Fanatrehan'Andriamanitra
Fanatrehan’Andriamanitra
« Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely ». (Sal 22: 3).
Voalohany indrindra dia tiana ny manazava ny saintsika fa Andriamanitra rehefa manatrika dia manatrika amin'ny alalan'ny Fanahiny Izy. Toy ny fanjakana izay manatrika fotoana iray, tsy ny mpanjaka na ny filoha matetika no tonga eo fa misy solon-tena irahiny eo toy ny hoe; minisitra, na iraka manokana akaiky azy. Toy izany koa Andriamanitra, satria tsy misy olona afaka mifanatrika mivantana aminy araka ny nofo, dia ny Fanahiny no avelany hahatsapantsika amin'ny fanahy fa manatrika antsika Izy.
Ny Isiraely izay voalazan’ny salamo eto dia milaza ireo olon’Andriamanitra izay mpitolona aminy mandrakariva. Ny nahazahoan’i Jakoba io anarana io mantsy raha tsiahivina kely dia tamin’ny fotoana izay hihaonan’i Esao sy i Jakoba dia nivavaka teo an-tendrombohitra iray izy ka nitolona tamin’Andriamanitra ary naharesy Azy, nony ny maraina dia nikasa ny handao azy Andriamanitra kanefa tsy navelan’i Jakoba raha tsy nitahy azy Izy. Tamin’io fotoana io indrindra no nanovana ny anarany ho Isiraely. Ny Isiraely eto dia fanovana entin’Andriamanitra ho an’izay maharitra mitolona aminy ka maharesy Azy (maha-resy lahatra Azy), fanovam-piainana entiny hanehoana ny fahalehibiazany sy ny fanombany, ary ny zava-dehibe indrindra dia ny fanekena izay hataony. Manambara izany fa efa voatendry hatrany ambohoka ny fifidianan’Andriamanitra azy. (Gen 32: 25 – 30) (Rom 9: 13)
Ao anatin’ny fiderana, ao Andriamanitra no mipetraka, ao Izy no manorim-ponenana ary tamàna ao. Efa hitantsika tamin’ny lesona teo aloha fa na aiza na aiza misy an’Andriamanitra dia misy fiderana ao, ary tsy mitoetra amin’ny toerana izay tsy misy fiderana Izy (Sal 88: 10 – 12). Manambara toy izao ny bokin’i Apokalypsy 1: 15; ny feony dia toy ny firohondrohon’ny rano be; ny rano be izay voalaza dia manambara vahoaka betsaka (Apok 17: 15) ary ny tabataba ataon’ireo vahoaka betsaka ireo dia fiderana tsy mijanona izay ataon’izy ireo (Apok 4: 8/ Apok 14: 2).
Nahita ny voninahitr’Andriamanitra ny olona maro tao anaty baiboly, ary mitovitovy avokoa ny fomba nisehoan’izany taminy. I Jaona mpanoratra ny Apokalypsy zao dia nahita izany voninahitry ny fanatrehany izany (Apok 1: 12..) ary mitovy amin’ny nahitan’i Ezekiela azy koa (Ezek 1: 4...), ary toy izany koa ny fahitan’i Isaia Azy (Isa 6: 1...) ary toy izany koa ny an’i Daniela (Daniela 10: 5 -9). Nisy zavatra nitranga avokoa ireo fahitana rehetra ireo, i Jaona sy Daniela dia lavo niankohoka tamin’ny tany ary nahazo hery avy amin’Andriamanitra avy eo hampitsangana azy ireo. i Ezekiela sy Isaia kosa indray dia nahita fahitana ary nahazo iraka manokana. Isaia manokana dia nomena fanavaozana sy fanadiovana teo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, i Jeremia dia nosorana tao anatin’ny fanatrehany mba hahazo fahefana sy fanapahana.
Paoly sy Silasy koa dia nahita ny fanatrehany rehefa nidera an'Andriamanitra, rehefa nivavaka sy nihira hira fiderana izy ireo raha mbola nifatotra, dia tonga nanatrika azy ireo teo Andriamanitra. Rehefa teo ny fanatrehany dia nanomboka nihorohoro ny fanambanin’ny trano maizina izay nitazomana azy ireo ka tapaka ny gadra tamin’ny tongony sy ny tanany (Asa 16: 25/26). I Josoa koa dia nahita izany fanatrehan’Andriamanitra izany, tamin’ny fotoana izay nanafihana sy nandravana ny tanànan’i Jeriko, rehefa nasain’Andriamanitra nihorakoraka sy nampaneno anjomara mafy dia mafy ireo mpisorona sy ny zanak’Isiraely rehetra, dia nihovitrovitra sy nihorohoro ny tany ary tao anatin’izany no nandravan’Andriamanitra ilay manda lehibe izay sarotra nohanihana (Josoa 6; 1-20). Ireo fihovitrovitra rehetra ireo dia hitan’i Isaia tamin’ny fotoana izay niantsoana azy ho mpaminany, rehefa nahita ny fiderana nataon’ireo serafima izy dia nanamarika toy izao: “Dia nihorohoro ny fanambanin'ny tokonana noho ny feon'ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano (Isa 6: 4) izany hoe nitovy ny fisehoan’ny voninahitry ny fanatrehan’Andriamanitra tamin’izy ireo.
I Saoly manokana izay mpanjaka voalohany teo amin’ny zanak’Isiraely dia niditra tao amin'ny fanatrehany rehefa nifanena tamin'ny mpaninany iray tarika nidera an'Andriamanitra. Nisy mpaminany maromaro izay nihira sy nitendry lokanga ary voalaza fa naminany tamin’ny alàlan’ireo zava-maneno ireo ireto mpaminany. Rehefa nifanena tamin’izy ireo i Saoly dia nosintomin’i Tompo ho eo amin’ny fanatrehany, novaina ho fo vaovao ny fony ary tonga naminany izy. Tsy maintsy nandalo io fanavaozana lehibe io i Saoly talohan’ny nandraisany ny asan’ny maha-mpanjaka azy, ary dia nahazo toky tamin’Andriamanitra izy fa izay rehetra azon’ny tanany atao dia azony atao fa homban’Andriamanitra amin’izany izy (1Sam 10: 1- 7). Izany hoe ilay fanatrehan’Andriamanitra nanova an’i Isaia, no nanova an’i Saoly mpanjaka ihany koa ho tonga ho olom-baovao. Jeremia mpaminany koa dia nahazo io fanovàna sy kasik'Andriamanitra io (Jer 1)
Ao anatin'ny fanatrehany Andriamanitra dia manao zavatra tsy takatry ny saina. Firy moa no mahalala fa tao anatin'ny fiderana no namoronan'Andriamanitra an'izao rehetra izao ? (Job 38: 4 Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.5 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?6 Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,7 Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra?
Mazava ary fa miasa Andriamanitra ao anatin'ny fideràna, ary ny asa lehibe rehetra izay nataony dia tsy nisaraka tamin'izay fiderana nisy ny fanatrehany izay. Raha tianao hiasa manokana aminao Andriamanitra, na tianao hisy famoronana vaovao, na fanovàna lehibe izay mifanaraka amin'ny zavatra ilain'ny vanim-potoana: Aza adino ny midera Azy, ka miditra ho eo amin'ny fanatrehany dia hiasa izy ka hanao izay tsara indrindra ho anao.
Hita amin’izao fa tsy misaraka amin’ny fiderana ny fanatrehan’Andriamanitra. Tsy maintsy hahatsapa kasika ny olona iray tafiditra ao anatin'ny fanatrehany, ary hiboiboika ho azy avy ao anatiny ny fideràna am-panahy izay tsy hain'ny nofo foronina fa tena tonon-kiram-panahy avy amin'Andriamanitra.
Andriamanitra dia te hitondra antsika ho eo amin’ny fanatrehany mandrakizay, ary ao amin’i Jesosy izany fanatrehany izany (Kol 2: 9). Io fanatrehana io dia tsy hain'ny nofo aman-drà tsapaina satria tsy mba mahazo mandova na mandalo izany akory ny nofo (1Kor 15: 50), noho izany dia asan’ny Fanahy Masina irery ihany no mampahita ny fanahintsika ny fanatrehan’Andriamanitra ary io Fanahy io no miara manambara sy manome toky (antoka) amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika (Rom 8: 16 – 17) ary raha zanaka isika dia miara-mandova amin’i Kristy ka hiara-manam-boninahitra aminy.
Manasa anao ary izahay hiditra mandrakariva ao anatin'izany fanatrehana izany tsy tapaka. Manasa anao koa izahay mba hianatra amin'ny alalan' ny fitsidihana ny trano-kalantsika, fa sady hanome fahalalàna ho anao izany no hitondra anao ho tonga eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Amen