SAKAIZAN'I KRISTY
Ny SAKAIZAN'I KRISTY dia iraka iray izay teraka tao anatin'ny Nissi Praise Ministry and Production.
Ny iraka izay ifotoranay voalohany indrindra amin'izany dia ny hampahafantatra ny mpino rehetra ny toe-panahy vonona amin'ny fiverenan'i Jesosy Kristy eny amin'ny rahon'ny lanitra. Ny hampianatra sy hifampitantana amin'ny mpino izay vonona hetsena Azy.
Ny ataon amin'izany dia ny fanoratana fampianarana amin'ny alalan'ity pejy ity.
Misy ny fandaharana izay ataonay amin'ny onjam-peo maro isan-karazany eto Antananarivo sy ny hafa.
Ireo fandaharana izay mandeha amin'ny onjam-peo dia azonao alaina ato avokoa. Jereo ato ny hoe "Fandaharana Sakaizan'i Kristy". Ao avokoa ny lisitr'ireo fandaharana, ary manindry izany lisitra izany ianao dia ho azonao avy hatrany.
Tsy manavaka antokom-pinoana izahay, ary mampianatra izay rehetra liana sy vonona hifampitantana aminay.
Tsy manana fiangonana izahay, fa amin'ny alalan'ity blogsite ity no ahafahana mifanerasera haingana indrindra.
Afaka mamaly ny fanontaniana rehetra mahaliana anao izahay momba ny baiboly sy ny tontolony, hanampy anao koa izahay raha tianao ny hitarika asan'Andriamanitra

Ireo izay te hanana fifandraisana manokana aminay dia afaka manoratra amin'ny adresse mailaka: 1nissipraise@gmail.com
NB: Pour télécharger des bibles gratuitement en version française avec je croix; Cliquez ici
Raha hikaroka toko sy andininy amin’ny baiboly katolika dia :Tsindrio eto
RAHA HAKA BAIBOLY VERSION WORD KOSA IANAO DIA:Tsindrio eto .Mahazoa fahalalàna avy amin'ny famakiana ny soratra masina.
