Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Ny taom-baovao malagasy jiosy

TAOMBAOVAO JIOSY/TAOMBAOVAO MALAGASY

Ao anatin’ny vanim-potoana fankalàzana ny Taombaovao Malagasy indrindra isika izao ka voaresaka foana hoe avy aiza no tena nipoiran’ny Taombaovao Malagasy, ary tsy vitsy ireo mivoy ny hoe misy tetirazana Tatsinanana (Arabo sy Jiosy) ve no niavian’ny fomba amam-panao malagasy mifandray amin’ny Taombaovao Malagasy ka niampita avy tamin’ireo razamben’ny Anteony avy ao Ivato Fenovola Vohipeno, Fanjakàna voalohany teto Madagasikara tamin’ny taonjato faha 14 izay vao niparitaka niely nanerana an’i Madagasikara ?
Taty aoriana koa dia tonga ny Jiosy-Arabo iray izay razamben’ny ny foko Antemoro Anakara ao Vatomasina dia tsy iza izany fa i Ali-Taworah (na Ali Torah, Torah izay bokin’ny lalàna Jiosy) na Ali-Tawarath na Ralitavaratra tamin’ny 1495 sy i Rabiby sy ny tariny tonga tao Ambohidrabiby sy namorona ny fanjakàny tamin’ny taonjato faha 16 ary nifanarakaraka tamin’izany avokoa ny sisa rehetra.
Ny fanontaniana mipetraka ary dia hoe : misy ifandraisany tokoa ve ny Taombaovao Malagasy sy ny Taombaovao nankalazain’ny Jiosy fahiny efa elabe tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha ?

TAOMBAOVAO JIOSY : Ny Taombaovao Jiosy dia misy karazany 2 : Ny « Taombaovao Jiosy tsy ara-pivavahana » sy ny « Taombaovao Jiosy ara-pivavahana »

TAOMBAOVAO JIOSY TSY ARA-PIVAVAHANA: Fiandohan-taonan’ny Jiosy izay miantomboka eo amin’ny volana faha 7 TISHRI na ETANIMA amin’ny alimanaka Jiosy (SEPTAMBRA gregoriana) izay antsoina koa hoe « Rosh Hashanah ». Fararano izay fiakaran’ny vokatra eny an-tsaha, eny an-tanimbary ary eny an-tanety (antrendry, voaloboka, aviavy, paoma…) ny fizaran-taona miseho sy manomboka any amin’ny faritr’Israely amin’io fotoana io. Ary araky ny lovantsofina Jiosy dia teo amin’io vanim-potoanan’io fararano io no namoronan’Andriamanitra ny olombelona voalohany dia i Adama izany izay efa ho 6000 taona latsaka kely izay ary izay mbola inoan’ny Jiosy foana koa fa izy no razamben’ny olombelona rehetra mandrak’ankehitriny satria mampiasa ny teny hoe « taona » ny Baiboly rehefa milaza ny androm-piainan’i Adama (Genesisy : 5 : 3-5) ka azo inoana fa nisaina nanomboka tamin’ny namoronana azy izany. Ary raha tamin’ny fararano koa no namoronana an’i Adama dia mazava hoe nahoana ny olona taloha no nanomboka ny taona iray tamin’ny fararano. Nety tsara tamin’ny asa fambolena koa anefa izany fanisàna taona izany satria be mponina ny tany taloha sy taoriana kelin’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Ny finjinjàna farany no namarana ny taona (volana TISHRI na ETANIMA Jiosy izay mifanitsy amin’ny volana SEPTAMBRA Gregoriana) ary ny fiasàna ny tany sy ny famafazana azy (teo am-piandohan’ny volana HESVANA Jiosy mifanitsy amin’ny fiandohan’ny volana OKTOBRA Gregoriana)

TAOMBAOVAO JIOSY ARA-PIVAVAHANA: Tamin’ny fotoana nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta, dia niteny tamin’ny Israely Andriamanitra hoe hosoloiny ho ny volana ABIBA na NISANA (MARS na APRILY) tamin’ny lohataona ny fiandohan’ny taona ara-pivavahana. (Eksodosy 12:1-14; 23:15) Izany no nataony dia mba ho fahatsiarovana ny nanafahana ny Israelita tany Ejipta : io ilay nantsoina hoe « Pesah » na Paska na Paka Jiosy izay tsarovana isaky ny 14 NISANA/ABIBA (14 MARS izay 14 andro aorianan’ny Alahamady volana fiandohan-taonan’ny Malagasy). Miakatra indray ny vary orza sy ny varimbazaha amin’io fizaran-taona io ka jinjaina. Nanao sorona zanak’ondry ny Israelita tamin’izany ary nifampizara ny henondry tamin’izy samy izy ireo ihany toy ny amin’ny fifampizaràna ny nofon-kena mitam-pihavanana amin’ny Taombaovao Malagasy. Mbola ny fararano ihany anefa no natao ho fiandohan’ny taona tsy ara-pivavahana na taom-pambolena. Izany no mahatonga ny Eksodosy 23:16 sy ny 34:22 hilaza hoe tamin’ny “faramparan’ny taona” no natao ny Fetin’ny Fanangonam-bokatra, izay fety tamin’ny fararano tamin’ny volana TISHRI na ETANIMA (volana fahafito tamin’ny kalandrie ara-pivavahana). Voalazan’ny lalàna koa fa nanomboka tamin’ny fararano (volana Etanima) ny taon-jobily. —Levitikosy 25:8-18.

Nilaza i Josèphe (Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany) fa ny taona ara-pivavahana (nanomboka tamin’ny lohataona) no nirakitra an’ireo daty nasain’Andriamanitra notandremana. Ny taona tsy ara-pivavahana (nanomboka tamin’ny fararano) kosa no nolazainy fa mbola nampiasaina teo amin’ny resaka fivarotana na fividianan-javatra ary raharaha hafa. (Rakitry ny Ela Jiosy, I, 81 [iii, 3]) Taorian’ny sesitany sy ny nanafahana ny Jiosy avy tany Babylona no nampiasaina be ireo fomba fanisana taona ireo. Ny 1 NISANA na ABIBA no taom-baovao tamin’ny taona ara-pivavahana, fa ny 1 TISHRI na ETANIMA kosa tamin’ny taona tsy ara-pivavahana. Ny volana voalohany tamin’ny taona iray no volana fahafito tamin’ny iray.

TAOMBAOVAO MALAGASY

Ny Taom-baovao malagasy dia ny fiandohan'ny taona malagasy sy ny fankalazana izany izay mitranga eto Madagasikara sy any ivelany koa amin'ny andro voalohan'ny taona voafaritra araky ny tetiandrom-panandroam-bolana na amin'ny fomba hafa.
Amin'izao taonjato faha-21 izao dia mizara ny hevitr'ireo mpankalaza ny taom-baovao malagasy. Ao ny mitazona ny daty amin'ny fizaran-taona fararano, izay heverin'ny mpomba izany hevitra izany fa ny Alahamadibe, ka mankalaza ny taom-baovao amin'ny volana MARSA na AVRILY (ABIBA/NISANA na LYARA amin’ny kalandrie Jiosy). Ao koa ireo mitana ny daty ao amin'ny fizaran-taona lohataona ka matetika dia ny amin'ny volana SEPTAMBRA na TISHRI Jiosy no ankalazana izany. Ity vanim-potoana faharoa ity dia fantatra koa amin'ny anarana hoe Volambita, araka ny anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity. Ao koa ireo manaraka ny tetiandro malagasy manara-bolana tanteraka ka tsy mihazona volana na daty gregoriana raikitra hankalazany ny taom-baovao malagasy. Misy ny mihevitra izany tsy fifanarahan-kevitry ny mpankalaza ny taom-baovao malagasy izany ho olana tokony ho vahana.
Ny tena mafana fo amin'ny fankalazana ny taom-baovao dia ireo lazaina fa taranak'andriana merina ao Antananarivo sy ny manodidina, nefa misy koa matetika ny fanasana ireo ampanjaka sy tangalamena sns avy any ivelan'Antananarivo.

NY TAOM-BAOVAO FARARANO MALAGASY: Ny tsinam-bolan'ny Alahamady, izay voalaza fa nankalazaina tao Imerina noho izy nahaterahan'ny mpanjaka Ralambo (1575-1610) teo Ambohidrabiby, no andro ankalazana ny taom-baovao malagasy.
Ny datin'ny taom-baovao fararano
Ho an'ireo mpankalaza ny taom-baovao malagasy amin'ny fararano, ny tetiandrom-panandroam-bolana no tena tetiandro malagasy ka ny andro voalohan'ny volana Alahamady, izay atao koa hoe "tsinana Alahamady", no manamarika ny fiandohan'ny taom-baovao malagasy. Vava Alahamady no anaran'io andro io izay andro voalohany amin'ny volana Alahamady. Ny Trano Koltoraly Malagasy sy ny Akademia Malagasy no voalaza fa namaritra io daty io. Marihina fa ny tetiandro ampiasain'ireo mpankalaza taom-baovao fararano dia tsy manara-bolana tanteraka fa manara-bolana sy masoandro sady iheverana ny Ntaolo ho nanana fomba namantarany ny ekinoksam-pararano na dia tsy fiteny tamin'izany fotoana izany ny hoe ekinoksa (frantsay: equinoxe).
Fanamarinana ny nisafidianana ny tsinana Alahamady------------
Hoan'ny Trano Koltoraly Malagasy, izay manohana ny fankalazana taom-baovao amin'ny volana Marsa sy Avrily, dia eo amin'ny vanimpotoan'ny faranano, izany hoe, hoy izy ireo, efa lasa ny rivodoza, ny ranobe, ny fihotsahan'ny tany, izany fotoana izany. Amin'io vanimpotoan'ny fararano io koa no miakatra ny vary, ka resy ny maintso ahitra. Fahizay dia indroa miakatra ny vary isan-taona ka ny "vary aloha" dia eo amin'ny FEBROARY (ADARA volana Jiosy) no miakatra, fa ny fotoana fiakaran'ny vary hafa kosa dia eo amin'ny fararano izay mifanandrify amin'ny volana Marsa-Avrily amin'ny taona gregoriana. Efa afaka mifaly sy tsy mifehy kibo intsony, hoy izy ireo, ny rehetra satria vokatra ny vary ary efa nindaosin'ny ranobe sy ny rivodoza ny loto ary manomboka madio indray ny voajanahary rehetra. Ny Malagasy koa dia tsy tara amin'izany fidiovana ara-boajanahary izany fa manararaotra an'io hidio amin'ny alalan'ny fandroana sy fifamelana ary fandiovana ny tontolo manodidina. Fotoana filanonana ara-boajanahary, hoy izy ireo, ny fararano, satria tafavoaka ny andro ratsy sy ny mosary. Entin'izy ireo maanamarina ny fankalazana koa ny fiteny fahizay hoe "Mandihiza rahitsikitsika, hianaranay raha fararano".
Fanamarinana ny daty mifanandrify amin'ny Alahamady---------------
Misy amin'ny mpankalaza taom-baovao fararano ny milaza fa amin'io fararano io no mifanitsy ny tsinam-bolana sy ny antokon-kitanan'Alahamady eny amin'ny lanitra raha jerena avy eto Madagasikara. Koa tsinan'Alahamady na vava Alahamady, hoy izy ireo, ny andro voalohany isian'io fifandrifiana io ary izany vava Alahamady izany no manamarika ny fiandohan'ny Taom-baovao malagasy. Ny tsinam-bolana akaiky indrindra ny ekinoksa 21 Martsa no tena mora amantarana ny andro voalohany amin'ny taom-baovao malagasy, hoy ireo mpanao ny fankalazana amin'ny fararano. Izany fiheverana izany dia tsy mifanaraka amin'ny zava-misy marina ara-kaikintana satria tsy amin'io fotoana io no idiran'ny masoandro na ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintan'Alahamady (latina: Aries; frantsay: Belier) na ny fari-danitry ny evan'ny Alahamady.
Fahizay, hoy izy ireo, dia manisa andro sy mijery ny endrika sy ny toeran'ny volana mitaha amin'ny antokon-kintana hafa ny mpanandro mba hahalalana ny volana tsinana sy ny diavolana sy ny maizimbolana ary ny anaram-bolana. Ankehitrio kosa, noho ny fisian'ny milina matanjaka dia azo fantarina mialoha ny andro mahatsinana ny volana Alahamady, araka ny eritreritr'ireo mpankalaza taom-baovao fararano, satria ireo solosaina matanjaka dia afaka mikajy izany ho an'ny 50 taona hoavy.
Indreto santionany amin'ny datin'ny taom-baovao malagasy fararano hatramin'ny taona 2019:
• Taona 2015: 20 Marsa 2015 amin'ny 12 ora 36mn antoandro no tsinan'Alahamady, Taom-baovao malagasy.
• Taona 2016: 10 Marsa 2016 amin'ny 04 ora maraina sy 55 mn no tsinan'Alahamady, Taom-baovaomalagasy.
• Taona 2017: 28 Marsa 05 ora maraina sy 58 mn no tsinan'Alahamady, Taom-baovao malagasy.
• Taona 2018: 17 Marsa amin'ny 16 ora hariva sy 13 mn no tsinan'Alahamady, Taom-baovao malagasy.
• Taona 2019: 05 Avrily amin'ny 11ora atoandro 51 mn no tsinan'Alahamady, Taom-baovao malagasy.

NY TAOMBAOVAO LOHATAONA MALAGASY: Nisy koa ireo Malagasy nifanaraka fa nanomboka tamin'ny taona 2018 dia ankalazaina ny taom-baovao malagasy isaky ny 22 SEPTAMBRA (TISHRI jiosy) na aiza na aiza faritra eto Madagasikara. Marihina fa io volana Septambra io dia iray amin'ireo volana ao amin'ny fizaran-taona atao hoe lohataona izay mifanandrify amin'ny volana Volambita avy amin'ny teny sanskrity. Tsy vao tamin'io taona 2018 io tsy akory, hoy izy ireo, no nanombohan'ny Malagasy nankalaza ny taom-baovao lohataona. Raha faritra vitsy no nankalaza ny Alahamadibe izay mifamatotra amin'ny andro lazaina fa nahaterahan'ny mpanjaka Ralambo sy ny mpanjaka merina hafa koa, ny lohataona dia nankalazain'ny ankamaroan'ny foko eto Madagasikara. Tsy miandry tsinam-bolana izany fa nofaritana sy nifanarahan'ny mpankalaza taom-baovao lohataona ny daty gregoriana raikitra tandrify izany.
Fanamarinana ny fisafidianana ny lohataona--------------
Milaza ny mpankalaza taom-baovao lohataona fa ny fiandohan'ny lohataona no tena taom-baovao malagasy satria miandoha na manomboka eo ny taona. Amin'ny maha fotoana fiandohan'ny taona azy indrindra, hoy izy ireo, no nanomezan'ny Ntaolo malagasy azy ny anarana hoe lohataona (misy koa ny manao hoe lohatao).

FAHASAMIHAFANA SY FIVOARAN'NY DATY FANKALAZANA TAOMBAOVAO MALAGASY:

Samy nanana ny taom-baovaony ny isam-paritra. Nivoatra hatrany ny daty nankalazana ny tonontaona teto Madagasikara sady samy nanana ny daty nanaovany izany ny isam-poko. Indreto misy ohatra vitsy:
Tao amin'ny Antanosy---------
Tany amboalohany dia azo heverina fa samy nanana ny tonontaonany ny faritra tsirairay noho ny tantarany sy ny fanisan'andro tsy mitovy. Étienne de Flacourt, tamin'ny taonjato faha-17 tany amin'ny faritra Anosy, dia nanoratra fa mifanandrify amin'ny volana Marsa taona gregoriana ny fiandohan-taonan'ny foko Antanosy izay taranaky ny mpanjaka Raminia tonga teto Madagasikara tamin'ny taonjato faha-12.
Tao amin'ny Antemoro----------
Ny volana Alahamaly (arabo: االحمل / Al-Hamal) hoan'ny foko Antemoro tarana-dRamakararo, Arabo tonga teto Madagasikara tamin'ny taonjato faha-16, dia mifanandrify amin'ny volana Avrily amin'ny fanisan-taona gragoriana, tsy volana voalohany amin'ny taona anefa ny Alahamaly amin'ny foko Antemoro.
Tao amin'ny Merina------------
Ho an'ny foko Merina dia ny mpanjaka Rabiby, izay lazaina fa Arabo, no nanova ny anaram-bolana vazimba ho anaram-bolana arabo ka nahitan'ny Merina ny anaram-bolana Alahamady tamin'ny taonjato faha-16.
Ny tsara ho marihina dia saika taranaky ny mpanjaka Raminia sy ny mpanjaka Ramakararo ary ny mpanjaka Rabiby no nifindrafindra toerana namorona ny fanjakana-foko maro eran'i Madagasikara. Araka ny hevitr'ireo mpankalaza taom-baovao fararano dia tsy mifanalavitra fa miodina eo amin'ny Marsa sy Avrily eo ny volana Alahamady hoan'izy telo razamben'ny fanjakana maro teto Madagasikara ireo.
Voalaza fa tany Imerina dia ny mpanjaka Ralambo (1575-1610), zafikelin'ny mpanjaka Rabiby teo Ambohidrabiby, no nanao ny volana Alahamady ho volana voalohany amin'ny taona, noho io volana io nahaterahany. Araka ny fahalalan'ny mpankalaza taom-baovao fararano dia hatramin'ny mpanjaka Ralambo ka hatramin'ny mpanjaka Andrianampoinimerina (1787-1810) dia ny andro voalohany amin'ny volana Alahamady no miandoha ny taona tany Imerina.
Fanovana sy fanitsiana ny datin'ny Alahamady------------
Fampifanandrifiana ny Alahamady merina amin'ny Alahamaly antemoro
Araka ny fahalalan'ireo mpankalaza taom-baovao fararano, tamin'ny andron'Andrianampoinimerina dia nampifandrifiana tamin'ny Alahamady antemoro (ataon'ny Antemoro hoe Alahamaly) ny Alahamady tao Imerina araka ny torohevitr'ireo Antemoro mpanolotsaina azy, izany hoe raha mitaha amin'ny fanisan-taona gregoriana dia teo amin'ny volana Marsa ny Alahamady merina no nakisaka ho eo amin'ny volana Avrily.
Ny mpanjaka Andrianampoinimerina moa dia lazaina fa teraka tamin'ny volana Alahamady ary Alahamady no vintany. Ampahatsiahivin'ireo mpomba ny taom-baovao fararano ny tenin'Andrianampoinimerina hoe: "Tsy manam-pahavalo afa-tsy ny mosary aho" mba hanamarinany ny fisafidianany ny fararzno. Izany filazany izany, hoy izy ireo, dia ahitana taratra ny fandresen'ny volana Alahamady izay taom-piakaran'ny vary sy fararano amin'ny maintso ahitra. Nanomboka tamin-dRadama I (1810-1828) kosa no nisy ny alimanaka voalohany, izany hoe fanoratana mialoha amin'ny bokikely ny tetiandro hoan'ny taona iray.
Fanitsiana faha Radama II------------
Tamin-dRadama II (1861-1863) dia nasiana fanitsiana indroa ny fanisan'andro malagasy merina satria dia nihoatra 300 andro mahery.
Fisafidianana daty hafa faha-Ranavalona III
Tamin-dRanavalona III (1881-1896)--------
Vokatr'izany rehetra izany, dia tsy fantatra intsony ny tena andro vava Alahamady amin'ny volana Alahamady satria samy manana ny fanisany andro ny mpanandro. Hany herin-dRanavalona III, novainy amin'ny 22 Novambra andro nahaterahany ny fiandohan-taona, sahala amin'ny nataon'ireo mpanjaka teo aloha izay nanao ny andro nahaterahany ho fiandohan-taona. Saingy ny azy daty gregoriana fa tsy datim-panandroana.
Fiverenana amin'ny volana Marsa sy Avrily-------------
Tamin'ny taratasim-panjakana nifanaovan'ny mpitondra fanjakana teto Madagasikara tamin'ny nanjakan-dRanavalona III, taratasy izay voarakitra ao amin'ny tahirim-bakokam-pirenena dia hita fa mifanandrify amin'ny volana Marsa na Avrily eo hatrany ny volana Alahamady hoan'ny taona 1894 sy 1895 sy 1896 ary 1897.

FOMBA FIJERY ROA SAMY HAFA
Fomba fijerin'ny Trano Koltoraly Malagasy-----------
Na dia eo aza ny fahalalahan'ny Malagasy tsirairay sy isam-paritra hankalaza izay fety tiany hankalazaina amin'ny fotoana heveriny fa mifanaraka amin'ny fomban-drazany, dia mihevitra ny ao amin'ny Trano Koltoraly Malagasy fa ankehitrio dia tsy azo heverina intsony ny samy hankalaza ny taom-baovao malagasy araka ny datin'ny faritra tsirairay satria ny tanjona, hoy izy ireo, dia hatao andro iray tsy fiasana nefa andraisan-karama io daty io. Izany dia mitaky daty iray iombonan'ny faritra rehetra. Lazaina fa ny Trano Koltoraly Malagasy sy ny Akademia Malagasy dia samy nikaroka momba izany ary nitovy ny fomba fijerin'izy ireo fa raha ampifandrifiana amin'ny fanisan-taona gregoriana dia ny tsinambolana akaiky indrindra ny ekinoksa 21 Martsa no fiandohan'ny taona malagasy ka ankalazana ny taom-baovao malagasy.
Tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany---------------
Araka ny falalanireo mpankalaza tao-baovao fararzno, nony lasa zanatany i Madagasikara dia io fety io (ny Alahamadibe) , izay maneho ny fihanavanana sy ny firaisan-kinan'ny ambanilanitra, no noravan'ny Vazaha voalohany. Hita taratra tamin'zany tokoa mantsy fa tena fiaraha-monina nirindra ao anatina rafitra milamina sy mafonja no niainan'ny Malagasy, araka ny fomba fijerin'ireo Malagasy nahazo tombontsoa tamin'izany. Ka raha nikendry ny hanjanaka ny Vazaha dia io rafi-piaraha-monina io no noravany voalaohany. Avy hatrany dia napetrany fa ny 1 Janoary amin'ny fanisan'andro gregoriana no taom-baovao.

NY FIFANDRAISAN’NY TAOMBAOVAO MALAGASY SY NY TAOMBAOVAO JIOSY

Rehefa tomorina sy dinihina akaiky araka izany ireo fizaran-taona roa nankalazàna ny Taombaovao Malagasy teto Madagasikara (fararano sy lohataona) dia tsy inona fa ny fikambanana na ny marimarina kokoa ny fifamenoan’ireo Taombaovao Jiosy karazany roa izay voalaza tany aloha: ankilany ny Taombaovao Jiosy tsy ara-pivavahana na sivily (Rosh Hashanah miandoha amin’ny volana TISHRI na SEPTAMBRA Gregoriana) ary andaniny dia ny Taombaovao Jiosy ara-pivavahana izay 14 andro mialohan’ny Pesah na ilay Paska Jiosy amin’ny 14 NISANA na ABIBA .
Misy milaza koa anefa fa avy amin'ny Ramadany Silamo hono ny alahamadin'ny malagasy, diso anefa izany satria tsy misy resaka fifadian-kanina mihitsy ny alahamady malagasy kanefa io no fototry ny Ramadany silamo. Ankilany, raha mijery ny famelabelarana nataon'i Pasitera Tolotra Ratefy ihany koa dia tena avy ain'ny Paska Jiosy io satria:

-Andro vitsivitsy foana ny manelanelana ny Pesah sy ny Alahamady (14 andro ary mifanarakaraka foana ny datin'izy ireo)

-Ny fanaon'ny Jiosy taloha dia mamono ondrilahy natao sorona ho an’Andriamanitra noho ny nitsimbinany ny ainy ary nahosotra tamin’ny tolam-baravaran’ny trano hihinana azy ny ràn ilay ondry amin'ny andro Pesah, io zavatra io anefa dia mbola fanaon'ireo andriana amin'ny tsinan'ny alahamady izay omby volavita no natao sorona fahizay. Nitsangana ilay loham-pianakaviana Jiosy nanosotra ilay rà eo amin'ny varavarana, ka izay angmaba no nahatonga an'ireo razantsika niantso an'io fety io hoe "fitsanganana" atao hoe "Al amad" amin'ny teny hebreo ka io "AL AMAD" io no nanome ila teny hoe "ALAHAMADY".
-Niandraikitra ny famonoana izany ondrilahy izany ny loham-pianakaviana tany Ejipta ary taty aoriana dia ny mpisorona levita avy eo no nanao ny sorona teo amin’ny alitara masina tamin’ny toerana nisy ny foko 12 ny zanak’Israely rehefa nankalazaina isan-taona ilay Paska. Teo amin’ny Malagasy kosa fa indrindra nanomboka teo amin’ny andron’Andrianampoinimerina dia nisy ny Vatomasina isaky ny Tendrombohitra 12 teto Imerina nanaovana ny fisoronana ny omby mena tokam-bolo amin’ny Alahamady.

-Ny volana fanao an'io koa no natao taloha hoe "volan'ny Posa" avy amin'ny teny hebreo hoe "Pesah".Ny Pesah dia Taombaovao ara-pinoana amin'ny Jiosy ary ny Alahamady dia Taombaovao Malagasy.Misy koa ireo Zana-dranavalona sy zanak'andriana manao taom-baovao faharoa hafa amin'ny volana septembre/octobre. ary ny antony dia mbola mampanontany tena an'ireo mpikaroka hatramin'izao. kanefa ny tsy fantatr'ireo olona ireo fa io ilay taom-baovao sivily Jiosy antsoina hoe "Rosh hashanah" na ilay Taombaovao Jiosy tsy ara-pivavahana.
-Ny afo tsy maty kosa indray dia fomba Jiosy nentiny nanamarinana fa niandoha ny volana voalohany amin’ny taona iray. Afo na mpitondra hafatra no nampiasaina, tatỳ aoriana, mba hampahafantarana ny olona fa nanomboka ny volana vaovao. Izany no antony nisian’ny afo tsy maty tao amin’ny Tempolin’i Jerosalema mihitsy mba ho marika fa nisy fiandohany ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao ary mitohy tsy hanam-piafaràna ny fotoana. Tao amin’ny fatan’ny Mpanjaka Andriamasinavalona tao amin’ny tranony ao Besakana tao Anatirovan’Antananarivo kosa indray, dia nisy vain’afo tsy navela ho faty mihitsy koa fa tohofana isan’andro. Io afo io no atao hoe “Afomasin’Andriamasinavalona” ary io vainafo avy amin’io fatan’ Andriamasinavalona io no nentina tamin’ny siny kely ho eny amin’ny tendrombohitra 12.
Ho famaranana dia avy amin'ny Jiosy izany ireo fankalazàna roa samy hafan’ny Taombaovao Malagasy ireo, satria sady misy taom-baovao ara-pinoana antsoina hoe “Pesah” (Alahamady amin'ny malagasy) ary misy taom-baovao sivily antsoina hoe “Rosh Hashanah” (ilay taom-baovao faharoa ataon'ny malagasy sasany).

FANAMARIHANA FANAMPINY IZAY NALAINA TAMIN’NY TENY FRANTSAY:
LES POSSIBLES ORIGINES SEMITES NON ARABES DES NOMS DES JOURS ET DES MOIS EN MALGACHE

Les jours de la semaine

Akhad (araméen)= un/premier (jour)
tsineain (chaldéen)=lundi
Talat(araméen)=mardi
Rbiy (chaldéen)=mercredi
Kamis (chaldéen)=Jeudi
Tsoumah (chaldéen)=jeûne/vendredi
Shabbat =samedi

Le « al » en hébreu et en araméen est l’équivalent du « on » en anglais.

On the first day (anglais)= al ha akhad (araméen)= alahady (malgache)
Ont he second day (anglais) = al ha tineain (araméen) = alatsinainy (malgache)
Tuesday (anglais)= Talat (chaldéen)= Talata (malagache)
On the fourth day (anglais)= al (araméen) ha rbiy (chaldéen)= alarobia (malgache)
On the fifth day (anglais)= al (araméen) ha kamis (chaldéen)= alakamisy (malgache)
Sixth day (anglais) = tsoumah (chaldéen)= zoma (malgache)
Seventh day (anglais)= shabbat (araméen/hebreu)= sabotsy (malgache).

Les mois de l’année

comme l'affirment les historiens, les signes du zodiaque et le calendrier du Zodiaque seraient originaires de Babylone, les malgaches ont donc bien pu les hériter de leurs ancétres Juifs qui ont été exilés à Babylone en -587, et il est tout à fait possible qu'ils les aient renommés en les attribuant des noms araméens et hébreux.

Le « Ad » en hebreu/araméen signifie « pendant » , et le « al »en hébreu/araméen est l’équivalent de l’anglais « on »,enfin le « ha » en hébreu /araméen est un article défini.

-Al amad (hebreu)- se lever (FAIT référence à la pâques juive)-Alahamady
-Ad Thor (Phénicien)- adaoro
-ad zuz (paire , diviser, gémeaux en assyrien)- Adizaoza
-Ha sartan (hebreu )- asorotany
-Al hashad (araméen signifiant sanguinolant pouvant désigner le Lion)-alasaty
-ha sumbal (araméen )- Asombola
-Ad maazan (hebreu)-adimzana
-Al aqrab (hebreu)-alakarabo
-Al qosh (hebreu)-Alakaosy (remarque : le mot qosh en hébreu est à l’origine du mot « qeshet » qui signifie « tendre un arc »)
-ad gadi (se prononce Jadi en hebreu yemenite ou en hebreu Irakien)-adijady
-ha daul (araméen), dalu (akkadien)-adaolo
-al hut (araméen)-alohotsy.

Conclusion

Que le calendrier malgache soit d'origine arabe n'est donc pas du tout sûr, Il a aussi très bien pu étre amené par les Juifs ancétres des malgaches.

(Lahan-tsoratra nindramina)

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement