Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Nahoana no mitory?

Ankoatran’ny nanirahan’i Jesosy ny mpianany mba hitory ny filazantsara amin’ny  olombelona rehetra, dia anisan’ny tena fanehoana ny fitiavana ny Tompo ny fitoriana sy ny fanaovana ny asan’Andriamanitra.

Raha naniraka ireo mpianany Izy dia nanambara hoe: mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohhina. (Mar 16: 15-16) Nisy famantarana maro samy hafa nolazan’ny Tompo fa hanaraka izay mino ka miasa. Fa talohan’io Jesosy dia niresaka tamin’I Petera taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ka toy izao izany resaka nifanaovan’izy ireo izany.

Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona zanak’I Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.

Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko. (Jao 21: 15-17).

Ny fanontaniana napetraky ny Tompo tamin’i Petera voalohany dia hoe; moa ny fitiavanao mihoatra noho ny fitiavan’ireto? Izany hoe nataon’i Jesosy tsapan’i Petera tao an-tsainy hoe hatraiza ny tena fitiavany Azy marina. Ny Tompo dia mitaky tena fitiavana amintsika, ary ny fitiavana takiany dia fitiavana mihoatra nohon’ny olona manodidina anao, mba ahavitànao mihetsika manaraka ny sitrapon’ny Tompo. Raha tsy mihoatra nohon’ny fitiavan’ny sasany ny fitiavanao nyTompo dia ho azo antoka fa tsy hahavita izay takiany aminao ianao.

Moa ve ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto Ahy? Fanontaniana izay mavesa-danja, ary miteny amintsika izay te hanao sy izay efa manao asan’Andriamanitra izy io. Ny asa dia mitaky fitiavana, ary ilay fitiavana no tokony hitondra antsika, ka raha tsy lalim-paka ilay fitiavana dia mety ho resin’ny fitiavana zavatra hafa isika ka hampivily ny fontsika amin’ny làlana tsy tokony haleha.

Nahoana no mitory? Marina fa samy na nirahin’ny Tompo avokoa ireo mpianany mba handeha hanaparitaka ny filazantsara, ary azo antoka fa samy manana fitiavana ny Tompo avokoa ireo mpianatra ireo ka nanao izay ho vitany araka ny fatram-pitiavana nananany. Fa tamin’i Petera kosa izay nanambarana fa eo ambonin’ity vatolampy ity no ananganan’ny Tompo ny fiangonany no(Mat 18: 16), teo Izy no nampahafantatra fa ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy, ary io ilay asa izay tsy maintsy miandry ny fiangonana izay nolazainy an’i Petera tao anatin’ilay resaka nifanaovany.

Fitiavana mihoatra nohon’ny fitiavan’ny hafa ny Tompo no mibaiko antsika hamahana ny ondrikeliny. Jereo tsara fa nosarahan’ny Tompo ny ondry sy ny ondrikely, fa raha tsy manana ilay fitiavana mihoatra isika dia tsy afaka ny hahita na hijery akory ireo ondrikelin’ny Tompo. Ny maro amintsika mantsy dia ireo izay efa ondry lehibe, mahaleo-tena ary ondry tsy sahirana aram-pivelomana no tena tiany fahanana, satria izy ireny no mpiantoka sy mpanohana ny asan’Andriamanitra. Tsy diso anefa izany, ny Tompo rahateo dia nametraka ny andraikitra ny amin’ny fiandrasana sy ny famahanana azy ireny, kanefa tokony tsy hadinoina velively fa misy ao ondry madinika, ondry sahirana, ondry izay mety tsy misy mpijery akory kanefa hitan’ny Tompo, ireny dia tokony hoheverina manokana.

Baiko avy amin’ny Tompo ny hoe mandehana mitory ny filazan-tsara, ilaina noho  izany ny mitory na amin’ny fotoana na tsy samin’ny fotoana mba hahazoantsika vokatra ho an’ny Tompo. Maro ny vokatra hoy Izy fa ny mpiasa no vitsy, koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra. Koa raha maro toy izany ny vokatra, efa nampandeha antsika nyTompo, inona no mbola mihazona antsika tsy handeha?

Araka ny hita dia miparitaka eto amintsika ny filazantsara, ary efa manerana ny nosy mihintsy ny fiangonana, tsy tokony ho asan’ny fiangonana irery anefa ny fanapariahana ny asa fitoriana fa ho an’ireo rehetra izay tia an’Andriamanitra, ary anisan’izany izaho sy ianao. Antoky ny hafainganan’ny fiverenan’ny Tompo ny fandrosoan’ny fitoriana ny filazantsaran’ny fanjakana, ka izany no tokony hiarahantsika mientana manatanteraka izany. Hoy Jesosy teo an-tendrombohitra iray rehefa nanontanian’ny mpianany ny amin’ny fotoana hihaviany, hoy Izy; Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany (Mat 24: 14). Isika anefa dia amporisihan’ny baiboly fa tsy mahela ny teny fikasany Izy araka ny ataon’ny sasany ho fahelany, fa maharim-po amintsika Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny olona rehetra (2Pet 3: 9...). Ahoana ary anefa no ahatonga ny  olona ho amin’ny fibebahana? Manome toro-hevitra toy izao Izy ny andininy manaraka: koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony  hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny toem-panahy araka an’Andriamanitra. Sady manantena no mampahafainana ny fifavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo  ny tenan’ny zavatra rehetra. Sady manantena no mampahafaingana: ilay manantena dia fiandrandràna ny fiaviany sy ny fiomanana, ary ilay mampahafaingana dia ny fitoriana ny filazantsaran’ilay fanjakany haharitra mandrakizay. Tinao ho avy faingana ve ny Tompo? Ny fitiavanao mihoatra nohon’ny fitiavan’ny hafa ny Tompo, izay no hanosika anao hitory ka hanafaingana ny fihaviany.

Manasa anao ary izahay, andao hiara-hitory ny fanjakan’Andriamanitra miaraka aminay. Tsy ho voatery hiaraka isika raha efa manana sehatra amin’izany ianao, fa raha maniry kosa ianao te hiara-hiasa aminay dia fifaliana lehibe ho anay ny mandray anao. Ho avy ny Tompo, andao hifandray tanana hanomana ny fiaviany.

Amen.

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement