Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Haka Hira sy Torinteny

Ity pejy ity dia natokana indrindra hifaneraserantsika mivantana kokoa amin'ny alalan'ny fihainoana  torinteny sy hira izay notontosainay. Izy ireo dia ireo zava-bita ka voaray feo tany amin'ny toerana maro samy hafa izay niasan'ny Nissi Praise Ministry.
Ao anatin'ny hira hafa kosa indray dia ireo fiderana hafa izay nampidirinay ato na mp3 io na mp4. Izy ireo kosa indray dia nezahanay mba hahamora ny fakàna hira raha oharina amin'ny fakàna hira amin'ny youtube. Izy ireo dia izay hira hitanay fa mahafinaritra sy ilaina ary ampiasainay amin'ny asan'Andriamanitra atao.

Azo alaina ato anatin'ity pejy ity araka izany ny fiderana (hira), ny fampianarana, ny torinteny izay nofantenanay. Natao izao mba hampivoatra ny fahafahanao mihainoa amin'ny fomba tsaratsara kokoany tenin'Andriamanitra.

Ny fomba fakàna  ireo fichier MP3 dia toa izao:
- Tsindrianao ny lohanteny
- Misy onglet iray vaovao misokatra ka manoro anao ny lien de téléchargement
Azo avy hatrany ilay zavatra nalainao rehefa vita izany ka afaka mihaino sy mijery avy hatrany ianao.

Ny lien faharoa kosa dia misy soratra manao hoe DOWNLOAD THIS FILE, ary eo no tsindriana ahazoana ilay fichier.

Azonao atao ny manaparitaka ny zavatra rehetra voarakitra ato, ary tsy misy lalàna manenjika izay rehetra mampiasa izany.

Ireto avy ary ny lohantenin'ny TORINTENY sy FAMPIANARANA izay azonao alaina:


TORINTENY        

- Ny toe-pon’I Davida



Ireto avy ary ny lohantenin'ny HIRA izay azonao alaina: (tsindrio ny lohanteniny)

Ento aho anilanao

Fotoana toy izao

Hain’ny Tompo

Mahay ny zavatra rehetra

Raha samy hery

Tsisy toa Anao


VERSION VIDEO (sur: www.youtube.com)
Mba ahafahanao maka ireo hira version vidéo amin'ny alalan'ny youttube ireo dia tsy maintsy mi-installer Idm ianao. raha toa ka tsy mbola manana ianao dia azonao alaina ato izany: Tsindrio eto > IDM



LOHANTENY hira nataon'ny nissi praise

Ny herinao Tompo ô

Nataonao sambatra

Manopy ny masoko

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement