Tantara sy ny tsara ho fantatra
Ity pejy ity dia natao hampitombo ny fahalalàna ara-tantara ny zava-misy sy ny zava-misy.Tsy afa-miala amin'ny tantara ny resaka finoana, izany dia manaporofo fa marina ny voalazan'ny baiboly. Manaporofo izany koa ny fisian'ny bokin'ny 5 voalohany ao amin'ny baiboly, satria dia tantara avokoa ireo voalaza ireo, nanomboka tamin'ny namoronana ny zavatra rehetra ka hatraty amin'ny fitsipim-pivavahana sy fitsipim-piaraha-monina.
Ny bokin'ny Josia, Samoela, Mpanjaka, Tantara, Nehemia, Ezra, Estera, Makabeo... dia mitantara ny zava-nisy marina,, ary voamarina ara-tantara avokoa ny fahamarinan'izy ireny.
Ny filazan-tsara 4 sy ny bokin'ny Asan'ny apostoly ary ireo boky nosoratan'i Paoly dia mitantara avokoa ny zava-nisy sy ny zavatra natao mba handrafetana araka ny tokony ho izy ny boky natao hatolotra ho vakiana aty aoriana.
Ankoatra ireotantara dia misy ihany koa ireo faminaniana maro samy hafa izay voafaritra ny fotoana izay nanomezan'Andriamanitra azy tamin'ny alalan'ny mpaminany. Tsy maintsy voafaritra ao ny vanim-potoana niasan'ilay mpaminany toy ny hoe" tamin'ny andro voalohany tamin'ny taona voalohany nanjakan'i ...) Manambara izany fa zava-dehibe ny tantara, ary azo hamarinina.
Noho izany dia adidintsika ny mikaroka ny fizotran'ny tantara nisy teo aloha izay tsy voasoratra tao anatin'ny baiboly, ka nahatonga izao fivoarana lehibe teo anivon'ny fombam-pivavahana izao ankehitriny izao, satria dia misy tantarany avokoa ireny rehetra ireny.
Natao hampitombo ny fahalalàna ity pejy ity, ary natao hanampiana antsika mpikatroka eo anivon'ny asan'Andriamanitra.