Mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana
fanahy sy ny fahamarinana
Jaona 4 : 23 Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora]
24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
Teny izay tsy zoviana amin’ny mpino kristiana rehetra ity teny ity. Nino ihany koa ny mpandinika baiboly sy ny mpitondra fivavahana maro fa nitondra fampivoarana lehibe na fiovana lehibe teo amin’ny tontolon’ny fivavahana ity teny izay nolazain’i Jesosy ity. Satria tokoa mantsy dia voafaritra ho tao Jerosalema ihany ny toerana voatokana hanaovana fanopoam-pivavahana izay efa nohamasinin’i Jehovah rahateo ho an’ny Zanak’Isiraely sy ny Jiosy fony ireo firenena ireo nitambatra. Tetsy an-kilany kosa dia nino indray ireo zanak’Isiraely izay nanana an’i Samaria ho renivohiny taty aoriana fa teo amin’io tendrombohitra nisy ilay fatsakana io izay nisy ny fitoerana avo no nanaovana fanompoam-pivavahana (ho an’Andriamanitra sy ho an’ny fivavahana hafa) izay natokan’i Jeroboama mpanjakany, mba tsy hiverenan’ireto farany hankany Jerosalema araka ny lalàna(1Mpanj 12 : 28). Samy nihazona ny fironany ireo firenena roa mpirahalahy tafasaraka ireo. Tafaresaka tamin’ilay vehivavy samaritana Jesosy, rehefa nino ilay vehivavy fa Izy no ilay Mesia na Iraka (Mashiah) izay nandrasana hatrizay dia nametraka fanontaniana tena lalina taminy ravehivavy mikasika ny tena fomba na ny toerana fivavahana marina.
Namaly toy izao Jesosy ; (Jao : 21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray.) Izany hoe, rehefa tonga ilay andro, andro inona io ? “hanehoana ny tenan’ny zavatra rehetra dia Jesosy izany” (kol 2: 17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.). Koa hoy Jesosy; (Jao 4: 22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena.) Ny fomba hafa izay ivelan’ilay aloka izany dia tsy afaka ny hahazo sehatra mihintsy satria fivavahana amin’ny fomba tsy fantatra. Voalaza teto fa ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; izany hoe ny fivavahana izay tsy fantam-pototra izany na ivelan’ilay fivavahan’ny jiosy, voaaro sampy, na sampy mihintsy, tsy madio dia midika fa làlana tsy ahazahoana famonjena. Avy amin’ny Jiosy ny famonjena satria io fivavahana narahan’ny Jiosy io no manambara an’i Jesosy hatrany am-boalohany mandram-pahatanteraka ny famonjena.
Nanamarika toy izao indray anefa Jesosy; (Jao4: 23 Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora]). Na dia teo aza izany ny lala-marina izay narahan’ny Jiosy izany, sy ny lalan-diso izay narahan’ireo rahalahiny, dia nambaran’i Jesosy fa Andriamanitra dia mitady olona hivavaka aminy tsy miantehitra amin’ny alalan’ny fomba amam-panao ivelany na ny toerana, fa olona hivavaka aminy amin’ny fanahy sy ny fahamarinana no tadiaviny.
(Jao4: 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana). Koa satria Andriamanitra dia Fanahy fa tsy nofo, dia ny fanahintsika no tiany hivavaka aminy amin’ny fahamarinana. Izany hoe tsy ny zavatra hita ety ivelany no afaka ilazàna fa tena mpivavaka marina amin’Andriamanitra ny olona iray, fa ny fanahiny ao anatiny ao, izay tsy misy mpahalala afa-tsy izy tenany ihany. Io ilay lazain’i Romana 8: 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika). Tadidio fa (1Kor 15: 50 Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana). Noho izany dia tsy ny nofo no ilaina hitarika antsika hivavaka amin’Andriamanitra fa ny fanahy izay maha-isika antsika.
Inona moa no atao hoe fanahy;
Andao ary aloha hojerentsika izay tena mandrafitra ity tenan’olombelona ity. Mizara telo mazava tsara ny olona izay noforonin’Andriamanitra. Manamarika toy izao ny teny izay nolazain’i Paoly (1 Tes 5: 23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.) Izany hoe isika izany dia nomen’Andriamanitra fanahy, aina ary tena.
Ny tena dia ilay nofo sy taolana hita maso, ilay solontenan’(mi-représenter) ny fisiantsika eto ambonin’ny tany mba ahafahana mifandray amin’ny zava-boahary sy ny olona, mba hiaina amin’ny alalan’ny maha isika antsika araka ny fanahintsika. Io ilay niainga avy tamin’ny vovon-tany ary miverina ho vovon-tany rehefa maty(Gen 3; 19 Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray ianao.)
Ny fanahy dia ilay isika ao anaty, ilay mamaritra ny maha-isika antsika, ilay toetrantsika (caractère) satria ilay tena isika dia ilay toetra maha-isika antsika, ny fihetseham-po sy ny fisainana, io ilay hoe ny fanahy no maha-olona. Eo amin’io ihany koa no ameloman’Andriamanitra ny fifandraisany amin’ny olom-belona mba hananany fitahàfana amin’ny toetrany na ny endriny. Io ilay endrik’Andriamanitra nomena antsika tany am-piandohana. Hoy ny baiboly: (Gen 1: 26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; …. 27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy). Andriamanitra dia Fanahy, ary io Fanahy io ilay endrika (olona) nataony voalohany ho olona(Joba 38: 4 Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao), nofonosina tao anatin’ny vovon-tany izay voavolavola izy avy eo, ary nentin’ny Fofonain’Andriamanitra hitambatra amin’ilay nofo(tena). (Gen 2: 7 Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy). (Joba 33: 4 Ny Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona ahy.) Ny fanahy dia velomin’ny aina ihany koa, ka na tafasaraka amin’ny nofo aza ny fanahy dia mbola velona ihany. Ka amin’ny fotoana ahafatesana dia miala ny tena ny aina sy ny fanahy. Mbola manana ireo 5 sense araka izany ny fanahy aorian’ny fahafatesana ka afaka ny hahare fahasambarana na fanaintainana amin’ny tontolon’ny fanahy. (Joba 34: 13 Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao? 14 Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy, 15 Dia hiala avokoa ny ain'ny nofo rehetra, ary hiverina amin'ny vovoka ny olona.)
Amin’ny malagasy dia mifangaro ny atao hoe fanahy: aina, toetra, matoatoa, fanahy maha-olona(esprit). Ny olona tsara toetra dia voafaritra fa hoe tsara fanahy, manamarina ny maha fanahy ny toetra araka izany izy io. Ny toetra tsara tsy afaka ny ho lazaina mihintsy fa hoe tsara matoatoa ny olona iray. Ny matoatoa araka izany dia fanahy hafa mihintsy, tsy ilay toetra na ilay fanahin’ilay olona fa devoly.(Mpit 9: 5 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. 6 Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao atỳ ambanin'ny masoandro izy). Ny maty araka izany dia tsy afaka ny hifandray amin’ny velona intsony ary tsy afaka ny hampatahotra ny velona. (Apok 14: 13 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy) Ny hoe asany manaraka azy, dia ilay toetra sy ny asa vitany araka ny toetra nananany tety ambonin’ny tany.
Ny aina no mampifandray ny tena sy ny fanahy. Voalazan’ny baiboly fa ao amin’ny rà no misy ny aina (Lev17: 11 Fa ny ain'ny nofo dia amin'ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin'ny alitara hanao fanavotana ho an'ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany). Ny rà anefa dia tsiraonoka mitondra sela fotsiny ihany, izay hamelomana ny aina (âme) ao anatin’ny tena. Izany hoe ny rà dia misahana ( mitondra) zavatra roa sosona, dia ny tsiranoka ilain’ny nofo hahavelomany, ary aina hitoeran’ny fanahy. Tadidio tsara fa ao anatin’ny aina no miasa ny retsika 5 na ny 5 senses. Ny aina araka izany no ahatsapantsika fa: noana, maharary, reraka, matahotra, taitra, tsiron-javatra, mahita, maheno, mahatsapa sns ... Ny vatana tsy misy aina araka izany dia tsy afaka ny haharé ireo tranga ireo velively, ary tafasaraka amin’ilay vatana ihany koa ny fanahy, dia ilay tena isika tsy mety maty.
(Sal 139: 15 Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin'ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin'ny tany.16 Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin'ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.)
Inona no mahasamy hafa ny biby sy ny olona ?
Ny baiboly dia milaza ihany koa hoe (Gen 2: 19 Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra) (Gen 2:19 Et l'Éternel Dieu forma de la terre tous les animaux des champs et tous les oiseaux des cieux). Ny itovizan’ny biby sy ny olona dia ny fananana nofo sy rà ary fanahy, samy manana ireo retsika dimy (5 sens) ahafahana mahafantatra zavatra maro. Samy nomena fofon’aina izany izy ireo. Mety ho gaga angamba isika hoe angaha nomena fanahy ny biby ? Ny baiboly no milaza izany (Mpit 3: 21 Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia*? [Na: Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona izay miakatra any ambony, na ny fanahin'ny biby izay midina amin'ny tany?]) Ny maha samy hafa azy ireo kosa indray dia ilay fanahy nomen’Andriamanitra ny tsirairay, ny biby dia tsy niainga avy tamin’ny endrik’Andriarmanitra toy ny olona, fa ny olona kosa dia fanahy aloha vao tonga olom-belona. Ny hita eto izany dia efa fantatra ny tsy fitovian’ny lalana halehan’ny olona sy ny biby rehefa aorian’ny fahafatesana. (2Pet 2: 12 Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan'aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin'ny fahalotoany). Ny fanahy dia ilay hanànana fahavelomana eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fifandraisana aminy.
Andriamanitra dia Fanahy, ary izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka aminy amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. Andriamanitra dia mitady antsika hivavaka amin’ny amin’ny maha-fanahy (esprit + caractère[toetra]) antsika. Izany hoe ilay mamaritra ny maha isika antsika mihintsy no tiany hivavaka aminy. Ny nofo dia itovizana amin’ny rehetra, saingy rehefa hoe olona dia misy fanatrehana (présence) hafa eo fa tsy ny nofo fotsiny. Tsy milaza ny amin’ny Fanahy masina ny baiboly fa milaza ny fanahy kely (f) izany hoe ny fanahin’ny olona. Tena miankohoka aminy ve ny toetrantsika, tena efa niova toetra tokoa ve isika. Tena efa nateraky ny Fanahin’Andriamanitra tokoa ve isika ka niverina naka ilay endrik’Andriamanitra tamin’ny voalohany (Kol 3: 9 Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra* taloha mbamin'ny asany; [* Gr. olona] 10 ary efa notafinareo ny toetra* vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy. [* Gr. olona]). Mbola mandeha araka ny nofo ve isika ? Mila miverina tanteraka amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanahintsika (esprit) izay hamaritra ny toetrantsika(caractère), mba hahavelomantsika araka ny sitrapony, ka hilazana antsika fa tena zanak’Andriamanitra tokoa isika (Rom 8: 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika). Koa raha mivavaka isika dia aoka hanolotra ny nofontsika hohomboana eo amin’ny hazo fijaliana (Gal524 Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana). Fa hoy ny baiboly: (Rom 13: 14 Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany). (Gal 6: 8 Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy). (Matio 6: 31 Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? 32 Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. 33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. 34 Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy).(Liok 12: 21 Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra. 22 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanareo, izay hotafinareo. 23 Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana).(Mat 6: 20 Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra. 21 Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao). Ka raha hivavaka isika dia tsy hivavaka mba hanankarena ara-nofo fa hanankarena ao amin’ny fanahy satria ny harena amin’ny nofo dia tsy afaka ny hanaraka ny fanahintsika fa hijanona ho ety ambonin’ny tany, fa ny toetra kosa izay nampiasaintsika ho amin’ny fahatsaràna dia ilazan’ny baiboly hoe : “Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy”. Koa raha hitsara antsika Andriamanitra, dia hitsara ilay fanahintsika araka ny toetrantsika Izy.
Hitantsika amin’ireo andinin-teny ireo, fa tsy ilay olona amin’ny maha-nofo antsika no ilain’Andriamanitra antsika. Fa ny hetahetan’Andriamanitra dia ilay fanahy mba ho tonga mpivavaka sy mpiankohoka aminy. Tsy tena zava-dehibe amin’Andriamanitra araka izany ny hangatahantsika aminy zavatra ara-nofo ... fa manaraka ho azy ireny rehefa tafaray tanteraka aminy ny fanahintsika (3Jao 1: 2 Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany). Ny harena dia mamatotra ny olona, ary mampisaraka ny olona amin’Andriamanitra raha tsy tena mpivavaka ilay olona. Ny olona tena mpivavaka kosa izay tena mikatsaka ny zavam-panahy, tena mivavaka amin’ny fanahy, dia tahian’Andriamanitra na dia tsy mangataka fitahiana aminy aza. (1Mpanj 3: 9 Koa omeo ahy mpanomponao saina malady*(zava-panahy) ho entiko mitsara (toetra) ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy (fahendrem-panahy); fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao? [Heb. fo mihaino] 10 Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan'i Solomona izany zavatra izany; 11 ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain'ny fahavalonao, fa fahaizana (fahaizana = tsy zavatry ny nofo) hitsara no nangatahinao, 12 dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry (fahendrena = fanahy) sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao. 13 Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy* mpanjaka tahaka anao amin'ny andronao rehetra.[Na: nisy]).
Ry malala, andao isika tena hitady izay hankasitrahana, atsaharo ny fitadiavana ny zavatry ny nofo mety hitarika ho amin’ny filàna maro samy hafa, fa andao ho vonona hanova ny toetrantsika eo anatrehany. Ho entintsika miankohoka aminy ny toetra-ratsintsika mba havaozina ho toetra tsara, ka hanana ny Fanahiny isika mba tsy handehanantsika araka ny nofo (ota) intsony (Rom 8: 14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra). Izany no fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra ankehitriny. Tsy fombafomba, tsy zavatra mirentirenty ety ivelany, tsy amin’ny nofo fa amin’ny fanahy. Ny hoe amin’ny fanahy sy ny fahamarinana dia mamaritra ny toetrantsika marina tsy mihatsaravelatsihy manantona Azy, fa izay tena isika marina mihintsy no ilainy ho vonona hivavaka sy hiankohoka aminy. Afaka mandray fahamarinana avy amin’ny teniny isika mba hahamasina antsika, satria tsy maintsy mivavaka aminy amin’ny fanahy sy ny fahamarinana isika (Jao 17: 17 Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana). Noho izany dia tsy afa-misaraka amin’ny baiboly isika mba ahazahoantsika ny tena fahamarinana. Tsy fahendrena avy amin’izao tontolo izao, fa ny Fanahin’ny fahamarinana izay efa nomena antsika ato anatin’ny teniny.
Mino izahay fa nanampy betsaka anao ity andinin-tsoratra ity. Nentina mba hanazavàna zavatra maro avy amin’ny baiboly izy ity, na dia loha-hevitra iray ihany aza no tena nasongadina. Tianay raha mba ho tafita any aminao ny fahamarinana, ka ahatonga anao ho ilay tena mpivavaka andrasan’Andriamanitra.
Aza adino ny manao inscription ao amin’ny takelaka NEWSLETTER mba ahazoana vaovao avy aty aminay.
Samia mitombo amin’ny fahasoavana