Sambatra izay ....
SAMBATRA IZAY…. !
Ny tori-teny voalohany izay nataon’i Jesosy, dia tori-teny sy fampianarana tena mavesa-danja, ahitàna ny fanalahidin’ny fanjakàn’ny lanitra sy ny sitrapon’Andriamanitra. Io tori-teny io dia hitantsika ao amin’ny bokin’i Matio 5. Mba ahafahantsika mahazo tsara ity tori-teny ity ary, sy ahafahantsika mahita fa hay tsy azo odian-tsy hita izy io, fa làlana tsy maintsy hirosoana mba handovàna ny fiainana mandrakizay, dia ataonay ho fifaliana ny mizàra izay fahalalàna kely nomen’ny Tompo anay mba hanampiana anao, sy ahafahanao miroso amin’ny fiainam-panahy tsaratsara kokoa.
Nahoana moa no lazaina fa tsy azo idovirana ity tori-teny ity ? Ny ankabeazan’ny mpino dia matetika manao azy ity ho tsianjery, ary tena mahalany tsianjery ireo andinin-teny ireo fotsinyihany fa tsy miaina ao anatin’ny fampihàrana. Mitondra fototra famonjena, ary tena fototra tokoa ho an’ny fiainam-panahy anefa izy ity, ary iorenana amin’ny maha sakaizan’i Kristy.
Nanoritra làlam-pahasambarana ho antsika ny Tompo. Iza tokoa moa ny olona tsy mitady fahasambàrana ? Izany indrindra mantsy no mahatonga ny olona mivavaka amin’Andriamanitra (samy manana ny andriamanitra heveriny hitondra fahasambarana). Ao ny mihevitra fa ny vola aman-karena, na ny fanànana fianankaviana feno filaminana lavitry ny aretina sy ny zava-manahirana, ao ny mihevitra ihany koa fa ny fitetezana izao tontolo izao sy ny mahita ny zavatra izay tsy fahitan'ny olona, na manao izay zavatra tsy fanaon’ny olona no mahasambatra ….. ! Izany anefa dia efa nomanin’Andriamanitra ho antsika amin’ny alàlan’ny Zanany, ka io Zanany io no manolotra antsika ny fanalahidin’io fahasambarana io. Tsy ara-nofo ny teny, fa ara-panahy, kanefa miantraika tanteraka any amin’ny ara-nofo. Tadidio « fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy(Gal 6:8)
Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
Mila mahafantatra tsara aloha isika eto ny atao hoe malahelo am-panahy. Amin’ny dikan-teny hafa izy dia milaza manao hoe “Sambatra izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra”. Raha ampifandraisina ireo teny ireo dia ahafahana mahita taratra fa ny hoe malahelo am-panahy dia hoe; misy zavatra mafy atrehina, ka ilàna an’Andriamanitra mba hiàsa, na mila Azy hanatrika eo amin’ilay zavatra atrehina. Eo amin’ny fanarahana ny Tompo dia misy zavatra maro izay tsy tokony hataontsika intsony toy ny tany amin’izao tontolo izao. Mety hahasarotra ny fiainana ilay izy raha jerena ara-nofo satria tsy manao ny fomba fanaon’izao tontolo izao isika. Izao tontolo izao ohatra dia mila mandainga mba ahazoana miaro-tena na mivelona, mila miavonavona mba hisandratany ohatra, mila mangalatra na mamitaka mba hampanan-karena azy. Isika mpanara-dia an’I Kristy kosa dia manao izay ankasitrahany ka tsy manao ireny fomba taloha ireny intsony. Miteraka ady ara-panahy ho antsika izy ireny matetika, satria ny devoly dia tsy mitsahatra ny maka fanahy antsika mba hahalavo antsika eo anatrehan’ireny toe-javatra ireny. Io ady ara-panahy io no ilazàna ilay hoe alahelo ara-panahy, satria eo no tena ilàna fijoroana, sy ilàna ny fanatrehan’Andriamanitra. Hoy ny (1Pet 1 : 6 Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,)
Ny dikan-teny amin’ny teny anglisy dia milaza io alahelo io hoe (poor), izany hoe mahantra. Sambatra araka izany ny olona izay mahatsapa ho tsy manana na inona na inona azony tena ianteherana afa-tsy amin’Andriamanitra. Ny baiboly rahateo dia milaza fa ny heriny dia tanterahina amin’ny fahalementsika (2Kor 12:9). Eny, tsy amin’ny herintsika ara-nofo, na ara-pahafaha-manao (moyen), fa amin’ny Fanahin’I Jehovah Tompon’ny maro (Zak 4:6).
Ny malahelo (mahantra) am-panahy eto izany dia fifantohan’ny fanahy amin’ny fianteherana amin'Andriamanitra, fa tsy miantehatra amin'ny zavatra azo tsapain-tànana izay mety ho mampirehareha ka mahatakona an'Andriamanitra. Tsy miantehatra amin'ny havana ambony, tsy miantehitra amin'ny fahafantarana olona, fa amin'Andriamanitra tsy misy fangarony, ary miandry ny famonjeny sy ny tolon-tsainy mialohan'ireny soson-kevitry ny nofo rehetra ireny.
Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.
Ilay ory eto dia tsy mitovy amin’ilay hoe malahelo tetsy ambony. Amin’ny dikateny baiboly Darby (français) izy dia manambara hoe “mitondra fahoriana”. Fa inona no antony itondrana ilay fahoriana ? Manambara toy izao ny (2Pet 2 : 7 fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka, 8 (fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan'andro isan'andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan'ireo ny lalàna). Nalahelo (ory am-panahy) i Lota satria nandika ny lalàn’Andriamanitra (nanota) ny mpiara-monina taminy. Firy amintsika tokoa moa amin’izao fotoana izao no mba ory tahaka izany mahita ny fahotana ataon’ireo izay manodidina antsika ? Ny ory eto dia tsy mijanona ho ory fotsiny, fa ny fidirana an-tsehatra mitory ny filazan-tsara, na manitsy izay fahadisoan’ny olona izay manao fahadisoana (Gen 19:9). Raha te ho hampifaliana anefa isika tahaka an’i Lota izay novonjena ho afaka tao Sodoma sy Gomora, dia tsy maintsy manana izany toe-panahy izany mba handovàna ilay fiainana mandrakizay.
Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany
Tsy masiaka, tsy lozabe fa maneho fahatsaram-panahy sy filaminana, manam-pitiavana. Misy marika kely manondro ny (Sal 37:11) io andinin-teny io. “Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana”. Ny tany izay lazaina eto dia ilay fiainana mandrakizay andrandraintsika. Tsy ity tany izay diavintsika ankehitriny ity no tiana hambara amin’izy io, fa ilay tany sy lanitra vaovao izay midina avy any an-danitra. Matetika isika dia tsy miresaka ity tany sy lanitra vaovao ity mihintsy, fa dia ny lanitra ihany no be ao am-pontsika. Manambara anefa ny baiboly fa ny lanitra dia toeram-piomanana hitoerantsika mialohan’ny handovantsika ilay tany vaovao. Ny fiainana mandrakizay araka izany dia mila fantatsika mazàva, satria iannkinan’ny finoana izany. Tsy ho afaka handova ny fiainana mandrakizay isika raha toa ka mety tsy manam-pitiavana, mbola tia tena, mora tezitra, mora misafoaka na dia atao aza hoe ara-drariny ny hatezerantsika. Tadidiko fa tokony hanana ny toe-panahy mitovy amin’Andriamanitra isika ka hanana famindram-po sy fitiavana ary fandeferana toa Azy amin’ny olona rehetra. Nahoana tokoa moa raha tahaka ny toetrantsika ny toetran’Andriamanitra ? Angamba dia tsy misy olona afaka ny hiaina intsony fa avy hatrany dia nanafay sy nanafoana ireny olona ratsy fanahy rehetra Izy. Be Fitiavana Izy ka nametraka fianarana ho antsika mba hitoviantsika aminy, ka ahatonga antsika ho tafiditra ao amin’ilay tany vaovao hampandovàny antsika.
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.
Nahoana isika no tokony ho noana sy mangetaheta ny fahamarinana ? Nahoana isika no mionona fotsiny amin’izay zavatra nampianarina antsika fa tsy mikaroka ilay tena fahamarinana ? Marina fa miteraka ady-hevitra be ny fikarohana ny marina ary tsy mora izany. Misy indray ireo olona tsy mahalala afa-tsy zavatra tokana, dia iny no tazominy. Tadidio anefa fa izay heverintsika ho fahamarinana hazomintsika anio dia mety hahitsin’ny fahamarinana hampahafantarin’ny Tompo antsika rahampitso. Noho izany dia tsy azo atao ny miavonavon-kevitra. Milaza toy izao ny baiboly (1Tes 5: 21 Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara). Manana adidy isika hikaroka ny tena fahamarinana satria zava-miafina izy io ka sarotra tadiavina. Asain’ny baiboly mividy ny marina mihintsy aza isika, izany hoe mahafoy zavatra maro (fotoana, fananana...) mba hahazoana ny marina (Oh 23; 23). (Asa 17: 11 Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia). Toe-panahy tsara ny fandinihana ny Soratra Masina. Nahoana izy ireo no nandinika na marina na tsy marina ny Soratra Masina teo am-pelatanan’izy ireo ? Satria misy fiovaovàna hatrany io soratra io, indrindra rehefa misy ny fandikàn-teny ka mety hampiova ny hevitry ny tena tian’ny mpanoratra holazaina. Efa fantatr’izy ireo ihany koa fa mety ho betsaka ny fahadisoana voaray na avy tamin’ny fampianara notoriana taminy, na avy amina fombafomba maro isan-karazany izay zary lasa fahazarana ho an’ny fiangonana. Noho izany dia tsy tokony hanenjika ny olona izay mikaroka ny fahamarinana isika, fa tokony ho liana amin’izay rehetra lazain’ny olona, ka handinika tsara na marina ny amin’izy ireny na tsia. Ka ny fatran’ny fahalalàna ananantsika no hamarana antsika ihany koa (Lio 6: 38), ary hahafantatra ny tena marina isika ka tsy ho andevozin’ny fahotàna sy ny fandikàna ny sitrapon’Andriamanitra (Jao 8: 32), ary ho afaka amin’ny fanandevozan’ny devoly ihany koa amin’ny alalan’ny aretina sy ny olana maro samihafa. Izay mitadt rahateo no homena, ary izay noana sy mangetaheta dia toloran’Andrisamanitra ka ho voky izany fahamarinana izany.
Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
Vokatry ny fitiavana ny fiantràna. Tokony ho voa-janahary ao anatin’ny olom-belona ny fahatsapàna ho malahelo olona sendra ny mafy. Ny fiantràna ataontsika dia voatahiry ao an-danitra, satria Andriamanitra no manonitra izany ho antsika (Oh 19: 17 Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa). Tsy hoe akory domiko tapany mandoa erany Andriamanitra ! Adidy tsy maintsy atao izy io, indrindra amin’ny mpianakavin’ny finoana (Gal 6: 10). Tadidio tsara ilay fanoharana nolazain’i Jesosy: (Mat 25: 41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; 42 fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; 43 nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo. 44 Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? 45 Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. 46 Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay). Hitantsika amin’izany fa adidy tsy maintsy atao io eo amin’ny madinika, eo amin’ny mpianakavin’ny finoana satria ireny no ahafantarantsika fa tafatoetra ao amin’ny Tompo isika na tsia.
Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra,
Tsy mitahiry lolom-po sy hatezerana, izay no azo ilazàna ny atao hoe madio am-po. Ny olona izay mitahiry lolom-po sy hatezerana dia olona tsy mba mamindra-fo, ary tsy mbola namela heloka akory. Isika anefa dia mila mamela heloka ny olona izay nanao fahadisoana tamintsika, indrindra fa nifona tamintsika izy ireo. Toetran’Andriamanitra ny fahadiovam-po, izany no itehirizany famindram-po vaovao ho antsika isa-maraina(Fit 3: 22,23). Io dia isan'ny nampidirin'ny Tompo tao amin'ilay vavaka nampianariny mihintsy, dia ilay hoe "mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay"(Mat 6: 12). Efa tena mahay mamela heloka ve isika io mangataka famelan-keloka io ? Mba ahatsapantsika ny hasarobidin'ny famelan-kelok'Andriamanitra, dia asainy mamela heloka isika. Isika ihany koa dia nampianarin’ny Tompo mba hanana ny fon’ny zaza, hoy Izy: (Mat 18: 3 Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova* ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.[*Gr. mitodika]). Fa manao ahoana ny zaza ?; miady izy ireo, kanefa afaka minitra vitsy dia tsy tadidin’izy ireo intsony ilay fifandirana avy eo. Tsy mieritreri-dratsy ny zaza ary tsy mihatsaravelatsihy amin’ny namany. Tsotra, ary tsy miafina izay tena marina ao am-pony. Isika koa dia takian’Andrimanitra mba hiverina hanana ny toepon’ny zaza, madio, raha tsy izany dia tsy afaka hahita an’Andriamanitra velively.
Misy fanoharana iray ihany koa izay nampianarin’ny Tompo ato amin’ny (Matio 18: 21 Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? 22 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo*.[*Na: fito-polo impito] 23 Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny mpanompony ny amin'ny volany. 24 Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta* iray alina.[*Anaram-bola; ny talenta volafotsy dia sekely telo arivo] 25 Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny trosa. 26 Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra. 27 Ary ny tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy. 28 Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria* zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.[*Anaram-bola tokony ho venty no heviny] 29 Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao. 30 Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa. 31 Ary nony hitan'ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin'ny tompony izany rehetra natao izany. 32 Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko ianao; 33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao? 34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra. 35 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy ianareo.)
Mitaky ezaka be dia be avy amintsika noho izany ny fanànana fahadiovam-po. Tsy maintsy ananana anefa izany raha te hahita ny tavan’Andriamanitra isika. Ny fahadiovam-po sy ny fahamasinana dia mifampiankina, satria ny fahadiovana no antoky ny fahamasinana araka ny (Heb 12: 14 Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.) Matoa isika asaina mitady fihavanana amin’ny olona rehetra, dia tsy ilaina akory izany ny fanànana lolom-po sy ny hambom-po diso toerana, fa mila manana fahadiovam-po tanteraka vao afaka ny mahatanteraka izany.
Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.
Ny hoe mpampihavana dia ny mandamina ny adin’ny olona izay manana ady na misy fisarahana. Mety ho eo amin’ny fiaraha-monina izany, mety ho eo amin’ny lafin’ny fanambadiana na ny ankohonana mihintsy, toy ny hoe ray sy zanaka .... Ny mpampihavana eto dia ny mitady izay hampiravina indray ny fihavanana izay rava. Tsy anjaran’ny mpitandrina fotsiny ihany izany fa anjaran’ny atao hoe zanak’Andriamanitra. Raha ny fampihavanana no resahina, dia mety ho betsaka amintsika no mijery fotsiny ireo olana mitranga eo amin’ny manodidina antsika. Tadidio anefa fa ny fampihavanana voalohany indrindra dia ilay fampihavanana ny olona amin’Andriamanitra. Raha tsy haintsika ny mampihavana ny olona amin’Andriamanitra dia ho sarotra amintsika ihany koa ny mampihavana ny olona izay tiantsika hihavana. Tsy maintsy io fampihavanana io anefa no voalohany maha-zanak’Andriamanitra antsika, satria ny nandrava io fihavanana tamin’Andriamanitra io no nataon’ny devoly hatramin’ny voalohany. Hoy anefa ny baiboly: (1Jao 3: 8 Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.) Marina fa Jesosy io voalaza io, kanefa isika dia zanak’Andriamanitra ihany koa, ka mila mandrava ny asan’ny devoly toa an’i Jesosy. (2Kor 5: 18 Fa izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, 19 dia izao : Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.) Noho izany dia io no adidintsika voalohany indrindra amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika. Tsy ho zanany mihintsy isika raha tsy mitondra an’io filazan-tsaran’ny fihavanana io. Io no afaka hiaro ny tongontsika amin’ny fakam-panahy sy ny fisedrana rehetra mpahazo ny nofo, ary anisan’ny fitafiana tsy maintsy anaovana io araka ny (Efes 6: 15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo). Raha tiantsika ny tena ho zanak’Andriamanitra, dia mila miomana dieny izao satria tsy maintsy mitondra io filazantsaran’ny fihavanana io isika, ary mila mitondra fampihavanana ihany koa amin’ireo olona samy olona.
Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
Ny fanontaniana mipetraka voalohany indrindra dia ny hoe; fa maninona no enjehina, fa iza no manenjika ? Ireo fanontaniana ireo no andeha hovoasantsika mba ahatonga antsika hahatakatra ny fihevitry ny soratra masina. Matetika manko ny olona rehefa azon’ny fanakianana, na fitsikeràna, na fanenjehana ihany koa dia tonga ho azy ao an-tsaina sy eo am-bava ity andinin-teny ity. Eto dia hoe “enjehina noho ny fahamarinana” ! Ny fahamarinana izay voalaza eto dia noho ny fifikirana amin’ny tenin’Andriamanitra Ilay Fahamarinana hazonintsika amin’ny alalan’ny finoana. Satria ianao tena mitandrina araka ny fahamarinana, na koa hoe mikaroka ka mitandrina ny marina fa tsy te hifangaroharo amin’ny fahadisoam-pivavahana izay efa nitezaina ny fanahinao hatramin’izay, dia hisy fiantraikany eo amin’ny manodidina anao izany satria hitarika fanenjehana.
Ohatra iray ho raisintsika ohatra i Lotera; nanana fandresen-dahatra avy amin’ny soratra masina i Lotera fa tsy tokony ho sandaina vola ny famelan-keloka izay nanjary nahazo laka teo amin’ny fiangonana nisy azy teo aloha ka niezaka ny nijoro izy hanatanteraka izay hitany fa fahamarinana. Niàla tamin’ny fivavahana amin’ireo olo-masina izy satria resy lahatra fa efa hadino ny fahatsiarovana ireny .... ! Noraisintsika ireo ohatra ireo satria ataoko fa tsy misy tsy mahalala ny tantaran’i Lotera ilay mpanorina ny fivavahana protestanta isika. Nisy fiantraikany mivantana teo aminy anefa izany; fanenjehana azy ary nihatra aman’aina ilay izy. Ka ny fitandremanao ilay fahamarinana izay nandresy lahatra anao ka hitanao tokoa fa tena fahamarinana ilay izy, dia io ilay vovalaza eto. Fiangonana iza moa no tsy voaenjika teto ambonin’ny tany ? Hatramin’ny zokinjokiny ka hatramin’ny zandrinjandriny dia nandalo fanenjehana daholo. Eny fa na dia tsy mitovy hevitra aza ireo fiangonana ireo dia nisy hatrany ny fanenjehana azy ireo. Izany no mahatonga antsika ho manisy lanjany ireo fahasamihafan’ny fiangonana ireo, satria samy manana izay heveriny ho fahamarinana hazoniny izy ireo. Ilaina araka izany ny mitrandraka ireny fahamarinana ireny, ka mitandrina izay tsara sy tena fahamarinana fa tsy mihazona foto-kevitra iray izay hazonin’ny fiangonana iray. Mino aho fa raha samy manokatra ny sofiny hihaino ny hafa isika dia hahita sy hahalàla fahamarinana maro izay tokony ho tandremana.
Tadidio anefa fa (2Tim 3: 12 Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina). Ny fahalalàna dia ilaina, kanefa tsy ilaina izany raha tsy hitandrina azy akory isika, satria ny fahalalàna dia mahabe-fahoriana (Mpit 1: 18 satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana). Tsindrian’iPetera tsara ary fa tsara kokoa aza ny tsy manana fahalalàna toy izany nahalala nefa... miala na tsy mitandrina akory (2Pet2 :21 Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy). Mampahery antsika araka izany, karohy ny marina ary mandania fotoana mianatra ny baiboly ahitàna ny tena fahamarinana fa aza mionona amin’izay atolotra antsika, na eto izany, na any am-piangonana, na amin’ny radio sy ny télé ..! Hoy tokoa mantsy ny baiboly manao hoe “fantaro ny zavatra rehetra, hazony mafy izay tsara”(1Tes 5: 21)
(Jao 15: 20 Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa).
Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
Eto indray dia fanaratsiana na fanosoram-potaka vokatry ny fankahalàna antsika noho ny fivavahantsika no hisian’ilay fanenjehana. Mety ho mpino, mety tsy ho mpino io manaratsy sy manenjika io! Kanefa raha ny fahitàna azy dia ny tsy tena mpino no tena tompon’antoka amin’ity sehatra iray ity. Koa satria ianao efa nandray ny Tompo, dia tsy mety hanao izay zavatra efa lavin’ny fanahinao miaraka amin’ny olona. Lasa tsy nandainga intsony ianao, lasa tsy nangalatra intsony ianao .... dia lasa fanafintohinana ho an’ny hafa ianao satria manelilngelina ny fahalalahany. Noho izany indrindra no mahatonga ny sasany amin’izy ireny hanendrikendrika mba hanaratsiana anao ! Mety hamandrika anao mihintsy aza izy ireny mba ahafahany mandoto ny maha-mpivavaka anao ! Rehefa tafalatsaka ianao ao anatin’ny fandrika dia iny amin’izay no ambarany amin’ny manodidina azy ka lazainy hoe “anarany fotsiny iny no mba hoe mpivavaka fa kay ....” Ary io dia hitarika fanenjehan’ny hafa izay tsy mandinika akory ny tena zavatra mitranga fa avy hatrany dia mandray am-bolony. Ataoko fa tsy vitsy no efa tratran’izany isika ! Atao izay hampahatezitra antsika, atao izay ahatonga antsika handika ny sitrapon’Andriamanitra. Mety ho tafalatsaka tsy fidiny tokoa isika, kanefa tsy azontsika atao ny manamelon-tena manoloana izany tranga izany, indrindra fa niteraka fahalavoana hitan’ny be sy ny maro ka mahatonga ilay fanenjehana; tsy fidiny ho anao izany ! Noho izany indrindra no ilazàna anao fa “sambatra ianao” hoy ny Tompo. (1Pet 4: 14 Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran'i Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo. 15 Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona. 16 Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy). (Mat 10: 22 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena). Tsy ilay anarana hoe maha-kristiana fotsiny akory, na ny maha-mpanara-dia ny Tompo antsika ihany ! Fa noho ilay anarana ao anatintsika. (vakio ny lesona momba ny batisan’ny afo...)
Ny hafatra napetrak’i Petera dia izao; (1Pet 4: 3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; 4 ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;). Ny olona tsy miara-mihazakazaka amin’ny jentilisa sy ny fanaony no iharan’ity fanenjehana ity, koa dia mampahery antsika rehetra ny baiboly. Izahay ihany koa dia mampahery antsika rehetra mba hitandrina ny fahamarinana, izay omen’Andriamanitra an’izay rehetra tena mangetaheta ka manao ny ainy tsy ho zavatra hikaroka izany fahamarinana izany. Sarobidy ny fahamarinana.
Samia ho tahin’Andriamanitra
(Ity laha-tsoratra ity dia ho hitanao ao amin'ny onglet [Lahatsoratra Hafa] afaka fotoana fohy ....