Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Fizahan-toetra

Inona moa no anton’ny fizahan-toetra ?

Maro ny olona no tsy mahafantatra akory ka mety hampifangaro ny fizahan-toetra sy ny fankam-panahy. Ary izany  indrindra no no nahatonga anay hametraka ity laha-tsoratra ity izay avy any aminareo mpitsidika mba  hampahafantarina antsika ny atao hoe fizahan-toetra manokana.

Fizahan-toetra?

Mety maro samy hafa ny fisehon’ny fizahan-toetra, mety ho fahoriana izany, kanefa koa dia mety ho fifaliana sy fitahiana. Ka ho jerevantsika eto ireto karazany roa ireto dia izay nahazo ny zanak’Israely sy ny nahazo ani Joba.

Ny ankabeazan’ny olona dia mihevitra fa rehefa mandalo zava-tsarotra dia fizahan-toetra avokoa izy ireny. Mety hisy fahamarinany tokoa izany saingy kosa tsara ny mampahatsiahy fa ny olona zahana toetra dia ireo olona izay efa mijoro sy ireo efa tena azo lazaina fa olon’Andriamanitra. Raha misy olona mandalo zava-tsarotra kanefa olona tsy miorina tsara ao amin’ny Tompo izy nahoana moa no azo ilazana izany fa hoe fizahan-toetra no andalovany?

Raha hampizaha –toetra ny volamena iray izao ianao dia izay hitanao fa tena volamena ihany no sedrainao, izany hoe raha ohatra ka efa hitanao fa tsy volamena io zavatra io, nahoana moa no mbola hizaha toetra azy io indray ianao raha tsy hoe milaza ny tenany ho volamena izy?. Izay olona efa manao azy ho mijoro dia aoka hitandrina hoy ny soratra masina, satria dia eo no ho tonga tokoa ny fizahan-toetra.

Misy ihany koa ireo olona nanao voady na nanao fanekena tamin’Andriamanitra, mety nilaza ilay olona ka nanao hoe; tena tsy mba hiala amin’Andriamnaitra mihintsy aho na inona na inona zavatra hiseho. Ren’Andriamantra avokoa ireny zavatra ireny, ary tsy mahagaga ary raha tonga ny fizahan-toetra rehefa avy eo satria mila fantatrao na matotra sy mifikitra amin’io fanekena nataonao io ianao na tsia.

Andriamanitra dia nanao fanekena tamintsika, ary efa nisedra ny teniny izy ka nanamarina izay, hoy ny nolazainy hoe ny tenin’I Jehovah dia madio tahaka ny volamena izay nodiovina tao amin’ny memy(Sal 12;6). Izany hoe; tena madio sy marina ny teniny, ary raha nanao fanekena tamintsika Izy dia tsy mba hivadika amin’izay fanekeny izany mihintsy. Dia toy izany koa isika; raha nanao fanekena taminy, nanolon-tena ho Azy tamin’ny andro izay nanolorantsika tena ho Azy, maro samy hafa ny làlana mety efa samy naleha saigy mety hanadino ilay fanekena isika rehefa afaka fotoana elaela any ary eo indrindra no mety ho tonga ny fizahan-toetra mba ahalalàny na mbola miorina izy na tsia (Sal 139;23).

Ny olona izay nanokan-tena hanao asa fanompoana ohatra ka tsy nahatanteraka izany dia tsy maintsy ampandalovin’Andriamanitra fizahan-toetra. Ny olona iray tokoa mantsy rehefa afaka tamin’ny zavatra izay nanahirana azy dia malaky miteny zavatra izay izy, mora manao fanekena izay izy, tsy ratsy anefa izany fa mananatra an’ireny olona ireny kosa ny soratra masina hoe, raha mivoady ianao dia tanteraho haingana? Matetika anefa rehefa mandeha ny fotoana dia mahita zavatra hafa indray ilay olona, mety ho fidirambola hafa ohatra izay mety handany fotoana maromaro eo amin’ny fiainany, ary matetika tokoa dia tsy maintsy ireo ny zavatra miseho. Dia tonga ho azy ao an-tsaina ao ny hoe; andeha hanao ity bizina ity ny tenako, andeha hanao an’itsy, dia manomboka manakalo ilay fanekena amin’izany zavatra izany ka manadino izany. Ilay olona eto tsy hoe akory niverin-dalana, mbola ao amin’ny Tompo tsara ilay olona ary mbola tena mafana fo amin’ny fanarahana ny Tompo. Ny zavatra mety hitranga dia izao, hanao an’io zavatra io tokoa ilay olona fa atoan’ny Tompo tsy ho tafita mihitsy io zavatra ataony io, ka mety tena ho potehin’ny Tompo mihintsy io zavatra ataony io raha hizaha toetra ilay olona ny Tomp. Ny fizahan-toetra dia izao; raha ho potika izao zavatra izao hoy ny Tompo, mbola hiverina hitodika amiko ve ilay olona, mbola hahatsiaro sy hiantehitra amiko ve izy, ho tsaroany ve ilay fanekena nataony. Ary mazava ho azy fa ny Tompo amin’ny fotoana ilàny anao dia tsy handany andro hanaraka ny sitraponao Izy. (vakio ny tantaran’i Jona)

Hitanao tsara ary fa ny fizahan-toetra dia tsy hanapotehana olona tsy akory, fa ny tonjony dia ny hampiorina tsara anao indray, sy hamerenana anao amin’ny làlana izay nosafidianan’Andriamanitra anao.

Ny zavatra nahazo an’I Joba teto dia toy izao, I Joba dia olona nahatoky tao amin’ny Tompo ary nifady ny ratsy rehetra. Nahavatra mihitnsy aza I Joba ary nataony fahazarana ny hifona ho an’ireo zanany isaky ny avy nanao fanasana ireo, fandrao hoy izy tao am-pony ka nanota izy ireo ka efa nandà an’I Jehovah.

Navelan’Andriamanitra hozahan-toetra anefa I Joba satria rehefa nilaza toy izao satana ka nanao hoe; fanantenan-javatra fotsiny no hifikirany amin’I Jehovah fa raha miala ireo zvatra ireo dia handà an’Andriamanitra izy. Navelany hozahan-toetra I Joba mba hahalalany bebe kokoa hoe; hatraiza ny fitiavan’I Joba an’I Jehovah ary i Joba koa dia nila nahafantatra izany. Nahafoy an’I Joba anefa ve ny Tompo? Tsy nahafoy azy Izy na dia mafy ary tsy namela izany fizahan-toetra izany haharitra ela satria tsy nivadika Joba.

Eks 16, ny zanak’Israely dia avy nahita fahagagana maro, notantanin’Tompo izy ireo ary faly ery satria nisy fahombiaza izay rehetra nataony. Resy lahatra ary izy ireto fa Jehovah irery ihany no Andriamanitra ka hanaraka Azy izy ireo ka hanompo Azy.

Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia dia tojo ilay atao hoe tany efaitra izy ireo ( fahamainana) efa nandao ny fahotana na ilay toeram-panandevozana atao hoe tany egypta izy ireo, efa nolaozina ilay asam-panandevozana, ilay asa maty araka ny nofo, mety hoe io ilay fidiram-bola namatotra satria nandevozin’ny vola izy ireo, ary nanao ny ainy tsy ho zavatra mihintsy mba hihinanan-kanina. Rehefa nanaraka ny Tompo anaefa izy ireo dia tsy maintsy nandao an’izany asa izany ary tsy maintsy tojo ity atao hoe tany efaitra ity na dia nampanantenaina ny tany kanàna aza. Nafana tokoa ny fo tamin’ny voalohany satria notantanin’ny Tompo. Kanefa rehefa tratran’ilay atao hoe lazon’Ady dia tsy nahazaka akory rehefa avy eo. Notsarovana avokoa ireo asa efa nilaozana, nisy mihintsy ny nanao hoe fa nahoana ary izahay no nentinareo nankaty, tsy aleo ve mba maty tany Egypta toy izay taty, tany Egypta tsinona izy ireo mihintsy no nahandro ny henany, ny sakafony rehetra.

Fa nahoana moa izy ireto no tsy mba nahatsiaro fa hoe ny Tompo dia afaka manao ny zavatra rehetra? Ary toy izany koa, mbola misy ny mpino manao toy izany rehefa toa tsy ambinina amin’izay zavatra ataony, hoy ny sasany “raha izay anefa zà tsy nandao ilay asako taloha toy izay mba efa tena nanakarena be, toy izay efa mba tany an-dafy, toy izay mba tsy nijaly toy izao”. Rehefa ren’ny Tompo anefa izany fimonomonomana izany dia hoy Izy, homeko sakafo ireto olona ireo satria izay no mahory azy, dia nomeny sakafo mba hizahany toetra azy ireo na hanaraka ny lalàn’i Jehovah izy na tsia(Eks 16;4). Dia toy izany koa, omen’i Tompo ilay zavatra tsy nampilamina anao teo, kanefa misy zavatra andrasan’ny Tompo aminao amin’iny zavatra iny; mbola hanaraka Azy ianao sa tsia, mbola hatoky Azy ianao sa tsia. Izany hoe entina hizahana toetra izany ilay fitahiana eto na ho fanantenanjavatra fotsiny sa inona no tena anarahana ny Tompo na hatraiza ilay tena fitiavana Azy.

Amin’ireny fotoana ireny raha ohatra ka lasa nandao ny Tompo ilay olona dia tsy maintsy handalo fanadiovana bebe kokoa ilay olona amin’ny fotoana hiverenany, tsy hoe azony izay ilainy dia mijaonona ho amin’izay, fa tsy maintsy ataon’Andriamanitra izay hampitodihana ilay olona ao aminy indray. Tsy maintsy diovina ianao, tsy maintsy esorina izay rehetra maha-petimpentina anao rehetra. Raha misy anefa izany fizahan-toetra mihatra aminao izany, Andriamanitra dia tsy manao izay zavatra tsy zakanao izany, fa matoa ireny mitranga dia io no sahaza anao. Tokony tsy hieritreritra akory izany ilay olona hoe; nahafoy ahy Andriamanitra ka andeha aho hahafoy Azy koa. Mety hafoinao tokoa ny tompo saingy tsy ny Tompo no nanosika anao handao Azy, fa fantatry ny Tompo ny toerana misy anao. Matetika ny olona tafiditra ao anatin’ny valan’ny famonjena na dia mandao ny Tompo aza dia tsy maintsy haverina eo izy ho tefena indray.

 Tsy midika akory izany fa hoe tsy handalo fizahan-toetra intsony ilay olona, tsy maintsy mandalo izy fa ny anton’ny fizahan-toetrany dia ny mba hahamafy orina tsara ny fanahiny amin’Andriamanitra ka afaka ny hirehareha aminy ny Tompo ka hilaza hoe; tsy misy tahaka azy eny amin’ny manodidina azy.

Miorina tsara ve ianao? Mety handalo izany fizahan-toetra izany ianao, kanefa izany akory tsy midika ho fahafoizana anao, mila miakatra grady ianao, toy ny miaramila izay miandry ny fampakarana azy ho manam-boninahitra dia tsy maintsy misy ny fizahàna na a min’ny ady io na amin’ny zavatra hafa. Tsy afaka ny hijanona fotsiny ho toy ny teo aloha hatrany ianao fa tsy maintsy atao hahatakatra ny ohatry ny finoana. Rehefa avy mandalo izany fizahantoetra izany ianao ka nahatazona hatramin’ny farany ny finoana ka tsy manome tsiny an’Andriamanitra ary tsy mba nanota nandoto ny fanahinao akory aza , eny na ny eritreritrao aza tsy nisaina fihodinana dia tsarovy fa fandresena ho anao izany. Ny ao ambadik’izany fizahan-toetra izany dia fitahiana rahalahy, ny zanak’Israely dia nivadika ihany ary tsy afaka tamin’ny ady mihintsy, ireo olona vaovao izay tsy nimonomonona niaraka tamin’ireo olona taloha ireo no afaka nahazo ilay fitahiana. Ary toy izany koa I Joba rehefa tsy nivadika na nanota, afaka nandray fitahiana nihoatra noho ny teo aloha indray. Dia toy izany koa ianao raha maharesy, ny Tompo dia tsy mahela ny teny fikasany fa raha maharitra amin’ny teniny ianao dia hitahy anao tokoa ny Tompo. Jereo fa ny Tompo dia miteny foana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy hoe izay maharesy..... ary ny Apostoly Paoly koa dia nanoratra nilaza nanao hoe; “raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika”(2Tim 2;12)



Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement