Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Vaha-olana tokana sady ampy

 

Vahaolana tokana sady ampy

Rehefa potika toy izany ary ilay fahariana voalohany vokatry ny fitaka nataon’ny satàna, dia potika nanaraka izay ihany koa ny olom-belona voalohany satria dia nanjary nihatra taminy ny ozona (Gen 3 ;14… ). Nanjary lasa niha-sarotra ny fivelomana sy ny fiainana, nanjary nihatra ny havizanana sy ny aretina, lasa niha-antintra sy nety maty ilay olona namboarin’Andriamanitra mba ho velona mandrakizay. Ary na ireo biby sy zava-manan’aina rehetra, ny zava-maniry sy ny rivotra iainantsika aza dia voaozona avokoa. Manaporofo  izany ny (Rom 8 ;19-22).  

Nanomboka teo dia nandova ozona ny zanak’olombelona rehetra, hatramin’i Adama zany ka hatrany amin’ny taranany nandimby azy. Manambara toy izao ny Rom 5 ;12 : koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria efa samy nanota izy rehetra. Io soratra masina io no manambara fa tsy misy olona nateraka ka tsy manan-tsiny, fa samy notorotoroina tamin’ny ota avokoa ny olona rehetra, ary tamin’ny heloka no niterahana antsika (Sal 51;5).
Olona maro no mihevitra fa ny zazakely dia tsy manan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra, mety ho marina ihany izany raha jerena amin’ny mason’ny nofo, kanefa dia samy mpanota ihany na ny zazakely tsy mahay manota na ireo olon-dehibe misaina, ireo dia mitovy eo anatrehan’Andriamanitra. Manaporofo izany ny didin’Andriamanitra ao anatin’ny didy folo manao hoe : « Izaho Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatrami’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy (Eks 20 ; 5).

 

Inona moa no heloky ny zanaka raha nanota ny ray aman-dreniny ? mazava ho azy fa ilay ota (ozona) tao amin’ny rainy no nifindra tao amin’ny zanany ka dia iharan’ny fahatezeran’Andriamanitra koa izy ireo. Raha nasaina namely ny amalekita ny miaramilan’I Saoly mpanjaka dia nasaina naringany avokoa na lahy na vavy na biby fiomby na inona na inona mbamin’ny zaza minono (1Sam 15;3). Mazava fa matoa nasain’Andriamanitra naringana hatramin’ny zaza minono dia mpanota hatramin’izy ireo. Nahoana tokoa moa no tonga ho azy ao anatin’ny zaza iray ny fijejojejoana, ny fitiavan-tena, ny tahotra ......? Satria efa nandova ilay ozona avy amin’ny ota ny zanak’olombelona. 

Tsy nijanona teo anefa ny tantara, fa nanana ny planina (plan) izay efa mati-paika Andriamanitra hatramin’izay, ka raha nihevitra ny devoly fa tonga tamin’ny tanjona izay nokasainy, dia teo indrindra no nanozonan’Andriamanitra azy ny amin’ny hifandrafesann’ny taranaky ny vehivavy sy ny taranany(Gen 3;12-14). Voalàza tamin’izany fa ny taranaky ny vehivavy dia hanitsaka ny lohan’ny menarana(devoly[Apok 12;19]) ary tsy iza io taranaky ny vehivavy io fa Jesosy Kristy, ilay nolazain’ny baiboly fa hoe Lehilahy hita fa marina tamin’ny lehilahy rehetra [arivo] (Mpit 8;28)

 

Nandritra ny fotoana maro, izany hoe nanomboka tany amin’i Adama dia nanome sary iray vaovao ny amin’ny ahafahan’ny olona mandositra io ozona io Andriamanitra. Tamin’ny voalohany dia naka hoditra avy amin’ny biby Izy hanaronany ny fahotan’ny olom-belona, ary nanomboka teo dia tsy maintsy ho tami’ny alalan’ny biby alatsa-drà no nentina nanarona ny fahotana mba hibebahana. Hitantsika ao amin’ny boky rehetra nosoratan’i Mosesy ny lalàna maro isan-karazany ny amin’ny fanatitra alatsa-drà atao mba ho famelan-keloka izay fanekena ifanaovan’Andriamanitra sy ny olony. Ny olana anefa dia ity, ilay ozona izay nipetraka tany am-boalohany dia mbola nahatratra ny olona ihany na dia teo aza ny fanatitra nisy rà latsaka. Manamarika toy izao ny Salamo 32 manao hoe : « Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany » izany hoe ilay fahotana dia tao amin’ny olona ihany, saingy nosaronana sy navelan’Andriamanitra ilay izy. Io fanatitra (ondry….) io mantsy no nampiharan’Andriamanitra ny hatezerany noho ny fahotan’ny olona iray : raha manota ny olona iray dia misy fahatezeran’Andriamanitra mirehitra aminy (ozona) koa satria ny fahafatesana no tambin’ny ota (Rom 6 ;23) dia nanolotra vaha-olana ho an’ny vahoakany Izy ny amin’ny hanaterany fanatitra ho solon’ny ainy. Io no lasa nisolo vaika azy. Alohan’ny hamonoana ilay biby anefa dia tsy maintsy mametraka ny tanany eo ambony lohan’ilay biby ny mpisorona mba hamindrana ilay fahotan’ilay olona mankamin’ilay biby (Lev 4 ;13-15) ka dia ilay biby no hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra(fahafatesana) fa ilay olona kosa dia voavela ny helony ka velona. 

 

Toy izany hatrany ny lalàna izay nomen’Andriamanitra ny zanak’Isiraely hatramizay. Nahitany tsininy anefa izany fanekena izany ka nahatonga Azy hanavao ilay fanekena. Satria toa tafatoetra ao anatin’ny ota hatrany ny zanak’olombelona na dia efa teo aza ny zanak’ondry tsy misy kilema izay nisolo ny ainy. Fa nahoana no tsy nanafaka ny olona ny fanatitra alatsa-drà ? isika dia mahalala fa efa voaozona avokoa na ny biby na ny olona, ho an’Andriamanitra rehefa avy amin’ny tany dia avy amin’ny tany ( Jaona 3;31), ka na dia tsy misy kilema teo amin’ny nofo aza ilay biby dia tsy tanteraka eo anatrehan’Andriamanitra ilay izy satria efa niharan’ny ozona toy ny zava-manan’aina rehetra ihany izy ireny. Fitiavana anefa Andriamanitra ka tsy navelany tstamin'izao ny famonjena ny olom-belona fa efa nanomana ilay tena famonjena lehibe izy. 

 

Hoy ny Jao 3 ; 16 Fa  toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao; nomeny ny Zanani-lahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay. Tian’Andriamanitra ny olona rehetra, ary tsy ho amin’ny fikasana fandravàna akory no antony nisian’ny fiainana. Na dia teo aza ireo fahotana fototra izay lasa tandra vadin-koditra tamin-dra-olom-belona dia nanome ny zanany kosa Izy ho làlana hivoahana amin’izany toerana izany. Hoy ny fanambarana nataon’i Jaona mpanao batisa “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jao 1; 29). Tsy manarona ny fahotana, fa manaisotra tanteraka ny fahotan’izao tontolo izao. 

 

Nahoana moa no lazaina fa Jesosy no vaha-olana tokana sady ampy ? tena marina izany, milaza toy izao ny 1Tim 2;5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona. Notsindriany tsara ny hoe « Izay olona » izany hoe nofo aman-drà tanteraka Izy tamin’ny fotoana namitany ny famonjena.

 

Natao hoe tokana satria io Zanaka lahitokan’Andriamanitra io no namoronana ny zavatra rehetra, ka isan’izany ny olona, ary izany indrindra no nisehoany dia ny mba handrava ny asan’ny devoly rehetra (1Jao 3;8)

 

 Natao hoe Mpanalalana Jesosy satria rehefa vita ny famonjena nataony tety ambonin’ny tany dia niakatra ho any an-danitra Izy ka nandatsaka ny Fanahy Masina, ary avy eo dia mipetraka eo antanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika (Rom 8 ; 34)

 

 Natao hoe ampy Izy satria tsy ilaina intsony ny fahafatesany matetika fa indray mandeha ihany dia ampy ho fanavotana ny olona rehetra sy ho mandrakizay(Heb 9 ;12) ka na ny fahotana efa vita, na ny mbola ho avy dia iny fahafatesana indray mandeha monja iny no nentiny nitsarana ilay ratsy. 

 

Hoy ny soratra masina; rehefa notendren’Andriamanitra rahateo tamin’ny fitiavany isika mba ho Azy amin’ny fananganan’anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony (Efes 1 ;5). Koa satria namidin’ny devoly ho andevon’ny ota isika (Rom 7;14) dia very ilay endrik’Andriamanitra tany am-boalohany izay nomena an’i adama sy ho an’ny taranany, ka rehefa tafiditra ilay ota dia very ilay endrik’Andriamanitra tao aminy. Vokany dia tsy tahaka ny endrik’Andriamanitra intsony ny  taranak’olombelona rehefa niteraka fa nanahaka ny endrik’olombelona izay voaozona (Gen 5;3).
 

Jesosy no lahimatoa sady endrik’Andriamanitra, ary raha namorona ny olom-belona honina ety ambonin’ny tany Andriamanitra dia nataony toy ny endrik’i Jesosy izay endrik’Andriamanitra ny olona. Ka rehefa very ilay endrik’Andriamanitra tamin’ny nidiran’ny ota tao amin’ilay olona voalohany, dia nomeny kosa Jesosy izay sady Zanany no Endriny mba hitondra ny fahadisoantsika rehetra sy ny vokany tao amin’ny tenany, mba ho faty ho antsika Izy mba hamerina antsika ho zanak’Andriamanitra indray, ka hahazo ilay endriny izay very noho ny ota, io ilay fananganan’anaka ao amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.

 

Amin’ny fotoana izay andraisantsika an’i Jesosy ka miverina amin’Andriamanitra isika (Jao 1;12), ka manary ilay endriky ny ota dia averin’Andriamanitra amintsika ilay endriny izay ao amin’i Jesosy (Kol 3; 10). Ka ianao ilay nofo ota teo dia efa maty tao amin’i Jesosy, fa Jesosy kosa no manomboka velona ao anatinao (Gal 2 ;20).

Tsy misy ary tsy  hisy afa-tsy i Jesosy irery ihany no lalana tokana ahafahana miverina amin’Andriamanitra(Jao 14 ;6), ary amin’ny anarany no hitoriana ny fibebahana sy ny famelan-keloka ho fanavotana antsika ho amin’ny famonjena (Lio 24;47), ka hamerenana indray ny sitrapon’Andriamanitra ho eo amin’ny fiainantsika. 

Amen.

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement