Mihaino an'Andriamanitra
Ahoana no fihainoana ny feon’Andriamanitra ?
Fantatsika fa rehefa tonga ny fitaoman’ny Ray ny olona iray araka ny voasoratra hoe « Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy »( Jaona 6: 44). Araka izany ny olona dia tsy afaka ary tsy mahay manantona an’Andriamanitra raha tsy efa notaominy na nokasihiny mialoha. Manana ny fotoanany Andriamanitra hitaomana ny olona tsirairay, tsy voatery hiaraka izany, ary hitantsika fa misy olona izay tsy mbola notaomin’Andriamanitra kanefa manantona Azy fa tsy mety ho tonga amin’ny tena fibebahana mihintsy ilay olona, izany hoe manaraka Azy amin’ny fombafomba fotsiny na koa mety misy antony hafa manosika azy ho tonga any am-piangonana toy ny hoe mitady vady na manaraka ny namany, ao koa ireo mitsapatsapa sy ny maro samy hafa. Tsy mety tena mangetaheta an’Andriamanitra ilay olona satria « tsy misy olona mahay manantona Azy raha tsy notaomin’ny Ray», ka noho izany dia tsy mahagaga raha tsy tong aloha-laharana ho an’ny olona ny manantona an’Andriamanitra, ary tsy mahagaga ihany koa raha misy ny olona tena hoe tafiditra lalina amin’ny fanarahana an’i Jesosy ka tena manolon-tena fatratra ho amin’ny asa fanompoana satria nandray ny kasiky ny Tompo izy.
Nilaza ny maha mpiandry tsara Azy Jesosy indray andro, hoy ny nolazainy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika ny fefy dia pangalatra sy jiolahy. Fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ondry. Ary izy no vohan'ny mpiandry vavahady, ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin'ny anarany avy ka entiny mivoaka. Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo. Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ny vahiny. Izany fanoharana izany no nolazain'i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy. Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin'ondry. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry. Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. (Jao 10: 1-9).
Ny ondriny dia mihaino ny feony, ary mahalala ny feony ihany koa, izany hoe ny olona izay miditra sy mivoaka eo amin’ilay vavahady dia i Jesosy izany ka mifankazatra aminy amin’ny alalan’ny vavaka dia mahare ny feony. Satria fantatsika fa ny vavaka dia vavahady iray izay hidirantsika sy hivoahantsika mba ifankazarantsika amin’Andriamanitr. Noho izany isika rehefa mivavaka na miresaka amin’Andriamanitra dia tsy hoe isika ihany no miteny fa Izy koa dia miteny amintsika. Raha misy olona iray izao mivavaka ka manontany an’Andriamanitra hoe ; mety ve izao fikasako izao Andriamanitra ô ! mety ve ity…. Tsy avy hatrany akory ka hoe rehefa vita ny vavaka dia hoe eken’Andriamanitra ilay izy dia lasa isika mandeha amin’izay mahamaika antsika. Tokony hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanatrehany ao anatin’ny vavaka satria miresaka amintsika Izy ao anatin’ny fotsiny sy ny fanahintsika ao, na mametraka fandresen-dahatra ao am-pontsika ao. Ka noho izany dia tokony hajanontsika ilay fahazarana mivavaka maimaika ireny, satria isika aza raha miresaka amin’ny olona iray dia omentsika lanjany sy hajany tsara ilay olona ary henointsika izay lazainy, maika fa ny hajan’ilay Raintsika ao an-danitra ve izay mampanantena fiainana mandrakizay ho antsika?
Fantatsika ihany koa fa Andriamanitra dia miteny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, rehefa miteny amintsika fiangonana na amintsika tsirairay (Apok 3: 22), ny Fanahy Masina no miasa voalohany ao anatin’ny olona mba hahaizany manantona an’Andriamanitra araka izay nilazan’I Jesosy Azy hoe “ary raha tonga Izy, dia hampiakiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana” (Jaona 16: . Ireo olona izay resy lahatra eto fa tokony hibebaka, dia tsy asan’ny nofo velively izany fa asan’ny Fanahy Masina madiodio, satria raha tsy niasa Andriamanitra, ahoana no ahaizan’ny olona mibebaka ? ny olona rehetra rahateo dia voalaza fa samy mpanota sy tsy misy marina na dia iray aza (Rom 3: 10) raha tsy efa olom-baovao. Io asan’ny Fanahy Masina io irery ihany no ahafahan’ny olona hanana ny tena fibebahana marina. Inona moa no atao hoe mibebaka ? Ohab 28 : 13 « Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po. » miaiky ka mahafoy izany fahotana izany no atao hoe mibebaka.
