Fibebahana
Fibebahana
Inona no atao hoe fibebahana ?
Ny hevitry ny teny dia milaza marimarina kokoa ny amin’ny fiverenana amin’Andriamanitra rehefa mahatsapa nenina noho ilay fahotàna. Izany hoe, miàla amin’ilay làlana naleha teo aloha ka miverina mitodika amin’Andriamanitra.
Ny Ezekiela 18: 30 dia milaza manao hoe: “Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.” Eto dia mahita isika fa ny olona manana na nanao fahadisoana no nasain’Andriamanitra nibebaka, hoy Izy “mitodihaa ka mibebaha”, ilay fibebahana izany dia fitodihana amin’Andriamanitra rehefa avy tafasaraka taminy teo aloha.
Ny Ezekiela 14: 6 kosa indray dia milaza manao hoe “Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny” izany hoe; ny fibebahana eto dia fanomezana lamosina ny fahadisoana sy ny fahotàna. Ny hoe miamboho eto dia tsotra “miverin-dàlana”; raha nankany ankavia ny lalana naleha teo aloha dia nanatrika ny ankavia ianao, kanefa rehefa nibebaka ianao dia tsy maintsy mitodika miamboho izany hoe tsy manohy intsony ilay làlana nizorana teo aloha intsony fa mandray làlana vaovao ho any amin’ny ankavànana. Tadidio fa ny sampy na izay rehetra mety ho endrika sampy (fisehoany) dia tena fahavalon'Andriamanitra tokoa. (Eks 20; 3 Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany. 4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zeavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. 5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramimn'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy.
Misy heviny iray koa ny fibebahana izay mifandray amin’izy io: mihaiky heloka. Izay fihaikena izay dia faneken’ny saina (tena resy lahatra) sy ny tena ary ny fanahy fa tena nanota tokoa teo anatrehan’Andriamanitra ary mangataka famelàna satria nanenina. Hoy ny soratra masina ‘Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po” (Oha 28: 13). Mitsotra hoy ny baiboly, mitsotra ary tsy manafina, izany hoe misy fahavononana hamboraka ny fahalemena sy ny tsy fahatanterahana eo anatrehan’Andriamanitra izany ao. Ny fibebahana eto dia tena midika hoe “mahafoy” izany hoe tsy tia an’ilay ota intsony, midika izany fa ny olona vonona hibebaka dia olona vonona hanova fomba famindra ary tena fanampahan-kevitra tokoa ilay izy.
Matetika dia ny fahatsapan-tena ho nanao ny tsy marina na nandika ny sitrapon'Andriamanitra no mahatonga ny olona hibebaka amin’Andriamanitra, eo koa ireo faharesena nanoloana ireo kilema ka zary tsy afa-manoatra intsony izay vao mitady an’Andriamanitra. Ilaina izany, ary ny olona rehetra rahateo no antsoin’Andriamanitra hibebaka sy hitodika any Aminy indray.
Misy olona tsy manao ratsy anefa, mety hoe mpanao asa soa, ary mamy hoditra mihintsy eo amin’ny fiaraha-monina, ny olana fotsiny izy tsy mino ny Tompo, azo vonjena ve izy ireny?
Fanontaniana mety manitikitika anao angamba izany, eny mety ho eo amin’ny toeranao ihany koa. Maro tokoa ny olona no mihevitra fa ireo mpanao ratsy na mpanota ihany no mila mibebaka. Ao ny sasany mieritreritra fa raha tsy mibebaka tsy mba ho afaka amin' ny fahantrana ho an'ny olona sasany izany, ka manjary tonga ho azy ao anatin’ny saina ny hoe tokony hibebaka izy. Mila mibebaka ny olona rehetra mba ho tonga amin’ny famonjena, eny fa na dia mpanao asa soa sy fiantràna ary tena mpanao ny marina sy mpandàla ny fiaraha-monina. Tsy azo eritreretina mihintsy ny ahazahoan'izy ireny ny famonjena izay nampanantenain’i Jesosy raha tsy mibebaka. Maro ny olona no toy izany ka mihevitra fa na tsy tonga any am-piangonana aza izy, na tsy mivavaka mihintsy aza izy dia mety ho tsaroan’Andriamanitra ihany ny aminy. Ny baiboly anefa dia mamaritra tsara fa ny tsy finoana ny filazan-tsara dia mila ibebahana mba ahatongavana amin’ny famonjena. Ny fibebahana dia mitondra mankany amin’ny finoana ny filazan-tsara (Mark 1: 15) ary tsy azo lazaina fa hanana finoana ny olona iray tsy mibebaka, eny fa na dia hihetsika amin’ny finoana aza izy dia tsy hisy vidiny eo anatrehan’Andriamanitra izany.
Natao ho an’ny olona nihemotra koa ny fibebahana, ny fihemorana lazaina eto dia izay rehetra fangatsiahana rehetra eo amin’ny fanarahana ny Tompo. Amin’ny voalohany mantsy mety mafana fo tokoa isika ao amin’ny Tompo kanefa rehefa mandeha ny fotoana dia mahita fa tahaka ny mihemotra izany. Ny baiboly dia manambara toy izao: “koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; far aha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra nyt fanaovan-jironao hiala amin’ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao” (Apok 2: 5). Tsy afaka ny hitoetra hilalao eo amin’ny toerana mangatsika isika na matimaty noho izany, na hoe eo amin’ny toeran’ny ilay lazaina hoe “tsy hita be eny ihany”, mila miverina mibebaka isika mba ihazonana ilay hafanàna hitazomana ny famonjena, raha tsy izany dia mety ho tafàla amintsika na dia ny antso ho amin'ny asa fanompoana aza.
Noho izany ry rahalahy, dia mila isika mibebaka amin’ny fotoana rehetra ka mamerina ny fiainam-panahintsika amin’ny laoniny hatrany. Ny Tompo dia miandry antsika eo amin’ny toerana maha-mendrika ny hitoerantsika, ary vonona ny hamela antsika hatrany Izy araka ny teniny tetsy ambony hoe “izay mahafoy no hahazo famindram-po”. Tsy tokony hanao ampitso lava isika araka izany, satria raha tsy mibebaka isika dia hamita-tena ka tsy ho tody amin'ny fikasan'Andriamanitra velively.
Koa mahereza amin’ny fibebahana.