Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Fanomezam-pahasoavana

NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA

Manonona ny fiadanan’i Kristy ho aminao mpamaky indray izahay. Inoanay fa hitondra fandrosoana ho anao ny famakiana ity lesona iray ity izay mahakasika ny fanomezam-pahasoavana. Anisan’ny zava-dehibe ny fandinihana sy ny fianarana azy ity mba ahalalàna izay tokony ho toerana, sy izay tokony hataontsika manoloana ny fiantsoan’ny Tompo antsika. Maro amintsika rahateo ny mba te hanana fanomezam-pahasoavana manokana mety ho miavaka noho ny rehetra, toy ny hoe faminaniana, na fanasitranana, na koa fahagagàna izay tena mba hiazakazahan’ny maro tokoa ankehitriny. Tsara avokoa izany rehetra, kanefa mila jerena tsara hatrany amin’ny fotony mihintsy aloha ilay izy mba tsy hampiasàn’ny fanahy mamitaka antsika ka na isika aza mety mba hamita-tena ihany koa.

Voalohany indrindra dia tsara marihana fa ny tanjon’ny fanomezam-pasoavana dia ny hananantsika fiainana mandrakizay ! Raha tsy mitarika antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay ilay izy, na koa hoe tsy mitahiry antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia tsaratsara mandinin-tena misimisy kokoa aloha dia miverina tanteraka ao amin’ny Tompo.
Rehefa voasàsà tamin’ny ota mantsy isika ka tonga mpino, tonga sakaizan’i Kristy, dia tolorana ny fanomezam-pahasoavana voalohany indrindra (Rom 6 : 23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika). Io ilay nolazain’i Jaona ao amin’ny filazantsarany manao hoe “ fa tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay” (Jao 3; 16). Ny olona manana, na nandray ilay fiainana mandrakiza araka izany no manana ny tena fanomezam-pahasoavana avy amin’i Kristy marina tokoa ho fampandrosoana. Mazàva ho azy araka izany  fa raha tsy mitondra anao ho amin’ny fiainana mandrakizay ihany koa ilay heverinao ho fanomezam-pahasoavana, dia tsy ho tafiditra amin’ilay tanjona ho fampandrosoana ny fiangonana. Ny fanomezam-pahasoavana dia natao hifanompoana ho amin’ny fifampandrosoana eo amin’ny sehatry ny fiangonana (1Pet 4: 10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra). Noho izany dia isika miaina eto ambonin’ity tany ity, no mila ny fanomezam-pahasoavana izay hifampandrosoana eo amin’ny fiangonana izay tenan’i Kristy rahateo. Tsy ilaina any amin’ny fiainana mandrakizay ny fanomezam-pahasoavana izay omena antsika ety ambonin’ny tany, fa eto ihany no ilàna azy mba ahatanteraka ny fiangonana ho tonga tena ho iray amin’i Kristy izay lohan’ny fiangonana ka handraisany ny azy tsy hisy kilema. Hoy ny (1Kor 13: 8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana). Hitanao tsara eto fa manana anjara-toerana lehibe amin’ny fifampitondràna sy fifampitezàna ny fanomezam-pahasoavana mandrampahatonga antsika any amin’ilay toerana izay efa nomanina ho antsika, saingy ho foana kosa izany rehefa tonga any amin'ilay ataontsika hoe paradisa isika.

Manaraka izany; tsy midika akory fa izay rehetra mampiasa ny fanomezam-pahasoavana dia manana ny fiainana mandrakizay ao anatiny avokoa. Maro ny olona no manana fanomezam-pahasoavana, kanefa tsy avy amin’ilay fiainana mandrakizay no loharano nipoirany na nahazoany azy, fa mety avy amin'ny ray aman-dreniny teo aloha ohatra raha mpanotra ilay olona. Handray ohatra iray isika ato amin’ny baiboly: (Asa16: 16 Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be. 17 Izy nanaraka an'i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena). Jereo tsara fa fanahy mahavaly no tao anatin’ilay ankizivavy, saingy ny faminaniana notononin’ny vavany dia marina ! Tsy midika akory izany fa hoe tsara ilay faminaniana na dia marina aza, kanefa tsy nitarika ny olona hino ny filazan-tsara izay notorian-dry Paoly sy Silasy akory ilay izy, ary tsy nampibebaka ny olona akory. Ny vokany taoriana kelin’izay, dia noroahan’izy roalahy ny devoly tao anatin’io ankizivavy io, ary nahatezitra ny tompony izany fihetsika izany ka nahitàn-ndry Paoly sy Silasy zava-nanahirana. Tsy niteraka fiovam-piainana na fiovam-po ho an’ny tompony akory aza ny faminaniana notononiny na dia nampanan-karena azy fatratra aza ny faminaniana navoakan’izy io hatramin'izay.
Maro loatra ny trangan-javatra toy izany amin’izao vanin’andro iainantsika izao ! Maro loatra ny mpaminany maminany mba hampanankarena ny olona, kanefa miha manalavitra ny fiainana mandrakizay ny lalan’ilay olona avy eo. Toy izany koa ireto mpilalao fanahy maro samy hafa (voyant-e) ireto izay milaza fa afaka ny hampanan-karena anao amin’ny fomba maro samy hafa izay atorony anao, ary mampiasa baiboly mihintsy izy amin’izany, nefa na ny tenany aza tsy ao anatin’ilay famonjena akory. Ka na mpitorin-teny, na mpilalao ody, dia afaka ny hanana fanomezam-pahasoavana kanefa mila fantarinao tsara ny loharanon’izy io fandrao tsy avy amin’ilay Andriamanitry ny famonjena akory akory.

Maro amin’ireo olona manana fanomezam-pahasoavana raha ny voalazan’ny baiboly, no tsy ho voavonjy akory, satria na mivaly aza ny vavaka ataon’izy ireny, sy ny fahagagàna ataon’izy ireny, dia tsy nifototra akory tamin’ilay tanjon’Andriamanitra akory. Lazain’ny Tompo mihintsy amin’izany fotoana izany manao hoe “tsy fantatro ianareo”! Diniho tsara anie ity andinin-teny ity e ...! (Mat 7: 22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka). Mariho tsara ilay hoe “tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay”! Hay kay ireto olona ireto na ny Tompo aza tsy mahafantatra azy ! Avy taiza aza ny fanomezam-pahasoavana izay nampiasain’izy ireto ? Mazàva ho azy fa tsy avy amin’ilay Mpanome fiainana mandrakizay, ary tsy manana an’ilay fiainana mandrakizay akory ireto olona ireto. Tsy tsikarin-tsika ve fa maro no te ho mpanasitrana, maro no te hanao fahagagàna, maro no te ho mpaminany na hanana teny fahendrena ... amin’izao vanim-potoantsika izao Eto dia mila manintsy ny diantsika isika raha sanatria kahitantsika sahady fa tafàla tamin’ilay fahamarinana isika

Isika dia natao ho fofombadin’i Kristy izay hampiakarina amin’ilay fampakarambadin’ny Zanakondry. Na dia fofombadiny hampakariny aza isika fiangonana dia efa tena iray aminy mihintsy satria tsy isika intsony velona fa Izy no velona ao anatintsika (Gal 2:20). Ka ny mpino tsirairay ao anatin’ny fiangonana dia samy momba ny tenan’ny Kristy. Izaho sy ianao no fiangonana mampijoro ilay tena, satria isika no tempoly mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ny fiangonana. Ny fanomezam-pahasoavana ao anatintsika araka izany no mitambatra ka mahafeno ilay fiangonana. Koa tahaka ny ananan’ny tena loha, maso, vava, tanana sy ny tongotra ary ny taova maro samy hafa, dia toy izany koa isika ao amin’ny fiangonana (1kor 12: 12 Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy). Ny fanomezam-pahasoavana no aina mamelona ny fiangonana, ary aina mamelona antsika ahafahantsika mikambana ho amin’ny fiangonana ihany koa, ary tokony hikambana ho fiangonana rahateo isika satria ny fiangonana no ampiakariny ho any an-danitra. I Paoly manokana ohatra izay tena namaofy bebe kokoa ny amin’ity resaka fanomezam-pahasoavana ity, ary nanana fanomezam-pahasoavana maro samy hafa izy, amin’ny maha apostoly azy. Hoy izy ato amin’ny (Fil 4: 13 Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy). Tsy ho voatery mitovy amin’i Paoly daholo anefa ny olona tsirairay, fa izy dia natao ho mpitory filazantsara sy ho mpanorina fiangonana, ka rariny loatra raha nomena maro tamin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo izy mba hampianatra ny maro ihany koa ny amin’ny fitondram-piangonana. Nanamarika toy izao ihany anefa izy; (1Kor 7: 7 Fa tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra azy avy, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy izao kosa). Noho izany ary, dia ny hahasoa antsika mba ahavelomantsika ao amin’ilay tena iray amin’i Kristy, dia nozarazaraina ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra mba hifanompoantsika. Avy amin’Andriamanitra Iray ihany, izany hoe avy amin’ny asan’ny Fanahy iray ihany ny fanomezam-pahasoavana omena ny fiangonana, mba ahazoantsika manompo Azy sy hikolokolo ilay vady ampiakarina, ka hanompo mandrakariva eo anatrehany sy eo anatrehan’ny samy mpino. Hoy ny (1Kor 12:  4 Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. 5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. 6 Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra.

Misy asa izay miandry ny fiangonana araka izany! io asa io dia asa iombonana mba hampandroso ny filazantsaran’ny fanjakan’ny lanitra sy ny fiangonana. Tsy maintsy ho avy amin’ny Fanahy Iray izay avy amin’Andriamanitra no isehoan’izany eo amin’ny fiangonana mba hampirindra tsara ilay asa hifanompoana, raha tsy izany dia hisy ny korontana, na hisy ny tsy fitovian-kevitra hampizarazara ny fiangonana. Mazava ho azy ihany koa fa tsy lavitra ao ny misy ny anti-kristy izay mpanohitra ireo lamina napetraky ny Tompo ka hampiditra fanahy hafa sy fampianarana hafa izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra (hojerentsika amin’ny manaraka ny ahafantarana ny anti-kristy). Tsy ary ho fantatry ny olona rehetra avokoa anefa ny marina sy ny tsy marina, ny ondry sy ny osy, ny vary sy ny tsiparifary, ka izany indrindra no ilàna ny antsimpirihany amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireto. Inona avy ary ireo fanomezam-pahasoavana ireo:
(1Kor 12: 7 Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana* ny Fanahy hahasoa. [* Na: fisehoan'] 8 Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, 9 ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany, 10 ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery] 11 Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony). Mariho tsara fa io dia tsy safidin’ilay olona no mamaritra izay mety ho fanomezam-pahasoavana tiany hanànana, fa ny Fanahy no mizarazara azy araka izay sitrapony, izany hoe omeny araka izay tiany ilay izy. Ireto voatanisa eto ambony ireto dia natao hampandrosoana sy hifanompoana eo amin’ny samy fiangonana. Izany hoe; ilaiko sy ilainao izy ireo, ary tsy misy izany hoe mpino tsotra izany ao amin’i Kristy fa tsy maintsy mifanompo isika mba hampandroso ny fanompoana izay ataon’ny fiangonana. Izany rahateo no antom-pisian’ny fiangonana.

Ny asa fitoriana ny filazantsara amin’ireo tsy mino, ny fanaparitahana ny filazantsara maneran-tany, ny fanangonana ny ondry ivelan’ny vala (Jao 10;16), izany hoe ny fampianarana ireo ondry izay tsy mbola tafiditra amin’ilay vavahady (Jao 10:7); dia samy asa miandry ny fiangonana. Izany indrindra no nanomezana ireto fanomezam-pahasoavana manaraka ireto:
(1Kor 12: 27 Ary ianareo no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy. 28 Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana*, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra. [* Gr. hery]).  Namafisiny tsara ireo andalan-teny ireo ato amin’ny (Ef 4: 11 Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, 12 ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana*, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, [* Gr. eklesia]). Tsindrio tsara ilay teny hoe “fanatanterahana ny olona masina” ! Ny olona masina resahana eto dia izaho sy ianao izay tafaray amin’ny Tompo. Navela hifampiankina isika fa tsy natao handeha irery eo amin’ny fiainana miaraka amin’ny Tompo. Natao ho fiangonana ihany koa isika fa tsy natao ho mpino tsotra (ho dinihana amin’ny lesona manaraka ny amin’ny hoe fiangonana). Natao hiasa isika fa tsy natao hangataka vavaka sy hanantena valim-bavaka avy amina mpanompon’Andriamanitra fotsiny tsy akory. Nozarazaraina ny fanomezam-pahasoavana mba ahafahan’ny tsirairay mivelatra sy mitombo. Tsy natao ho nitovy  ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny tsirairay, satria tsy ahafahana mitombo raha misy ny fahabangan’ny sasany; toy ny hoe tsy afaka mandray ny tànana raha tsy mijery ny maso, tsy afaka mamindra ny tongontra raha tsy eo ny kibo sy ny lamosina mitondra azy, ary afaka ny hitombo kosa ilay tena rehefa miara-miasa ny maso sy ny tanana ary ny vava homana izay niara-nentin’ny tongotra nanatanteraka ilay sakafo. Toy izany koa ny fanomezam-pahasoavana eo amin’ny fiangonana. (1Kor 12:29 Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra? 30 Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra? 31 Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo:).

 

Ny antsimpirihan’ity fanomezam-pahasoavana ity dia ho entina tsirairay ao anatin’ny ONGLET LESONA HAFA, fa ity nomena antsika ity dia ny mikasika ny asan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny mombamomba azy. Averina indray fa tsy miantoka ny fiainana mandrakizay ny fanomezam-pahasoavana, kanefa kosa mitahiry antsika mba hanana anjara sy fifamatorana amin’ilay fiainana mandrakizay. Isika rahateo rehefa nandray ny Tompo dia nomeny hery ho tonga zanany (Jao 1; 12). Io hery io dia ny Fanahy izay noraisiny tamin’ny alalan’ny Teny, izay niteraka finoana tao anatintsika. Io ary ilay atao hoe tsy maintsy ateraky ny Fanahy isika, ary ny vokatry ny fanahy dia dia mamelona ny fanomezam-pahasoavana. Io fanomezampahasoavana io dia mety ho azontsika avy hatrany amin’ny fotoana nanolorantsika tena ho an’ny Tompo, azo avy amin’ny alalan’ny faminaniana, misy fotoana indray izy hamafisina amin’ny fametrahan-tànana, araka ny filazan’i (1Tim 4: 14 Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona*. [* Gr. presbytera]). Ny faminaniana ? Ny Tompo mihintsy no manendry ilay olona hanao asa iray. Fanomezam-pahasoavana mihintsy io! tahaka an’i Barnabasy sy Saoly(Paoly) (Asa 13: 2 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy. 3 Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy).

Ny fanomezam-pahasoavana dia toy ilay talenta izay nomen’ny tompony tamin’ireo mpanompony mba hampitomboina. Hoy ny fanamarihana nataon’i Jesosy: (Mat 25: 14 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany: 15 koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy). Mariho tsara indray eto ilay hoe “samy araka ny fahaizany avy”, izay zavatra hainao na efa nomen’Andriamanitra anao mialoha dia amafisin’ny Fanahy ao anatinao ho lasa fanomezam-pahasoavana ho anao. Satria ny Tompo dia efa lasa niakatra any an-danitra taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nanome antsika ilay Fanahy Izy hamoa ireo fanomezam-pahasoavana ao anatintsika, mba ahafahantsika miasa sy mampitombo ny vokatra (Jao 15:16). Fa ny fanomezam-pahasoavana dia tenan’ny Tompo (fananan’ny Tompo), ary nomeny ho an’ny fiangonana mba hampitomboina. Aza mandevin-talenta araka izany !

 (1Tim 4: 14 Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona*. [* Gr. presbytera] 15 Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao). (2Tim 1: 6 Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako.7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. 

Mifahara ary, ka aoka hivonona hiady ny ady tsaran’ny finoana. Ady iraisana no miandry antsika; dia ny fitoriana ny filazantsara izany, sy ny hamongorana ny asan’ny devoly. Manana adidy izaho sy ianao, ka asa na ahatanteraka ny fihazankazahanao ianao na tsia mba hitehirizana ny satroboninahitrao amin’ny andro farany (2Tim 4: 6,7).

Mankasitraka indrindra antsika rehetra izay naharitra namaky hatramin’ny farany. Natao hanampy anao ireto andalan-tsoratra masina eto ambany ireto, mba hiorenanao misimisy kokoa ao amin’ny Tompo. Amen


(Rom 12: 6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; 7 raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana; 8 raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana. 9 Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara. 10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra. 11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo. 12 Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. 13 Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny. 14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. 15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany. 16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo*. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin'ny malahelo] 17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra. 18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. 19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35). 20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22). 21 Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.)

Ity lahatsoratra ity dia hifindra tsy ho ela ao anatin'ny ONGLET/ FOTOTRA FAMONJENA

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement