Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

FANTARO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA

Ato anatin'ity pejy izay misy takelaka maromaro ity dia iresahana momba ny sitrapon'Andriamanitra. Hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny fikasana farany.

Natao ahazoana fahalalàna maro samy hafa ity pejy ity, ary irarianay mba hisy fiantraikany eo amin'ny fiainanao.

Natao hanampy antsika tsirairay avy amin'ny fianarana ny baiboly izy ity, ary mety indrindra ho antsika mpanompon'Andriamanitra izay mitondra asa.

Tsy natao hanindraindrana doctrine ny lahatsoratra ato, fa kosa natao mba ho dinihina sy natao mba hitari-dàlana anao hanokatra ny baiboly. Mety hisy ny zava-baovao tsy mbola fahitanao, nefa mety betsaka koa ireo izay zavatra efa fantatrao kanefa dia averina resahina ato.

Raha misy fanontaniana tianao hapetraka ary dia aza misalasala manoratra aty aminay fa hezahanay ny hanomezana fahafaham-po ny tsirairay.

Ny fanontaniana izay tonga aty aminay no ahatsapanay fa tena liana tokoa ianao.

Mahazoa fahalalàna sy fahafinaretana ary faherezana eo am-pamakiana azy ireo.


  1nissipraise@gmail.com


Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement