Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Famelan-keloka


 (Mbola miandry fanitsiana ity lahatsoratra ity)

Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. (Sal 32 : 1,2)

Mazàva ny teny izay nolazain’I Davida, sambatra hoy izy ny olona izay voavela ny helony. Raha hijery ny mikasika ity atao hoe famelan-keloka ity isika dia tiana ny manambara fa mahasambatra ny olona ny famelan-keloka izay omen’Andriamanitra azy.

Raha rasaina tsara io teny iray io dia ahitàna teny roa ka toa izao izany: mamela sy heloka; mazàva fa ny olona izay manan-keloka no miandrandra sy mila famelan-keloka, ny olona izay mahatsapa fa nanao heloka no mila azy io ary any amin’ny Tompon’ny Fahamarinana no angatahana izany.

Raha manota moa isika, fantantsika ve fa manota amin’Andriamanitra ? misy mantsy ny olona no mieritreritra fa ny heloka dia izay fahadissoana natao tamin’ny olona ihany. Tokony ho tsaroantsika araka izany fa tsy ny fahamarinan’olona no atao modely fa ny fahamarinan’Andriamanitra izay mamaritra ny atao hoe fahotàna. Mila famelàna avokoa araka izany ny karazana fahadisoana rehetra natao, na tamin'Andriamanitra izany na tamin'ny olona. Mazava ho azy fa na ny olona na Andriamanitra dia samy mamela heloka raha nanaovana fahadisoana. Raha toa kosa ka tsy voavela ny heloky ny olona iray; inona sazy miandry azy?

Milaza toy izao ny baiboly; fahafatesana no tambin’ny ota (Rom 6;23). Ny olona mitoetra ao amin’ny ota sy ny fahadisoana dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana, tahaka an’I Adama sy Eva teo aloha, raha vao vantany vao nanota izy ireo dia nisy fahafatesana niditra teo amin’ny fiainany. Maro ny olona no mihevitra fa any am-parany any vao misy ny famaliana ny fahadisoana rehetra, ka mahatonga ny olona tsy hiraika amin’izay fangataham-pamelan-keloka. Misy koa ireo olona tsy mino ny fisian’ny famalian’Andriamanitra ka dia manohy izay mety ho heveriny fa azo araraotina eto ambonin’ny tany. Hoy tokoa ny baiboly: “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy”. (Mpitor 8: 11). Na isika mpino aza anefa dia mila mibebaka sy mangataka famelan-keloka hatrany rehefa taomin’ny Fanahy Masina hibebaka, na dia tsy fantantsika aza ny antony. Hoy Davida mpanao Salamo  “Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako. Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô? Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao”. (Sal 130 : 2-4). Davida dia nifona tamin’Andriamanitra mandrakariva satria fantany fa tsy tanteraka teo anatrehan’i Jehovah izy. Nahatsapa rahateo Davida fa na dia ny fankasitrahana ota fotsiny ao am-pony aza dia ampy nampisaraka azy tamin’Andriamanitra (Sal 66: 18).

Mety manakana zavatra maro tsy ho tonga eo amin’ny fiainainantsika ny tsy fisian’ny famelan-keloka, nefa ny Tompo dia te hanampy antsika amin’ny lafiny rehetra, izay tsy afaka miray na miharoharo amin’ny faharatsiana. Ny fitahiana rahateo dia miainga amin’ny fialàna amin’ny fahotàna, hoy ny baiboly “Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin’ny fialanareo rehetra amin’ny faharatsianareo isam-batan’olona” (Asa 3: 26) izany hoe miainga tanteraka amin’ny fahadiovantsika ny fitahiana avy any ambony.

Davida dia nifona tamin’i Jehovah manao hoe; ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’izay ota tsy fantatra (Sal 19: 12) eo ambany izy dia milaza toy izao; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’izay fahadisoana lehibe. Eto isika dia mahita fa misy hatrany ny fahadisoana mety ataontsika kanefa tsy fantantsika akory na ny fisiany aza, tsy fantantsika koa indraindray ilay izy hoe fahotàna. Manoloana izany indrindra no tokony hibebahantsika sy hangatahantsika famelàn-keloka isan’andro eo anatrehan’i Jesosy. I Paoly dia nanamarika toy izao ao amin’ny epistily izay nosoratany; “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra”(Fil 4 : 6) ny amin’ny zavatra rehetra hoy Paoly, dia aoka ny fivavahana sy ny fifonana; ny fangatahana dia tokony hampiarahana amin’ny fifonana hatrany araka izany, satria na ny fangatahantsika aza mety tsy ho araka ny sitrapony akory araka ny voalaza manao hoe; “fa itafio Jesosy KristyTompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany” Rom 13: 14).

 Hitantsika fa ilay fahafatesana izay nambara teo aloha dia miantomboka amin’ireo varavaram-pitahiana voakatona nohon’ny fahadisoana tsy voavela. Matetika isika no mitady ilay famonjena amin’Andriamanitra kanefa tsy mby ao an-tsaintsika fa tokony hifona hatrany isika mba hanokafana ireo varavarana ireo. Ny tanan’i Jehovah tokoa tsy fohy fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalo-dalovana fa mahare, fa ny helokare no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrare, ary ny fahotànareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy (Isa 59;1,2)

Atao ahoana ary ny hahazoana ny famelan-keloka?
Ny famelan-keloka no lalana voalohany indrindra azahoantsika fihavanana amin'Andriamanitra. Araka ny ambaran’i Lioka 24: 47 hoe “ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.” Io ilay voalaza etsy ambony fa Jesosy ilay mpanompony nirahany mba hitondra ny famelan-keloka.
Amin’ny fomba ahoana anefa?
Hebreo 9: 22 Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka. Ny fahatongavan’i Jesosy teto ambonin’ny tany no antoky ny famelana tanteraka ny heloka rehetra nanomboka tamin'ny androny. Izy no manome izany famelan-keloka izany amin'ny maha-Zanak'Andriamanitra Azy, satria dia tao amin'ny tenany no nitondrany ny fahadisoan'ny olona rehetra ka nopotehany tamin'ny endriky ny fahafatesana izy ireny (Rom 4; 25). Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely (Asa 5: 31). Efa vitany ny asa famelan-keloka kanefa mba ahazahoantsika izany dia mila manantona Azy isika mba hahazoantsika izany famelàna izany.


Tokony hamela heloka koa isika. Ny vavaka nampianarin'ny Tompo dia mampianatra antsika hamela heloka. Rehefa mangataka ilay famelan-keloka isika dia asainy mivavaka toy izao "Mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay"(Mat 6;12). Mazàva ny tiana hampitaina, tiany hitovy fomba aminy isika ka hahay hamela heloka ihany koa an'izay olona nanao fahadisoana tamintsika. Ny famelan-keloka eto izany dia mety tsy ho tanteraka raha tsy mamela ny heloky ny olona hafa isika. Atao ahoana kosa tokoa moa no hahatsapanao ny hasarobidin'izany famelan-keloka izany raha tsy ianao aloha no mampihatra azy mialoha ? Ho hainao tsara ny atao hoe famelan-kelok'Andriamanitra raha mahay mamela ny heloky ny hafa isika.

 Tandremo, hoy ny baiboly: Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy* samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy* ny Fanahy Masina (Mat 12: 31). Nahoana no tsy azo tenenina ratsy ny Fanahy Masina? Ny lazaina fa fitenenandratsy atao amin'ny Fanahy Masina dia ny fanaovana tsinontsinona azy, na ny tsy firaharahàna azy. Efes 4; 30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana. Koa satria io Fanahy Masina io no anasiana tombo-kasé antsika, na famantarana ny maha zanak'Andriamanitra antsika, ka raha manao izay mampalahelo Azy isika dia toy ny miala tsy ho zanak'Andriamanitra. Izay tsy manana ny Fanahin'i Kristy dia tsy Azy (Rom 8; 9) Io Fanahy io ihany koa no mitoetra ao anatin'ny fanahintsika ka manamafy ny maha-zanak'Andriamanitra antsika araka ny fanambaràny ao amin'ny fanahintsika (Rom 8: 16)

Raha izay ary ny amin'ny famelan-keloka, ahonana no atao mba hitazomana izany famelana izany ho tena fiainana hiainana andavan'andro? Ny lesona manaraka dia hianarantsika ny dingan'ny finoana, sy ny tokony hatao mba hirosoana bebe kokoa mba ahatonga antsika ho tena iray amin'i Tompo.

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement