Batisan'ny Fanahy Masina
Ny Batisan’ny Fanahy Masina
Raha miresaka mikasika ny batisan’ny Fanahy masina isika dia hahatsiaro avy hatrany ilay teny nolazain’i Jaona mpanao batisa manao hoe « Mat 3 : 11 Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; 12 eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety maty.” Mipetraka ny fanontaniana araka izany manao hoe tsy maintsy ilaina ve ny batisan’ny Fanahy masina, ahoana no anaovana izany batisan’ny Fanahy masina izany, ahoana no fitrangany ... ?
Hezahintsika ny hamoaka ny hevitry ny baiboly mikasika izany. Mazava ny fanambarana nataon’i Jaona mpanao batisa etsy ambony; Jesosy no manao ny batisan’ny Fanahy masina, tsy asan’olombelona araka izany izy io. Miaraka eto ny hoe batisan’ny Fanahy masina sy ny batisan’ny afo. Misy milàza fa ny batisan’ny afo dia mety hoe fisedràna mahamay na koa famaizana, na zava-manahirana izay ampandalovin’ny Tompo ny olona iray eo amin’ny fiainany mba hanefena azy. Tsy handiso izany isika satria na ny baioly aza dia miresaka hoe (1Kor 3; 13 dia haseho avokoa ny asan'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo izany andro izany*, ka dia hozahan-toetra, amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra. [* Na: izany] 14 Raha maharitra ny asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. 15 Raha ho levon'ny afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy.) Raha izay no jerena dia ho samy hafa indray ny batisan’ny afo ny batisan’ny Fanahy masina.
Misy andinin-teny mazava kokoa anefa momba ny batisan'ny afo ato amin'ny (Lioka 12: 49 Tonga hanipy afo etỳ ambonin'ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany sahady*?[*Na: ary inona intsony no iriko, raha mirehitra sahady izany?] 50 Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany! 51 Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin'ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana. 52 Fa hatramin'izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo. 53 Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.)
Izany hoe mety tsy ho fitsapàna, na fisedrana ihany ny batisan'ny afo fa tena fampiharihariana ny marina sy ny tsy marina, io ilay fikororohana izay nolazain'i Jaona mpanao batisa etsy ambony hanangonany ny vary. Mazàva ho azy fa asan'ny Fanahy masina ihany koa io dingana fifampisaraha io, mba hampisehoana izay ankasitrahana sy izay mbola mandeha amin'ny lalan-diso. Mety ho vao maika hampilentika ireo izay mandeha amin'ny lalan-diso anefa izy io, kanefa ny Tompo dia manana ny fotoanany amin'izy ireny. Mampitoetra tsara ilay olona ankasitrahana kosa Izy.
Raha mbola niara-niaina tamin’ireo mpianany ny Tompo dia nampanantena azy fa haniraka ny Fanahy masina ho amin’izy ireo (mandrakizay). Nolazainy hoe Mpananatra io Fanahy io, Solo-vava ihany koa, Mpampahery, Mpanampy (Jao 14; 16,26). Nilaza izy fa rehefa miakatra ho any amin’ny Ray dia haniraka izany Fanahy izany ho an’ny mpianatra. Midika izany fa ilaintsika ny Fanahy masina satria tsy eto intsony ny Tompo fa efa niakatra any an-danitra.
Haninona (hatao inona) ary ny Fanahy masina ? angaha tsy ampy ny fananana an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainana manokana ? - Rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesosy dia nihaona tamin’ireo mpianatra talohan’ny niakarany tany an-danitra. Namepetra azy ireo Jesosy mba tsy hiala tao Jerosalema fa mba hiandry ny teny fikasàna. (Asa 1; 4-5). Hoy Izy avy eo (Asa 1; 8 Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.)
Eto Jesosy mihintsy no nilaza ny antony hanomezana ny Fanahy masina. Mba ho tonga vavolombelon’ny Tompo isika, na koa raha tsorina kokoa dia ny hitory ny filazantsara amin’izao tontolo izao no antony, ary io Fanahy masina io no hiasa ao anaty ka hahatanteraka ny zavatra rehetra.
Raha mbola teto an-tany Jesosy dia tsy nanao ny asa fitoriana ny filazantsara nitety izao tontolo izao satria tsy ho amin’izany no nanirahana Azy. Saingy Izy kosa dia efa nilaza nialoha tamin’ireo mpianatra fa “izay mino Azy; dia hanao ny asa izay ataony, ary hanao asa lehibe kokoa noho izay nataon’i Jesosy mihintsy aza izy” (Jao 14;12). Koa ny Fanahy masina dia Herin’Andriamanitra miasa ao anatin’ny olona iray izay natokana hanao ny asany. Ahoana ary no fisehoany rehefa nahazo izany Hery izany ny mpianatra?
Raha niangona teo amin’ny fitoerana iray ireo mpianatra sy ny mpanara-dia an’i Jesosy taorian’ny niakarany ho any an-danitra, dia niray saina nivavaka ireo. Koa satria andro lehibe io andro io sady fety Jiosy dia nanokana io andro fety io mba hiarahana mivavaka amim-panantenàna ilay teny fikasana izy ireo. (Asa 2) Teo amin’izany toerana izany, dia nisy feo avy tampoka toy ny rivotra nifofofofo ka nanenika ilay trano niangonan’izy ireo, ary nisy lela nitarehin’afo teo ambonin’izy rehetra, ka dia sam feno ny Fanahy masina avokoa izay rehetra tao, ka dia niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra avokoa. Io no fisehoany voalohany tamin’ny apostoly. Rehefa tonga izany dia gaga ireo olona hafa tany ivelan’ilay trano satria naharé azy ireo niteny tamin’ny fiteny nahalehibe sy nahazatra azy ireo tany amin’ny fireneny niaviany avy izy ireo. Ny zavatra henon’izy ireo dia izao “ naheno ireo mpianatra niteny sy nitantara ny zava-mahagaga izay ataon’Andriamanitra tamin’ny fitenim-pirenena maro izy ireo” (Asa 2; 4-11). Ny mpianatra ve nahalala ny hevitr’ilay teny ? Tsia no valiny satria tsy vokatry ny sain’izy ireok ilay teny fa nampiteninin’ny Fanahy masina izy ireo. Izay no maha-teny tsy fantatra azy, izy ireo tsy mahafantatra ny heviny fa ny hafa kosa no mahalala raha tahiny ka misy olona hafa firenena afaka ny hihaino az ireo.
Ny batisan’ny Fanahy masina izany eto dia midika hoe fahafenoan’ny Fanahy masina. Ny asa mahagaga voalohany niseho dia ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny alalan’ny fiteny tsy fantatra izay asan’ny Fanahy masina tanteraka. Fiteny tsy fantatra satria nahoana ? satria nisy olona maro samy hafa tafavory sy nitsidika an’i Jerosalema noho io fety io tamin’io fotoana io ka nila izany fiteny izany ho porofo fa efa nomena ny Fanahy masina. Nila fitoriana ny filazantsara ihany koa ireo olona marobe ireo satria tsy maintsy hiverina any amin’ny asa aman-draharahany any amin’ny firenena hipetrahany izy ireo aorian’io fety io. Niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra foana ve anefa ireo apostoly raha nitory ny filazan-tsara ?
Marihina fa samy nahay ny fiteny arameana (fiteny jiosy hebreo) ireo olona tafangona tao Jerosalema tamin’io vanim-potoana io. Rehefa niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra ny apostoly ho fitoriana ny filazantsara dia gaga sy talanjona ireo olona ireo noho izany ka tafangona ho antotan’olona iray. Nitsangana tamin’izay fotoana izay i Petera sy ny apostoly ka nanandratra ny feony nitory ny amin’i Jesosy, ilay filazantsara nomena ho toriany. Petera ilay olona mafanafana fo kanefa saron-tahotra iny, ilay nandositra sy natahotra noho ny tondro-molotra iny dia lasa sahy nitory teny mivantana tamin’ireo olona tafavory teo ireo. Tsy asan’ny sain’i Petera anefa no niasa teto, fa nohon’ny fahafenoan’ny Fanahy dia nampiasain’ny Fanahy masina izy ireo. Vokany; nahakasika olona maro ilay torinteny, ary maro (3 000 isa) ny olona no voatsindrona am-po ka nibebaka ary nanaraka an’i Jesosy.
Voaporofo aloha hatreto fa ny fitoriana ny filazantsara no lahara-pahamehana amin’ny anomezana ny Fanahy masina. Hoy Jesosy (Mark 16; 15 Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra] 17 [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;]18 [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] 19 [Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra].
Ny hoe mino eto dia ilay efa voalaza etsy ambony; (Jao 14;12) izany hoe “manano ny asa fitoriana ny filazantsara”. Ireo famantarana manaraka izay (mino) manao ny asa fitoriana ireo dia ombàn’ny fiasan’ny Fanahy masina avokoa. Na ny fametrahan-tànana ho an’ny marary, na ny fandroahana demonia, na ny fandosiran’ny fahafatesana raha sendra tafasotro zava-mahafaty aza; ireo famantarana ireo dia manaraka izay mino (manao ny asa fitoriana) izay anirahan’ny Fanahy masina azy. Koa rehefa miasa ny Fanahy ao anatin’ny fitoriana dia asan’ny Fanahy ihany koa ny mampibebaka ny olona iray.
Manamamrika toy izao ny baiboly ao amin’ny (Jao 16; 8 Ary raha tonga Izy (Fanahy masina), dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana: 9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy; 10 ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;11 ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara. Ny asan’ny Fanahy masina voalohany indrindra amin’ny olona iray araka izany dia ny hampiaiky azy ny fahotana; izany hoe ny fibebahana. Tsy afaka ny tena hibebaka ny olona iray raha tsy taomin’ny Ray amin’ny alalan’ny Fanahy masina (Jao 6; 44). Miaiky ny fahotàny izy rehefa nampahafantarina azy fa mpanota izy. Fantany tsara izany ny atao hoe fahotàna, sy ny fibebahana. Manaraka izany dia mampiaiky ny fahamarinana ny Fanahy masina, inona ilay fahamarinana ? Hoy Jesosy “satria Izaho mankany amin’ny Ray”. Haninona any Izy ? ; haniraka ny Fanahy masina, na koa hoe hanao batisan’ny Fanahy masina. Ny batisan’ny Fanahy masina zany dia tena fahamarinana ao amin’Andriamanitra. Noho izany dia tsy maintsy ilaina io batisan’ny Fanahy masina io, tahaka ilay fahamarinana ny amin’ny batisan’ny rano. Lalana iray ahafahana mandova ny lanitra ireo fahamarinana roa ireo (Jao 3; 5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy)
Fisehon’ny fahafenoan’ny Fanahy ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra. Tsy tamin’io andron’ny pantekosta io ihany anefa no nisehoan’izany fa izay toerana nandehanan’ny apostoly sy nitoriany ny filazantsara dia nitoriany ireo fahamarinana roa ireo, ka dia niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra ireo rehefa avy nametrahany tanana. (Asa 19; 1 -6). Araka ny nambara tetsy ambony dia famantarana manaraka izay mino ny fitenenana ny fiteny tsy mbola hiny (fiteny amin’ny fiteny tsy fantatra). Ireo famantarana ireo dia natao ho hitan’ireo izay mbola tsy mino mba hinoan’izy ireo ny fahamarinan’Andriamanitra. Ny mino no manao ilay famantarana mba haseho eo anoloan’ny tsy mino. Hoy ny baiboly (1Kor 14; 21 Voasoratra amin'ny lalàna hoe: Amin'ny olona hafa fiteny sy amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity; fa na dia amin'izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy Jehovah (Isa. 28. 11, 12). 22 Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin'ny tsy mino, fa tsy amin'ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy mino.)
Mbola manamafy araka izany fa natao ho amin’ny fitoriana filazantsara ho an’ny tsy mino ireo famantarana ireo. Midika ve anefa izany fa tsy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra intsony ireo mpianatra ? Izay indrindra no hidirantsika amin’ny lesona manaraka dia ny amin’ny hoe “fanomezam-pahasoavana”. Porofon’ny batisan’ny Fanahy masina ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra, kanefa izy io dia fanomezam-pasoavana kosa raha ho an’ny fiangonana. (1Kor 12;10).
Milaza toy izao ny (Rom 9;8 Izay tsy manana ny fanahin’i Kristy dia tsy Azy izy). Io Fanahy io no miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika (Rom 8;16). Io ihany koa no tombo-kase manamarina fa vahoakan’Andriamanitra isika (2Kor 1; 22) (Efe 1;13). Io Fanahy io ihany koa no santatry ny lovantsika ahafahantsika mandova ny fanjakan’Andriamanitra (Efe 1; 14). Io Fanahy io no niteraka antsika amin’ny fahateraham-baovao (Jao 1; 12-13) mba ho ateraky ny Fanahy araka ny nolazain’i Jesosy tamin’i Nekodemosy. Ahoana anefa no ahazoana io batisan’ny Fanahy masina io?
Voalohany indrindra aloha dia nana fomba iray Jesosy nanomezany ny Fanahy masina. Hoy ny baiboly (Jao 20; 22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina;). Tsy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra ireo mpianatra ireo tamin’io fotoana io, kanefa io ilay batisa nataon’i Jesosy taminy. Noho izany dia afaka ny hataon’I Jesosy batisan’ny Fanahy masina ianao na dia tsy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra aza.
Ny faharoa kosa indray dia nampianatra toy izao Jesosy (Lio11; 11 Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano? 12 ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? 13 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy? Azo angatahina tsara izany io batisan’ny Fanahy masina io, izany hoe amin’ny alalan’ny vavaka.
Fahatelo; araka ny efa hitantsika teo aloha, dia azo avy amin’ny fametrahan-tànana ny batisan’ny Fanahy masina, (Asa 19; 1-6). Ireo ihany aloha no horesahintsika mikasika ny hahazoana Azy. Fa manova inona eo amin’ny tontolom-piainan’ny mpino kosa indray ary ny fananany ny Fanahy masina ?
Tena zava-dehibe ireto teboka ireto.
1) Efa hitantsika tetsy ambony fa mampiaiky ny fahotàna Izy. Izany hoe mampahafantatra antsika ny atao hoe fahotàna ka mampibebaka antsika raha sendra nanota isika.
2) Hoy Jesosy; (Jao 14; 26 fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. Nolazaina hoe Mpananatra Izy satria tena mananatra amin’ny fotoana mety rehetra. Ny Fanahy masina no mampiatra, na manazava antsika ny tian’ny baiboly ho lazaina, izany hoe ahazoantsika fanambaràna (revelation).
3) Tsy azontsika hadinoina koa anefa fa izy no mitahiry ny teny ato anatintsika ka mampahatsiaro antsika ny tenin’Andriamanitra izay efa noraisintsika. Amin’ny alalan’io no ahafahany mananatra sy mampianatra antsika.
4) Ny Fanahy no mamonjy antsika amin’ny tsy fahatanterahana (Rom 8; 26 Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.)
5) Mitarika antsika amin’ny lalana tokony haleha Izy (Rom 8; 13 Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo.14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.)
Ny tsy fanarahana ny fitarihany araka izany dia mampahatonga Azy halahelo na tsy hiasa amintsika intsony. (Efe 4; 30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.).
Ny tsy fihenoana Azy, na ny tsy firaharahàna Azy, na koa ny fanambaniana Azy no lazaina fa miteny ratsy ny Fanahy masina. Mety tsy hiteny ratsy mivantana ilay olona, kanefa mety hamitaka na mandainga amin’ny Fanahy masina ka hahatonga heloka tsy ahazoana famelan-keloka. (Mat 12; 31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy* samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy* ny Fanahy Masina) Jereo ny tantaran’i Anania sy Safira izay nandainga tamin’ny Fanahy masina ka tsy nahazo famelan-keloka fa avy hatrany dia maty tsy nialàna nenina. (Asa 5). Noho izany dia tsy kilalao ny Fanahy masina, fa antoky ny fiainana mandrakizay.
Tokony ho olona feno ny tenin’Andriamanitra araka izany ny olona feno ny Fanahy masina. Ataony ahoana moa no hiteny hananatra, na hampahatsiaro antsika ny teny izay tsy haintsika akory ? Tadidio ihany koa anefa fa azo fantarina tsara ny olona tena feno marina ny Fanahy masinan, satria olona tsy tarihin’ny nofo hamokatra ho amin’ny fahafatesana, fa olona tarihin’ny Fanahy ka hamokatra ireto vokatry ny Fanahy ireto: (Gal 5; 22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, 23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. 24 Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana. 25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. 26 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.)
Tsy azo antoka ho feno ny Fanahy masina ny olona tsy manana ireo toetra ireo. Maro amin’ny olona izay toa vita batisan’ny Fanahy masina anefa, ka miteny amin’ny fiteny tsy fantatra mihintsy aza no manana toetra mifanipaka amin’ireo voalaza ireo. Midika izany fa misy ny fanahy mamitaka izay toa izy kanefa tsy izy. Koa raha tiantsika ny ho feno ny tena Fanahy masina dia aza misaraka amin’ny famakiana ny baiboly satria ny Teny dia ny Tompo, ny Tompo dia Fanahy, ny Teny dia ny Fanahy.(2Kor 3; 17) (Jao 6; 63) (Jao 1; 1). Ny voany no hamantarana ny hazo (Mat 12; 33).
Ilaina tena ilaina ny hananantsika ny Fanahy masina, koa izany no mahatonga anay tsy mitsahatra mampianatra izay kely ho vitanay mba ho fanampianay anao, sy ho anjara-fanompoanay satria nantsoina ho amin’izany izahay.
Raha misy ny fanontaniana tianao hapetraka dia aza misalasala manoratra aty aminay fa ho valianay izany.