Ny mampanjana-bola?
Ny mampanjana-bola?
Raha ny baiboly no jerena dia misy karazana fampanjana-bola tian’Andriamanitra sy tsy tiany, inona avy ary izy ireo?
Voalohany aloha raha ny testamenta taloha no jerena dia manazava bebe kokoa izy fa tsy tokony ho atao velively ny mampanjana-bola ireo olona sahirana (Ex 22/24 Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao) ary io dia tena mety ahazoana fanamelohana ho faty mihintsy tamin’izany fotoana izany. Ny fanananao izany dia tsy tokony hanitsahanao ny malahelo sy ny mahantra mihintsy, raha mindrana vola aminao izy dia tsy tokony ho takianao fe-petra be ny handoavany zana-bola. Raha nametraka izany fitsipika izany Andriamanitra tany aloha tany dia tsy hoe akory foana izany fitsipika izany amin’izao fotoana izao, fa tany aloha tany ny olona dia nomena ny lalàna mba hampahafantatra azy ireo ny amin’ny zavatra tsy tian’ny Tompo ataony arak any (Oom 3/20); satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota. Mbola mipetraka io fitsipika io, ary ny Fanahy Masina dia tokony hampahatsiahy sy hampianatra anao fa tsy azonao atao mihintsy ny manao tsindrio fa lavo amin’ny namanao n any rahalahinao n any olona sahirana sy malahelo ka mampandoa azy zana-bola na mampijaly azy ka tsy manome azy, isika mantsy dia lazain’ny baiboly fa filazantsara mivelatra vakian’izay olona manodidina antsika ka raha manao toy izany isika dia ho lazainy fa hoe ratsy toetra. Isika koa dia nampianarin’Andriamanitra ho tia ny olona rehetra, mifampiantrà hoy ny teniny, ary ny anampiana an’izay dia hoe; isika efa nahazo ny teny fikasana avy amin’Andriamanitra hoe; “ataoko ho fitahiana ny firenena rehetra ianao”. Ka raha tsy mety ho fitahiana ny olona akaiky sy nyolona hitanao ary ianao, ahoana no ahazoanao antona fa hiroso ho fitahiana ny firenena rehetra ianao?
Lev 25/35 Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy.
36 Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an'Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao.
37 Aza mampanàna vola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony:
38 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo.
Raha jerentsika io andinin-tsoratra masina io, dia mampirisika ny olona mihintsy hamonjy ny rahalahiny, tsy toy ilay toem-pontsika ilay manositosika izay tsy manana, f ahoy Jehovah hoe; Izaho no Jehova izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny amin’ny famatoran’ny fanandevozana, koa rariny sy hintsiny loatra ary raha mba manao toa an’i Tompo isika, fa satria isika dia novonjena tamin’ny fahasoavana fa tsy nisy afaka nividy ny famonjena ary hanome antsika ny lanitra maimaimpoana tahaka ny nanomezany ny tany kanana ho an’ny zanak’Isiraely.
Koa noho izany dia tokony hataontsika ho fady antsika mihintsy ary manomboka anion y mampisambotra vola ny mahantra sy ny tsy manan-kaverina, fa ampio izy araka izay tokony ho vitanao. Ianao koa anie mety tsy hoe hanana izay vola tena tadiaviny e! Fa ny anjaranao kosa dia hoy ny Tompo manao hoe; Mat 5/42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao. Matetika mantsy dia somary malaina ihany isika ny hanome ireo sahirana, isika no manao vato misakana ny tanantsika tsy hanome azy ireny ka miteny ao anatintsika ao hoe; sao dia lanilanianay amin’ny zavatra tsy mahasoa, sao dia hisotroany toaka, sao dia..... fa izao, ny anjaranao dia ny manantateraka ny tenin’Andriamanitra. Eo ihany koa anie ilay teny manao hoe; Ohab 11/24 Misy mahafoy*, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra**, nefa tonga malahelo ihany.[*Heb. mamafy][**Na: mihazona ny hareny].
Ka raha tiantsika ho ary ny hampitombo ny vola izay tantananao dia ity misy andinin-tsoratra masina izay tena tiako ho zaraina aminao.
1Ohab;28/27 Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be; => tsy hanan-java-mahory
2 Oha 19/17 Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
Hitantsika fa miteraka fitahiana ho antsika ny fanomezantsika amim-pitiavana ho an’ireo izay sahirana. Izay ary ny amin’iny fa ahoana kosa ilay fomba fijery iray?
Nampianatra ny fomba fitantanana vola Jesosy tao anatin’ny fampianarany, izany dia nampitainy tamin’ny mpianany sy ny vahoaka izay nanaraka azy ka izao vakiantsika izao ihany koa. Misy tokoa mantsy ny olona dia tsy mba mahita akory hoe niresaka ny ara-bola Jesosy, fa tena niresaka mihtnsy izy, ary ry zareo tao dia tena nanana vola notantanina ihany koa, porofon’izany dia ny ahafantarantsika fa i Jodasy ilay tonga mpamadika azy dia mpitam-bola tao amin’io fikambanan’ny mpianatra io. Ka andao ary ho jerevantsika ny tantaran’ilay nanomezana ny talenta ho tantanan’ireto mpanompo ireto.
Matio 25/ 14 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:
15 koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
16 Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy.
17 Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.
18 Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony.
19 Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany.
20 Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.
21 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky* tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[*Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara, etc]
22 Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.
23 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky* tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[*Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara, etc]
24 Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao;
25 dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao.
26 Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako;
27 koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.
28 Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.
29 Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
Eto ny tantara dia miresaka ity talenta ity, ary tsy inona io tanlenta io fa anaram-bola tamin’izany fotoana izany! Tsy nahitana olana moa ireo mpanompo izay nomena vola lanjana talenta dimy sy roa, satria tena nampiasainy izany vola izany ka nahazoany tombony, fa rehefa tonga teo amin’ilay nomeny talenta iray kosa izy dia tezitra satria tsy mba nampiasa io vola io ilay mpanompo. Hitantsika araka ny teniny eto dia hoe, raha tsy nampiasainy akory ilay vola dia tokony mba nomeny ireo manjana-bola ilay vola izany ka rehefa mba tonga ity tompony ity dia mba nahazoam-bokatra ihany satria nisy zanany! Ary raha izany ary no jerena sy ho dinihana dia inona na hoe aiza ny toerana tokony hisy antsika.
Ny baiboly dia tsy mandràra ny fampiasana vola ami’ny alalàan’ny fakàna zana-bola raha kosa ka tsy olona sahirana ilay olona hinrana ilay vola, raha toa koa ka efa nisy ny foptodrafitr’asa novolavolain’io olona io na io société io. Marihina ihany fa tsy hoe akory hoe sahirana io olona iray io fa kosa efa tena hoe io no projet izay tiany hatao ka hitadiavany famatsiam-bola. Raha kosa ka hitady vola mba hahazoany tombony kosa ary ilay olona amin’ny alalan’ny volanao, inona no manakana anao tsy mba higoka ny tombony azo avy amin’izany? Ary na dia ny baiboly aza dia tsy mba mandràra an’izany toy ity vao nojerentsika etsy ambony ity, kanefa dia tsy tokony ho hadinointsika fa raha mitombo fananana isika dia miandry antsika koa ny tokony hiantrana ny mahantra sy ny sahirana, araka ny hitantsika ato amin’ny Ohab 28/8 Izay mampitombo ny fananany amin'ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an'izay miantra ny malahelo. Hitantsika fa tsy afaka mihintsy isika ny amin’ny fiantrana ny malahelo, indrindra fa manana homena sy hampindramina ihany. Tadidio ihany koa fa tsy tokony hanamelon-tena isika raha manao izany fampindramam-bola ahazoana tombony izany satria toy ny varotra rehetra ihany izy io ka mba ahafahanao maka tombony. Koa irariana isika mba samy handinika tsara ny amin’ny fanampahan-kevitra tokony ho raisiny fandrao mantsy ka hiteraka ota amintsika ny tsy fahafantarantsika izany zavatra izany.