Rehefa mibebaka ary ny olona iray ka nanolon-tena ho an’ny Tompo, dia mazava hoazy fa tsy tompon’ny tenany intsony ilay olona fa ny Tompo no ao anatiny, hoy ny baiboly : Ahoana ary, moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo; ka dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo (IKor 6 :19-20) ny Fanahy Masina izany no lasa Manapaka sy Manjaka ao anatin’ilay olona iray. Raha manaiky ny ho tapahiny sy hanjakany ary isika dia tokony hanao izay kasainy sy sitrapony, satria raha tsy izany no izy dia tsy afaka ny hanjaka ao anatintsika ny Tompo. Manamarina izany ny teny izay nosoratan’i Paoly manao hoe tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko (Gal 2: 20)
Manaraka izany, ny Fanahy Masina koa dia mampianatra, fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo (Lio 12: 12). Ny olona iray izay mamela ny Fanahy Masina ho mpampianatra azy ary dia tsy maintsy ahitsiny sy ampianariny amin’ny alalan’ny soratra masina. Tsy maintsy mifandraika amin’ny soratra masina no itenenan’ny Fanahy Masina, satria io no nomena antsika ho fanilon’ny tongontra sy fanazavana ny lalantsika, ary io no efa nomena hitari-dalana antsika. Koa ahoana ary no fomba hampianariny antsika ?
Ny Fanahy Masina dia nolazain’i Jesosy fa mpananatra, ary marina izany, ahoana moa no ahafahany mananatra antsika ?. araka ny voalaza ao amin’ny Jaona14/26 « fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. » miasa Izy, ary amin’ny fotoana tiany hananarana antsika na hitenenany amintsika dia ampatsiahiviny antsika ny soratra masina izay efa novakiantsika na izay efa rentsika, mba hanakanana antsika tsy hiroso amin’ny lalana iray izay tsy tiany halehantsika. Tsy mahagaga ary raha ny olona izay tena tafaray tanteraka amin’Andriamanitra no mahazo sy manana révélation haingana manoloana ny toe-javatra iray, ka rehefa mahatsiaro izany tenin’Andriamanitra izany izy dia afaka ny hanohitra ny fahotana sy ny lalan-diso ary ny fakam-panahy. Noho izany dia tsy tokony hamaly na hisisika hanohitra Azy isika amin’ny zavatra efa nandraràna antsika fa kosa tokony hanaiky Azy hatramin’ny farany. Isika raha misiska manohitra ny Fanahy Masina, dia ho azo antoka fa halehelo Izy, ary mety hanimba ny asan’ny Fanahy ao anatintsika koa.
Ny tsara ho fantatra
Genesisy 1: 1-2 Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.
Raha nahary ny lanitra sy ny tany Andriamanitra dia hitantsika tamin’ny voalohany fa foana sady tsy nisy endrika izany tany izany, hitantsika koa anefa fa nomba teo ny Fanahin’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina ihany koa dia afaka ny homba antsika rehefa manaiky ny hanafoana ny fomba fihevitsika isika, izany hoe ilay fihevitry ny nofo izany, satria lazain’ny baiboly fa ny fihevitry ny nofo dia fandrafiana an’Andriamanitra (Rom 8: 7) ka noho izany dia raha te haheno ny feony isika dia ilaina foanana avokoa ireo fihevitry ny nofo rehetra izay efa napetrakao tao anatin’ny sainao. Fantantsika fa izay rehetra ao amin’ny Tompo dia efa nanombo ny nofony, ny faniriany, ny filany tamin’ny hazo fijaliana, satria ireny rehetra ireny dia tsy mitady ny voninahitr’Andriamanitra fa mitady ny voninahitry ny nofo ka manome vahana ity nofo izay tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra akory (1Kor 15: 50)! maro mantsy ny olona no mikasa zavatra ao am-pony, ary iny zavatra iny no efa mavesatra ao anatiny ka heveriny fa iny no fihevitr’Andriamanitra ny aminy. Marina fa nomena fahendrena isika ahafahana miaina sy mandanjalanja ny fiainana kanefa matetika dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra ny fahendren’olombelona (1Kor 3: 19). Manoloana izany dia tokony hipetraka eo amin’ny toeran’ny tapahina isika fa tsy ny ho mpanapaka ny Tompo. Satria Izy no manjaka sy manapaka ao anatintsika dia tsy maintsy homena vahana Izy. Tadidinao ve ny nahazo an’I Saoly mpanjaka? May ny ainy hiady satria efa akaiky ny fahavalo, raha ny efa fantany anefa dia tsy maintsy manontany an’I Jehovah izy ireo miaraka amin’ny mpaminany na hiady na tsy hiady, na amin’ny fomba ahoana no fiady. Nohon’ny fahatereny dia nandroso ny fanatitra teo anatrehan’Andriamanitra izy na dia tsy tokony ho izy aza no nandoro ilay fanatitra (1Sam 13: 1-13). Nahatonga fahadisoana lehibe tamin’I Saoly io tranga io ary antony izay nandàvan’Andriamanitra azy tsy ho mpanjaka intsony. Noho izany dia tokony hiantombina tsara isika hiandry an’I Jehovah (Sal 37: 7) fa ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany (2Pet 3: 9).
Araka izany, tsy mandeha irery isika fa miaraka amin’Andriamanitra, aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra hoy ny baiboly (Efe 4: 30), ary meteza hankalàza an’Andriamanitra amin’ny tenantsika.
Amen