Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Masina Izy

Ny Tompo dia manome toro-làlana ho antsika tahaka ny nanomezany izany ho an’ny mpianany ny amin’ny tokony hatao rehefa mivavaka. Tsikaritra ao anatin’io vavaka nampianarin’ny Tompo io fa fiderana no loha-laharana sy fiafaran’izy io,  ny moba ny tena kosa dia nataony tao anelanelan’izy ireo. Midika izany fa tsy nataony ambanin-javatra mihintsy ny maha Izy Azy fa napetrany tsara tamin’ny toerany Izy, izay vao manaraka ny anjaran’ny nofo. Isika dia natao hanome voninahitra an’Andriamanitra fa tsy natao hitady izay ho anjaran’ny nofo, nefa nohon’ny fahotana izay tafiditra teo amin’ny olom-belona dia  tonga fahoriana ho an’ny nofo izay nampivily làlana azy. Ny Tompo dia efa niteny fa ny zanany sy ny asan’ny tanany dia aoka ho adidiny ihany (Isaia 11: 45b), zany hoe tsy mahazo mandray anjara amin’ny fanampiana an'Andriamanitra na dia ny tenanao aza, rehefa Andriamanitra no miteny, dia tanterahiny amin’ny fotoany izany. Ny fitahian’i Jehovah hoy ny teniny no mampanankarena ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany (tsy ampiana alahelo izany) (Oha 10: 22). Izany hoe raha vao manainga ny tananao hiasa sy hisasatra ianao; dia ianao izay no miasa sy misasatra hamelomanao ny tenanao sy ny ankohonanao ary ampanarahin'ny Tompo fahombiazana izany, tsy iny ihany akory ilay fitahiana ampanantenain'Andriamanitra ho an'izay tsy misasatra na dia manaraka anao aza ny fahombiazana sy ny fanampiana avy amin’ny Tompo. Mety ho endriky ny fitahiana izany kanefa mbola misy fisasarana ihany nandray anjara tao. Ilay fitahiana avy amin’i Jehovah kosa ilay ampanantenainy dia maimaim-poana ho an’ny olona izay tiany hotahiana rehefa feno fanandratana Azy. Mety manana zavatra irina sy kasaina ianao kanefa mety tsy manana fahafahana manao izany zavatra izany ohatra; efa nanome antsika toro-làlana ny baiboly fa raha miravoravo amin’i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao (Sal 37: 4) izany hoe; mifalia sy miravoravoa aminy noho ny zavatra rehetra efa nataony sy mbola hataony taminao, io fifaliana io dia vokatry ny fankasitrahana Azy. Izy tsy nampirisika antsika mba hampiasa saina be sy handany ron-doha amin’ilay zavatra irinao, fa Izy aloha no tiany hasandratra mihoatra ny zavatra iriana sy ambonin’ny zavatra rehetra, dia hanaraka anao ny fitahiana tsy nisasarana avy aminy avy eo ka Izy no hanantanteraka izany.

Kanefa masina hianao, Ry mipetraka eo ambonin’ny fideran’ny Isiraely (Sal 22: 3). Masina ilay Andriamanitra izay manatrika sy mioetra eo ambonin’ny fiderana, ary izay manana fahamasinana ihany no hahita Azy (Heb 12: 14). Ny hoe manam-pahamasinana eto dia tsy toetra ety ivelany fa toetra miafina ao anaty(2Pet 3: 4/5). Raha nivavaka ho an’ny mpianatra koa Jesosy dia nangataka tahaka izao tamin'Andriamanitra; “Manamasina azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana” (Jao 17: 17) izany hoe ny fahamarinana avy amin’ny tenin’Andriamanitra no mahatonga fahamasinana. Raha tsy manaiky haintsin’ny tenin’Andriamanitra ny olona iray dia tsy afaka ny hanana fahamasinana velively na dia mety manana fitondran-tena hendry sy maontina aza.

Ao anatin’ilay vavaka nampianarina dia misy ny fiantsoana ny Ray izay mitoetra any an-danitra, izany hoe ilay Ray manam-pahamasinana dia any an-danitra, fa tsy misy ray azo anoloana Azy eto ambonin’ny tany, na dia misy milaza azy ho masina be aza ka mahasolo an'Andriamanitra. Ilay Ray any ambony no hamasinina ny anarany; “hohamasinina anie ny anaranao”(Mat 6: 9). Satria efa masina Izy, kanefa mbola tiany isika hankalàza Azy amin’izany fahamasinany izany mba ho mbola ho masina hatrany ary ho mandrakizay ny anarany, ary tiany ny hanononantsika izany ao anatin’ny vavaka. Fa inona no zava-miafin’ny filazàna ny fahamasinan’Andriamanitra?

 

Ny fiderana izay hitan’i Isaia fony izy vao nantsoina ho mpaminany dia mikasika ny fahamasinan’Andriamanitra (Isa 6: 3). Rehefa nihira mafy ny amin’ny fahamasinan’ny Tompo Andriamanitra ireo serafima dia nanomboka nihorohoro nihozongozona ny fanambanin’ny tokonana.  Amin’ny fotoana izay hanokafanao ny vavanao hanononanao ny fahamasinan’Andriamanitra dia tadidio fa hampihetsika ny lanitra iray manontolo izany. Jereo tsara fa na ny fitsanganan’IAndriamanitra eo ambony tendrombohitra fotsiny aza dia ampy hampiempo sy hampihorohoro azy ireny (Mika 1: 3/4)(Nahoma 1: 5) (Sal 97: 4/5), satria tsy mahazaka ny fahamasinany akory izy ireny, ary tsy mendrika ny hitoerany akory aza. Izany dia afaka ny hampiakatra ny finoantsika fa na dia toy ny tendrombohitra aza ny haavon’ny zava-manahirana antsika, dia afaka ny hiempo eo anatrehan’I Jehovah izany, io ilay finoana toy ny voan-tsinapy mahafindra tendrombohitra (Mat 17: 20).

 

Voagadra noho ny asa marina nataon’izy ireo I Paoly sy Silasy, nenjehina sy nokapohina izy ireo, ary tsy nandalo fitsaràna akory fa avy hatrany dia nalefa tao an-tranomaizina. Fatatr’izy ireo ny asa tsara nataon’izy ireo, ka natoky izy fa na dia mavesatra aza no nentiny dia hitan’Andriamanitra izany. Tsy nanome tsiny ny Tompo izy ireo, fa nanana toe-po nankasitraka izay rehetra fitondran’ny Tompo azy. Tsy afaka nanana izany toe-po izany anefa ry zareo raha tsy nanam-pahamasinana (izany hoe nanaiky ny tenin'Andriamanitra), ary raha tsy nanana izany toe-po izany koa izy ireo dia tsy afaka nanokatra ny vavany akory hidera sy hankalaza an’Andriamanitra. Na dia tany anatiny sy lalina indrindra aza izy ireo dia tsy nahalàla afa-tsy zavatra tokana, dia "Andriamanitra miaraka amin’izy ireo". Rehefa nahatoky ny fanatrehan’Andriamanitra izy, dia nanomboka nivavaka sy nihira fiderana. Satria masina ilay Andriamanitra nanatrika azy ireo, ary izy ireo koa dia nohamasinin’ny Tompo noho ny teniny, dia nampihetsika an’Andriamanitra izany fiderana izany ka nidina nandrava ilay trano-maizina ny Tompo ka namotika izay rehetra manohitra ilay fahamasinany. Lehibe sy masina io Andriamanitra mahita anao ao anatin’ny lavaka maizina io, mety hoy angamba ianao hoe; tena maizina ny fiainako, tena ao anaty lavaka lalina mihintsy: “derao amin’ny fahamasinany Izy” dia ho hitanao fa na toy inona na toy inona ny hahalehibiazan’izany fahamaizinana izany, dia ho resin’ny fazahavan’ny fahamasinan’ny Tompo izany.

Ny gadra dia toy ny toeram-paharesena, ary ny haizina dia toy ny toerana fara-hidiny indrindra eo amin’ny fiainana izay tsy ahitana mangirana. Tsy mahasakana ny Tompo tsy hiasa izany rehetra izany, ary tena tiany mihintsy aza ny mandrava ireny fahavalony ireny satria manohitra Azy ireny tranga ireny, miandry anao hanonona fiderana Azy amin’ny fahamasinany Izy hampisehoany ny voninahiny aminao.

Manomboka anio ary, aza adino ny manamasina an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (1Pet 3: 15) ary ampahitsio amin’ny tenin’Andriamanitra ny fiainanao mba hahamasina anao ao amin’ny Tompo hahitànao ny voninahiny. Miderà Azy amin’ny fahamasinany fa ho hitanao ny heriny. Miandry anao hidera Azy ny Tompo, toy ny ataon'ireo izay mitoetra any an-danitra any, satria izany no sitrapony. Koa ataovy ary ny sitrapony tahaka ny anaovana izany any an-danitra (Mat 6: 10) Amen


Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement