Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Very ilay Fahatsarana

Tamin'ny lesona voalohany isika dia nahita ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny zavatra noforoniny. Marina ny voalazan'ny soratra masina ny amin'izany ary manaporofo izany koa ny fahitantsika ny tontolo iainantsika izay mahavariana ny manam-pahaizana hatramin'izao. Na dia misy ihany aza ireo izay misalasala ny amin'Andriamanitra, ka milaza fa tsy noforonina ny zavatra rehetra fa hoe mety niainga tamin-javatra hafa na koa mety hoe tongatonga ho azy. Ireny olona ireny anefa dia voafetra ihany ny fahaizany mandalina na ny tsi-finoany fa tsy maintsy hametram-panontaniana hatrany izy ny amintsy tsy fahafahampo amin'ny valinteny izay tsy mazava azon'izy ireny ka hametraka fisalasalana sy tsy maintsy hiaiky fa misy zavatra tsy takatry ny saina ity tontolo misy ity. Na izany aza anefa dia tsy mitsahatra ny variana mandrakariva ireo mpikaroka ny amin'ny zava-baovao izay tsy mbola  fahita ka latsa-bava sy miaiky fa misy Andriamanitra. Na ireo izay mpandinika ny zavatra eny ambony tsy taka-maso eny aza ka mampifandray ny lalàm-piainana sy ny zavatra eny ambony dia miaiky fa misy mpandahatra ny zavatra rehetra. Midika izany fa lehibe sy mahatahotra Ilay Andriamanitra izay tompoiko sy tompoinao.
          Rehefa hitan'ny anjely sasany ary izany voninahitra lehibe izay nananan'Andriamanitra izany, dia nanomboka nihevitra tao am-pony izy fa azo ivadihana Andriamanitra. Nanonmboka nialona tam-pony izy ka nitsiry tao aminy ny avonavona. Nahoana hoy izy no Ilay Andriamanitra irery no hahazo izany voninahitra lehibe izany? Nahoana hoy izy no tsy maintsy omena voninahitra Ilay Mpahary?
          Nanomboka teo dia nikomy tamin'Andriamanitra ilay lehiben'ny antokon'anjely iray antsoina hoe losifera, raha adika io anarana io dia hoe"anjelin'ny fahazavana". Io anjely io no mpitarika ny fiderana sy ny fanandratana an'Andriamanitra hatramin'ny voalohany nanamboaran'Andriamanitra azy ka voafidy ho azy ny ampahatelon'ny anjely (1/3) hanao asa fanompoana ho amin'ny fiderana.
 
          Rehefa nahazo ny ampahatelon'ny anjely ary izy dia nikasa ny hanohitra ilay Ambony indrindra ka nilaza tamin'ireo anjeliny ireo hoe "izaho koa mba andriamanitra" (Ezekiela 28;2). Hatreo dia nitaona(nivarotra) ireo anjely maro tao an-danitra izy mba hanaraka azy. Nanaraka azy tokoa ny anjely sasany ka nandeha nanohitra sy niady tamin'Andriamanitra izy ireo. (Ezek 28; 14...)

          Koa satria nikasa ny hiady tamin’Andriamanitra Tsitoha ireo devoly, mba hahazoany hametraka tsara ny fanjakany sy ny fahefany dia nanangona ireo anjely naira-dia taminy izy ireo mba hanohitra Ilay manana ny Fahefana lehibe indrindra dia Andriamanitra izany, kanefa dia tsy naharesy (Apok 12;7,8); Vokatr’izany, rehefa hita fa tsy naharesy ireo devoly sady tsy nisy toerana tokony ho azy ireo  intsony dia nazeran’Andriamanitra tsy honina ao amin’ny lanitra intsony izy ireo fa nalefany tety ambonin’ny tany. Manambara anefa ny baiboly fa rehefa nazera tety an-tany ireo devoly sy ny anjeliny dia hiteraka loza ho an’ny tany izany (Apok 12:12b) satria tsy nahatohitra tamin’ny ady izy ireo ka tezitra mafy ka ny hanapotika ilay fahatsaran’Andriamanitra sy ireo zavatra nohariany tamin’ny fahatsarana.

Ny baiboly dia mila manao hoe: Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana (Jao 10:10°). Midika izany fa ny devoly dia ho avy handringana, hangalatra, hamono, ary izany indrindra no asa nataony voalohany fony izy nahita ny olom-belona voalohany teto an-tany.

          Rehefa nampiasa ny menarana iray ny devoly mba entiny handravana ilay fahatsarana nisy, dia nilaza lainga tahaka ny efa nataony tany an-danitra ihany. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha? (Gen 3: 1) dia hitantsika manaraka izany fa roboka tamin’ny lainga izay nafafin’ny devoly ravehivavy ka tafiditra tao  ilay ota. Inona no naha-roboka azy? Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo; fa fantatr'Andriamanitra fa na amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy. (Gen 3: 4,5). Voalazany eto fa ho tahaka an’Andriamanitra aloha ilay olona, izany hoe ilay fikasany hitovy tamin’Andriamanitra dia nentiny nandresy lahatra ny olona mba haharoboka azy. Ny faharoa dia ny filazany fa hoe “hahalala ny tsara sy ny ratsy”: teto dia fikasan’ilay devoly ny hanokatra ny mason’ny olona mba hahita faharatsiana, kanefa dia hitantsika fa izay rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa, na Izy Andriamanitra aza dia afa-po tanteraka tamin’ireo asa izay nataony ka nidera ireo hoe tsara indrindra izany.

 

          Nanomboka teo, dia nahatonga ilay loza ny devoly. Nahatonga ozona maro samy hafa tamin’ny tany sy ny olom-belona Andriamanitra satria tafaray lalana tamin’ny devoly izy ireo. Io fahotana nataon’i Adama sy Eva io dia nahatratra ny olona rehetra satria ilay endrik’Andriamanitra tao amin’ireo olom-belona voalohany dia very tahaka ny nahaverezany tamin’ireo devoly. Porofon’izany, rehefa niteraka ny zanany ireo mpivady voalohany dia tsy niteraka araka ny endrik’Andriamanitra fa niteraka tahaka ny tarehiny (Gen 5: 1-3). Very tanteraka ilay endrik’Andriamanitra na teo amin’ny tany sy izay rehetra teo aminy zany, na ireo olona natao hanjaka teo aminy.

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement