Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Batisan'ny rano(febebahana)

Batisan'ny rano(febebahana)

 Inona no hevitry ny batisa ? tsy maintsy atao ve ny batisa? ny endriky ny batisa? Ny fepetra takiana?:

Fanontaniana mipetraka avy hatrany ireo ho an’ny olona tsy mbola nampianarina na tsy mahafantatra ny tena anton’ny batisa ireo fanontaniana ireo. Jesosy Kristy anefa dia naniraka ny mpianatra mba hitory ny filazan-tsara amin’izao tontolo izao ary hampanao batisa azy ireo izay olona mino (Mat 28: 19). Niteraka adi-hevitra lehibe izy ity ho an’ireo fiangonan-dehibe sy ireo fiangonana zandriny kanefa taty aoriana dia nanomboka nanara-dia ireo zandriny ireo zokiny ny amin’ny hanatanterahana batisa ho an’ny olona efa lehibe. Noho izany dia tsy fampianaram-piangonana akory ny batisa fa tena fahamarinana avy amin’ny tenin’Andriamanitra ka tsy maintsy arahina. (Mat 3: 15)

Voalohany indrindra aloha ny batisa dia endrika iray hanehoana ny finoana an’i Jesosy ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo ka nisolo vaika antsika. Ny heviny dia hoe miaraka alevina sy miara-atsangana amin’I Kristy. Hoy ny baiboly: “fa niara-nilevina taminy ianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty.” (Kol 2: 12). Ny batisa izany dia fanekena hita maso ho hitan’izao tontolo izao fa efa maty niaraka tamin’ny Tompo isika ka niara-natsangana taminy. Manamarika toy izao ny baiboly: “Ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana”(1Pet 2: 24-25). Izany hoe ilay fanavotana izay nataon’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana no nitondrany ny fahotan-tsika rehetra tao amin’ny nofony, raha isika no tokony hitondra io fijalian’ny fahafatesana io, dia nentiny tao amin’ny tenany ilay izy mba ho faty ny nofony izay solontenan’ny nofon’ny olona rehetra tena, ka nentiny tao aminy mba ho faty amin’ny ota koa ny olona rehetra. Izany hoe nisolo antsika Jesosy ka Izy no nanolon-tena ho faty nohon’ny ota, ka dia maty ny nofony.

Eo amin’ny batisa dia tsy maintsy miditra miara-maty aminy koa isika hanomboana ny tenan’ny nofo (ota) mba ho faty amin’ny ota koa isika. Ary ny olona iray izay miditra eo amin’ny ranon’ny batisa dia tokony ho olona efa maty amin’ny ota. Ny olona alevina dia olona efa maty fa tsy misy olona mandevim-belona akory, izany hoe; maty amin’ny ota, hoy ny baiboly; “Fa izay efa maty dia afaka amin’ny ota”(Rom  6: 7).

Maro ny olona no mieritreritra fa ny batisa dia famonoana ny ota, diso anefa izany satria tsy ny ota no maty fa ny tenantsika no maty amin’ny ota, izany hoe tsy mahalala ota intsony, na koa hoe tsy natao hivelona amin'ny ota intsony. Ilay ota dia eo ihany, ny fakam-panahy dia eo ihany fa isika no maty amin’ny ota ka tsy ny ota intsony no mibaiko antsika fa Kristy. Hoy ny baiboly “ Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra.(1Jao 3: 9). Io ilay atao hoe tsy mahalala ota intsony na koa hoe tsy miray amin'ny ota intsony. Ny batisa araka izany dia tsy hoe fanesorana ny ota ao amin’ny nofo, fa fandevenana ny tena miaraka amin’i Jesosy izay efa maty amin’ny ota (1Pet 3; 21 izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana* ny fieritreretana tsara eo anatrehan**'Andriamanitra***, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty)

Olona manao ahoana no atao batisa? Angamba efa misy valiny azo tsoahana etsy ambony, voalohany amin’izany dia ny olona efa maty amin’ny ota, izany hoe efa nibebaka ka nanolon-tena ho an’Andriamanitra. Jesosy dia nilaza toy izao: “mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra, izay mino sy atao batisa no ho vonjena (Mar 16: 15-16). Eto isika dia mahita fa ny olona mino no atao batisa, ao amin’ny andininy hafa ny baiboly dia milaza manao hoe mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (Mat 28: 19) izany hoe olona efa nianatra tao amin’ny Tompo no tokony hiditra eo amin’ny ranon’ny batisa. Ny mino eto dia olona mino ny fampianaran’i Kristy, ary olona avy nianatra ny soratra masina ka mahazo tsara ny hevitry ny famonjena. Mazava ho azy fa ny zazakely dia tsy afaka ny hino raha mbola kely, ary tsy afaka ny ho resy lahatry ny fampianarana izy ireo. Olona efa lehibe manana fahaleovan-tena noho izany ity voakasika ity fa tsy ny zaza mbola minono na ny ankizy izay tsy mbola tompon’ny safidiny ka mbola ny ray aman-dreniny no manapaka azy na ny finoany na ny zavatra hafa rehetra izay tokony hataony.

Manaraka izany dia nilaza toy izao i Jaona mpanao batisa raha nanantona azy mba hatao batisa ireo fariseo “Mat 3; 7 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? 8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo” Mazava ho azy fa ny olona mibebaka dia takiana ny vokatry ny fibebahana. Tsy fibebahana am-bava fotsiny araka izany no ilaina, fa fiovam-piainana manontolo mihintsy.

 

Mety manitikitika ny sainao koa angamba ny hoe tsy maintsy amin’ny rano be ve ny batisa sa mety ihany ilay atete amin’ny loha. Andao aloha jerentsika ny hevitry ny teny hoe “rano”.

Hoy ny  “Jao 15; 3 Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.”, mbola milaza amtsika toy izao ihany koa ny  (Efes 5;26 mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny; 27 mba horaisiny* ho an'ny tenany izany ho fiangonana** malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. [* Gr. hatolony] [** Gr. eklesia])

Ny hevitry ny hoe rano eto izany dia ny tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy olona resy lahatry ny tenin’Andriamanitra izany ny olona iray, ary voaovan’ny tenin’Andriamanitra ny fiainany manontolo. Tsy ny fisainany ihany no diovina (loha) fa ny tena iray manontolo no mila midio amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. Mety tsy tonga dia mahay amin’ny antsipirihany ny sitrapon’Andriamanitra anefa ny olona iray, fa ny fahavononany kosa hanohy izany fanadiovan’ny teny izany ho amin’ny androm-piainany rehetra no takiana amin’izany. Io ilay nolazain’i Jaona 1; 12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana]13 dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra. Izany hoe nateraky ny tenin’Andriamanitra. Io ihany koa ilay nolazain’i Jesosy tamin’i Nikedomosy manao hoe (Jao 3 5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.) Ny Fanahy ihany koa anefa dia tsy inona fa ny Tenin’Andriamanitra ihany koa (Jao 6; 63 Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.) Mila ny rano be araka izany ny batisa porofo hita maso, satria ny tena rehetra no efa nodiovin’ny tenin’Andriamanitra.

Tiana tokoa ny manazava fa ny batisa dia marika iray mampiray ny fiangonan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao araka ny voasoratra hoe “iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra”(Efes 4: 5,6). Noho izany dia tokony ho iray ny endriky ny batisa izay ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra rehetra manerana izao tontolo izao. Raha nanantona an’i Jaona mba hatao batisa Jesosy dia nandà Azy Jaona ka nilaza nanao hoe; “izaho no tokony hataonao batisa ka Ianao indray va no mankaty amiko?” (Mat 3: 14). Namaly Jesoy ary nilaza hoe “Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (-15). Hitantsika eto fa misy fahamarinana izay tian’ny Tompo ampitaina mahakasika ny batisa ary tsy maintsy atao ilay izy. Mety mahadiso araka izany ny tsy fidirana ao amin’ny ranon’ny batisa, ary tokony hataon’ny mpino kristiana rehetra izany. Jaona rehefa nanao batisa dia tao amin’ny ony iray antsoina hoe onin’i Jordana, dia izay rehetra niaiky ny fahotany no nataony(Mat 3: 6). Izany hoe niditra tao anaty rano ilay olona ary nasitrika tao anaty rano ka narenina avy tao anaty rano eo. Manaporofo izany ny niakaran’i Jesosy avy tao anatin’ny rano rehefa avy natao batisa (Mat 3: 16).

Raha raisintsika ilay hevitry ny batisa iray etsy ambony dia ahitantsika fa tsy maintsy rano be no nanasitrihana ny olona atao batisa fa tsy natete. Raha handevina tokoa isika dia tsy maintsy alentika avokoa ny tena iray manontolo fa tsy mety raha hoe tany kely eran’ny tànana no entintsika mandevina, angamba tsy fandevenana no ilazàna izany. Noho izany dia tsy mahafeno ny hevitry ny batisa ilay rano kely atete eo amin’ny loha fa tsy maintsy alevina manontolo ny tena rehetra.

Noho izany dia olona efa nibebaka sy niaiky ny fahotany no afaka miroso amin’ny ranon’ny batisa(Mat 3: 6) olona efa maty amin’ny ota no alevina tahaka an’i Jesosy izay efa maty no nalevina. Ny fitsanganantsika avy ao amin’ny ranon’ny batisa dia ahatongavantsika ho olom-baovao ao amin’i Kristy, ka efa lasa ny zavatra (olona) taloha ka indreo efa tonga vaovao ireo(2 Kor 5: 17). Manaporofo ny fahaterahana indray ao amin’Andriamanitra ny batisa satria “TSY MAINTSY” ateraky ny rano sy ny Fanahy ny olona izay vao mahazo miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra (Jao 3: 5). Raha nitafy ny nofo feno ota isika tany aloha dia ankehitriny kosa isika mitafy an’i Kristy araka ny voalaza hoe “Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy (Gal 3: 27)

 

Vakiteny ho vakiana:

 

Rom 6:  1 [Ny fahafahan'ny maro an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy] Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana?

2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?

3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany?

4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.

5 Fa raha nampiraisina* taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; [* Na: niara-nambolena]

6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.

7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.

8 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;

9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

10 Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy.

11 Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.

12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;

13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian*'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian**'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. [* Na: fiasan'] [** Na: fiasan']

 Amen

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement