Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Fahotàna

 

Inona no atao hoe fahotàna ?


Matetika dia betsaka no tsy tena mahafantatra ny atao hoe fahotàna, mieritreritra izy fa ny tsy fanarahana ny tenin’ny mpitarika azy dia fahotàna na dia mety tsy mifanaraka amin’ny soratra masina aza ilay izy. Izany no mahatonga anay hanome fampianarana feno mikasika ny famonjena ary anisan’izany ny fahafantaranao ny dikan’ny hoe fahotàna (ota).


Volohany  indrindra dia efa voamarina hatramin’ny andron’ny Genesisy na ny Fiandohana fa ny fahotàna dia ny fandikàna ny sitrapon’Andriamanitra na ny Tenin'Andriamanitra. Andriamanitra dia nametraka sy nampahafantatra hatrany ny sitrapony tamin’ny olona mba hanaovan’ny olona izany ka hahafaly Azy, satria natao hahasoa ny fitsipiny. Mitoetra hatramin’izao fotoanantsika izao izany fahamarinana izany. Ny baiboly dia miresaka toy izao ao amin’ny 1Jao 3 : 4 « Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. ».

Eto dia milaza mazava ny baiboly fa ny ota = fandikan-dalàna, ny lalàna dia izay teny rehetra milaza sitrapon’Andriamanitra, ary ho antsika dia izay voalazany ao amin’ny baiboly izay efa nampitainy tamin’ny alalan'ny mpaminany. Angamba mety hametram-panontaniana isika manao hoe ; tsy maintsy hitandrina ny lalàna ve izany? Lalàna toy inona no tokony harahina? Ny didy folo sy ny sisa…? Marina loatra izany fanontaniana izany, kanefa alohan’ny hamaliantsika azy dia aleo hijery famaritana iray hafa milaza ny atao hoe ota isika.
Rom 14; 23: Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana
. Eto isika dia mahita indray fa ny misalasala (miahanahana) na ny tsy finoana dia heloka, aryh faritany mazava eto fa izay rehetra avy amin'ny tsy finoana dia fahotàna aokoa. Ny ota izany eto dia = Tsy mino.

1Jao 5; 17: Ota avokoa ny tsy-fahamarinana rehetra.

Manomboka miditra tsikilekily mahafantatra ny atao hoe ota isika eto. Raha hiresaka ny teny voalohany isika hoe; lalàna dia maro angamba no harary sofina ka tsy hety hazava amintsika ny atao hoe ota. Ity andalan-teny farany ity dia milaza marimarina kokoa fa izay rehetra tsy-fahamarinana dia ota avokoa. Tafiditra ao anatin'izany ny lainga, halatra, fitaka.... Ndeha ary ho jerentsika hoe inona no marina na hoe avy aiza ilay marina. Tsy maintsy mametraka izany fanontaniana izany isika satria misy mieritreritra fa izay eritreretiny ihany no marina. Mety tsy ho diso izany kanefa manjary samy tsarain'ny sainy avy ny olona ka lasa samy hanana ny marina ho azy; ka dia inona moa izany no azo hilazàna ny ota amin'izany fa dia samy manana ny famaritany ny ota raha izany. Noho izany dia tsy maintsy miverina amin'ilay Andriamanitra Marina isika. Jao 14; 6: Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mannkany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako. Jesosy no ilay Marina, Izy no môdelin'ny fahamarinana. Noho izany dia izay avy amin'Andriamanitra ihany no ahazahoana ny fahamarinana. Jao 1; 1: Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra 2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. Jao 06; 63: Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
Mazàva ary fa ny Fahamarinana dia azo avy amin'ny Tenin'Andriamanitra, ary ny Teniny dia ny sitrapony ihany. Ny teniny dia lalàna ho an'ny famoronana. (2Pet 3; 7: fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsaràna sy fandringanana ny ratsy fanahy.) Midika izany fa ny zavatra noforonina rehetra dia tazomin'ny lalàn'ny teny izay naloakiny vavan'Andriamanitra.
Isika olom-belona ihany koa dia toy izany ihany, nomena antsika ny sitrapony mba harahintsika, nandrafitra ireo lalàna maro samy hafa Izy hanampiana antsika mialoha ka hahalalantsika ny tokony hataontsika. Rehefa miala amin'izay lalana izay isika dia manota.

Andao hanao jery todika ny nidiran’ny ota tao amin’i Adama isika.

 

Rehefa nitoetra tao amin’ny saha Edena Adama mivady, dia nomena'Andriamanitra azy ireo izay rehetra nilaina rehetra ary tsy nisy nahaory azy. Namepetra azy ireo anefa Andriamanitra mba tsy hihinana ny hazo teo afovoan’ny saha. Nisy antony io didy io, ary marihina fa tsy isan’ny didy folo io didy io fa saingy sitrapon'Andriamanitra; “Matetika mantsy isika dia mihevitra fa ny didy folo ihany no sitrapon’Andriamanitra”. Nandika io didy io anefa izy mivady ary voalaza fa fahotàna io nataony io.

 Manaraka izany I Abrahama izay atao hoe raintsika amin’ny finoana, fony tsy mbola nisy ny didy folo sy ny didy maro samy hafa izay mampahafantatra ny atao hoe ota (Rom 3: 20) tsy nahafantatra sitrapon’Andriamanitra afa-tsy izay nolazaina azy izy tamin’izany. Izay rehetra nangatahin’Andriamanitra taminy anefa dia nataony avokoa. Hatramin’ny fialàny tamin’ny tanin’ny rainy, nisarahany tamin’ny fianankaviany, ny famoràna izay fanekena nataon’Andriamanitra taminy dia notanterahiny avokoa, eny fa na dia ny zanany aza dia tsy narovany ho an’Andriamanitra hahatanteraka ny sitrapony. Tsy nanohitra ary tsy nandika izay rehetra notadiavin’Andriamanitra taminy izy, ary làlana narahiny io no nahatonga azy handray ny teny fikasàna ho rain’ny mino, satria sady nino izy no nankato. Tsy nanana fisalasalàna Abrahama tamin'izay rehetra nampanaovin'Andriamanitra sy notakiana taminy, tsy niroaroa saina izy ny amin'ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra fa nahatoky hatramin'ny farany.

Ny tsy finoana na ny fisalasalana ny tenin’Andriamanitra ihany koa dia voasokajy ao anatin’ny fahotàna (ota). Misy ny olona mitandrina tsara izay rehetra voalaza kanefa tsy manana finoana dia tonga mpanota ihany izy. I Abrahama dia sady nino no nankatoa an’Andriamanitra, izay no mahafeno ny maha-rain’ny mino azy, satria ny finoana dia mitaky ihany koa fankatoavana. Ny fisalasalana sy ny tsy finoana dia iray ihany ao amin’Andriamanitra, miahanahana sy ny osa ihany koa dia mitovy ihany satria matoa ilay olona miahanahana dia tsy matoky izy fa tena marina izay voalaza, na mijery ny heriny kely izy ka tsy manana fahasahiana hanatanteraka ilay izy, teraka ao anatiny ny fisalasalana ka tonga ota ho azy izany.

Fahotana ihany koa ny fandehanana araka ny asan’ny nofo, rehefa resin’ny filàna ny olona iray ka tsy afaka ny hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra (Gal 5: 16). Milàza toy izao ny baiboly “Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro,”(2Tim 3: 6). Voalaza eto fa vesaran’ny fahotàna ilay izy, satria entin’ny filàna maro, tsy mahatohitra ny filàna fa manaraka izay rehetra tadiavin'ny nofoy. Ny olona iray dia mety mpino sy mpivavaka tokoa, kanefa tsy afaka miaraka mandeha ny nofo sy ny fanahy, fa ny fanahy tsy dia mifandray amin’ny Fanahin’Andriamanitra ary Fanahy izay mifandray amin'ny fanahintsika no mampita izay rehetra tian’Andriamanitra hataontsika sy ho tanterahintsika. Ny nofo anefa dia manohitra an’io Fanahy io, ka raha tsy voafehinao izany, dia tsy maintsy ho tonga handà io Fanahy io ianao ka hanota.

Ny tsy fihainoana ny Tompo ihany koa dia ota, manamarika toy izao ny tenin’Andriamanitra rehefa nananatra ny zanak’Isiraely: “Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny fahotanareo.” (Lev 26: 21) Ny manohitra dia efa hitantsika teo ambony, ny tsy fihainoana koa dia voalaza eto fa ota. Misy ny olona izay tsy mety mihaino ny feon’ny Tompo satria tsy tiany homelohana amin’ny zavatra ataony izy; ota anefa izany.

Mety misy araka izany ny olona hifa fa manao ny tsara nefa tsy mpino, sarotra ny milaza fa tsy manota ilay olona. Tsy maintsy alahatra manoloana ny tenin'Andriamanitra araka izany ny zavatra rehetra matoa hazonin'ny teny ho amin'ny fitsaràna. Noho izany dia finiavany manokana ny manao ny marina sy ny hitsiny fa tsy midika fa tsy manota izy.

Mety manana faniriana  tsara koa ny olona iray eo amin’ny sehatry ny fanarahana an’Andriamanitra, kanefa tsy mety hiàla amin’ny ota izy. Misy ny olona te handray hosotra na fanomezam-pahasoavana manokana avy amin’Andriamanitra kanefa ny tenany aza tsy mahafoy ny ota. Misy tantara mitovy amin’izany indrindra ato amin’ny baiboly, nisy mpanao ody iray tao an-tanàna, raha nahita ny mpianatra nandroaka devoly izy io dia nieritreritra ny mba te ho toy ny mpianatra. Nangataka hosotra tamin’ireo mpianatra izy ary nitondra vola mba hahazoany izany, kanefa dia nolavina, hoy ny navalin’izy ireo: “Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra. Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao.”(Asa 8: 21, 22). Mahita isika eto fa nasaina nibebaka io lehilahy io nohon’ny tsy fahitsian’ny fony, voamarina fa nanota izy. Tsy afaka ny hividy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra isika, fa raha mikasa izany isika dia ota izany.

 

Misy vokany ireny fahotàna ireny, voalohany amin’izany dia ny fahafatesana; “Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.Rom 6;23”  Ny fahotàna dia mamono ny fiainam-panahy, mamono ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Tahaka an’I Adama izay nanota dia tonga tafasaraka amin’Andriamanitra ary tonga ireo karazana fahafatesana maro samy hafa(Ezek 18: 4). Isan’izany ny fahafatesan’ny saha Edena ho azy, naniry tsilo sy hery ny tany ka tsy maintsy nitsemboka vao afaka nahazo fiainana. Eo ihany koa ny fahafatesan'ny nofo., iny ilay alevina miverina ho amin'ny vovoka nanalàna azy. Misy  koa ilay fahafatesana faharoa izay miandry ny olona maty fanahy(Apok 2: 11) (Apok 22: 15).

Ny baiboly dia manambara fa misy ny ota tsy nahy, ary misy ny ota sahisahy (Nom 15: 29, 30) misy koa ny ota mitambesatra sy ny ota malaky mahazo (Heb 12: 1) misy koa ny atao hoe ota tsy fantatra (Sal 19; 12)

Hoy Jesosy: “Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ny voalohany (1Jao 3: 8 ) hoy koa ny Tompo: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota(Jao 8: 34) mahatonga ny olona iray tsy ho zanak’Andriamanitra ny ota, ary andevo ny fahitany azy. Ireo karazana ota maro samy hafa ireo dia tsara ho fantantsika fa mila ialàna avokoa ka mila ibebahana amin’ny Tompo.

Ianarantsika amin’ny manaraka ny amin’ireo ota tsy fantatra sy ny karazany maro ireo fa ny fitaoman’ny Tompo ny olona mpanota kosa dia milaza manao hoe: “Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,”(Asa 3: 19, 20) ny fibebahana amin’ny ota no ahatongavan’ny tena fanatrehan’Andriamanitra eo amin’ny olona iray ka hanjakan’I Kristy ao anatiny.

 

Raha misy ny fanontaniana tianao hapetraka mikasika ity lesona ity dia aza misalasala mandefa mail aty aminay ary ho valiana araka ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo anay izany.

1nissipraise@gmail.com

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement