena natao ho zanak'Andriamanitra satria dia nataony nitovy tamin'ny endriny tantera  tahaka an'i Jesosy ka hanjaka amin'izao zavatra àry rehetra izao.

       Misy zavatra maro ianarantsika momba ity loha-hevitra ity satria tena antoky ny fiainana mandrakizay andrasantsika ny mikasika azy ity, nahoana?

       Rehefa voaforona avokoa ary ny zavatra rehetra dia hita fa io ilay edena sy ilay tany nivoaka avy tao amin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny teniny, feno ny voninahitr'Andriamanitra ny tontolo rehetra ka tsy misy faharatsiana nitoetra teo. Tsy nisy tahotra, tsy nisy henatra, tsy nisy ahiahy ary tena nanana fifandraisana mivantana tamin'Andriamanitra ny olona sy ny voahary rehetra. Nisy ratsy ve tamin'izany? tsia, tsy  nisy faharatsiana velively tao anatin'izany fa hitan'Andriamanitra fa tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony. Mazava ho azy fa raha misy faharatsiana miseho eto dia tsy avy tamin'Andriamanitra izany.

       Raha mandinika tsara isika; ny baiboly dia manambara fa Jesosy no voalohany noforonin'Andriamanitra (Kol 1;15-18). Avy eo Andriamanitra dia nahary ny zavatra rehetra tany an-danitra mba ho an'i Jesosy izay Zanany, noforoniny taorian'izany ny anjely maro sy ny endrika maro izay hita rehetra tany an-danitra. Feno ny voninahiny ny lanitra rehetra ary nanompo Azy avokoa na ny zava-mananaina na ny anjely na ny voahary rehetra tao an-danitra. Voalazan'ny baiboly fa misy ony izay atao hoe onin'ny ranon'aina izay mivoaka avy tao amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra (Apok 22; 1..) (Ezek 47; 1..) teo andaniny roa dia nisy hazo izay namoa voa maro karazana ary mamoa isam-bolana, ny ravin'izany hazo izany dia voalaza fa ho ho fanasitranana ary ny rano dia natao hamelona mandrakizay. Tsy misy hafa an'izany koa fa ny sary rehetra izay tao amin'Andriamanitra ka nataony tany an-danitra dia nataony teto an-tany koa.

Nohariany aloha ny zavatra rehetra na ny rano, na ny tendrombohitra, na ny zava-mananaina rehetra mba ho an'ilay olona hoforonony. Jereo tsara fa Jesosy dia hanjaka ary natao hanjaka amin'ny zavatra rehetra, dia toy izany koa isika rehefa noforonina; nomena fahefeana hampanompo sy hanjaka amin'ireo zavaboahary rehetra isika.

     Midika izany rehetra izany fa ny fikasan'Andriamanitra ny amin'ny lanitra sy ny tany dia mitovy. Manamarina izany ny filazany ny amin'ny lanitra sy ny tany vaovao rehefa rava ilay fikasany voalohany noho ny tsy fankatoavana nataon'ny olombelona tety an-tany. Jesosy sy ny olona izay nohariany anefa dia samy nataony hoe zanany; ny Iray avy ao Aminy no nivoahany, ny iray dia nalaina avy tamin'ny tany ka nasiany sila-panahy avy Aminy dia izaho sy ianao izany. Tsara avokoa ireo zava-bitan'Andriamanitra ireo saingy ny fanontaniana mipetraka dia izao; nahoana ary no tsy mitovy amin'i Jesosy isika, ary nahoana no iharan'izao zava-manahirana rehetra izao ny olombelona??

     Ny valiny dia ho hitanao ao amin'ny lesona manaraka. Tena zava-dehibe tokoa ny hianarantsika izany zavatra izany satria tena ilaintsika fantarina ny tena sitrapon'Andriamanitra. Matoa namorona antsika Izy dia nisy fikasana tao, andeha ho fantarintsika izay fikasany izay mba ahafahantsika mandeha araka izay sitrapony izay.

       Mahereza ry rahalahy fa Andriamanitra nanao anao ho tsara, na inona endrikao na inona mety ho tsy fahafaham-ponao dia tsarovy fa manana ny maha izy anao ianao fa tsy olom-poana tsy akory. Tsara eo imason'Andriamanitra ianao ary ny endriny no nozarainy taminao.
 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement