Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

FAHAMASINANA

FAHAMASINANA

 

Ny fahamasinana no isan’ny zavatra lehibe indrindra mila dinihana eo amin’ny fanarahana ny Tompo. Misy ireo olona no mampifangaro azy io amin’ny fahamaotinana na sary hafa izay mety eritreretiny hahafeno ny fepetra amin’ny famaritany izany hoe fahamasinana izany. Tsy azo lavina anefa fa!! Misy ireo olona mieritreritra fa ny manao fihetsika na fitafy mendrika sy tsy manaitra filàna, tsy mipelipelika na be resaka, mitokatokana tsy mifangarongaro amin'ny hafa dia heverina fa fa izay ilay fahamasinana!! Eo ihany koa ireo olona tena mazoto mivavaka be, mazoto manao ny asam-piangonana, isan’ny zavatra ilaina ihany tokoa izany. Tsy handiso izany anefa isika avy hatrany anefa isika fa andao ho jerentsika hoe ampy ho an'ny famaritana omen'ny baiboly ve ireo voatanisa etsy ambony ireo ?

(Heb12: 14 Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.)      Manamafy ny baiboly fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy afaka ny hahita ny Tompo velively. Na mpivavaka tsotra izy, na mpitondra fivavahana na iza na iza, dia tsy misy afa-miàla amin’ity voalaza eto ity ; tsy afaka ny hahita an’Andriamanitra isika raha tsy masina. Mamporisika antsika ny teny eto hoe « Miezaha mitady » fihavanana + fahamasinana. Jesosy dia mpampihavana ary tao aminy no nampihavanana antsika tamin’ny Ray, ka noho izany dia toetran’Andriamanitra ny fihavanana ary  isany mampiavaka ny tena zanak'Andriamanitra ny fihavanana sy ny fifankatiavana. Notsindriany manokana ihany koa ny hoe « izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo ». Ny hoe « miezaka mitady» dia tsy miandry, fa isika mihintsy no mila mandeha, miainga ka mametraka tanjona hihavana amin’ny olona rehetra. Toy izany koa ny fahamasinana, mila miainga isika ka manao dingana mba ahatongavantsika amin'ny tanjona hahazoana fahamasinana, ary mila ezaka izany fa tsy tongatonga ho azy.

(Matio 5: 8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, 9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.)              Ny fahadiovam-po izany eto dia toetra iray izay afaka hanazavàna an’ilay teny hoe « fahamasinana », satria izay madio am-po no hahita an’Andriamanitra, ary izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo ! Mitovy ny tanjona (valiny /résultat) dia ny mahita ny Tompo. Mazava araka izany fa ny fahamasinana dia midika hoe « Madio » eto, na eo amin’ny toe-po na toem-panahy sy ny toen-tsaina. Manambara matetika koa ny baiboly fa ny atao hoe masina dia madio na manadio (Eks 19:10 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ma­ndehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy)

.                  Ny fahadiovam-po anefa dia tsy vitan'ny ezaky ny nofo irery, fa mila fanampian'Andriamanitra izy io. Tsy misy tena na fo masina ho azy izany fa tsy maintsy mila singa na baiko avy amin'Ilay mitaky fahamasinana ilay izy (Eks 29 : 21 Ary analao ny rà, izay eo ambonin'ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin'i Arona sy amin'ny fitafiany, ary amin'ny zanany sy amin'ny fitafian'ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa.) (Heb 9: 22 Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.) Manamafy ny baiboly fa ilaina ho amin'ny fanadiovana (famelan-keloka) ny rà, hahazoana ilay fahamasinana tena takian'Andriamanitra. Tsy ho afaka amin’ny heloka ny fontsika sy ny fanahintsika raha tsy eo io rà io (ràn'ny Zanak'ondry). Noho izany dia tsy maintsy misy dingana atao mba ahafahana manatanteraka ny fitadiavana ny fahamasinana. MASINA = MADIO

Ny hoe masina ihany koa dia milaza hoe « voatokana » ato anatin’ny baiboly. Raha hitokana fanambadiana olon-droa isika dia milaza fa hamasinina ilay fanambadiana. Raha hitokana mpitandrina ihany koa na ny mety mitovy amin’izany dia fanamasinana ihany koa no tiana ambara amin'izany. Manamarika toy izao ny (Eks 28:41 Ary ataovy amin'i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasina azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.), (1 Tant 23 : 13 Ny zanakalahin'i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra). Io fanokanana io no nanamasinana azy ireo, ary hitantsika tetsy ambony fa izy sy ny zanany dia nohamasinina handray ny asa maha-pisorona azy ireo, fa Arona aza dia notokanana ho masina indrindra, izany hoe ho mpisorona-be.
Ireo olona izay mivoady ho nazirita dia nametrahana lalàna toy izao : (Nom 6: 7 aoka tsy handoto tena izy na dia amin'ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin'ny lohany ny fitokanana ho an'Andriamaniny. 8 Amin'ny andro fitokanany rehetra dia ho masina ho an'i Jehovah izy). Mbola manohy toy izao ny soratra masina eo amin’ny andininy manaraka: (11 Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin'ny faty izy; ary hanamasina ny lohany amin'izany andro izany izy.)                      Hitantsika fa ny fanamasinana dia fitokanan-tena. Ny mivoady ho nazirita dia fanoloran-tena hanompo an’Andriamanitra amin’ny fe-potoana izay voatendrin’ilay olona hanaovana izany na amin'ny andro iainany iray manontolo. Isika koa raha hiezaka hitady ilay FAHAMASINANA, dia mila manokan-tena satria mila olona voatokana Andriamanitra. (2 Kor 7: 1 Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra) FAHAMASINANA = VOATOKANA.  Ahoana ary nefa ny fomba ahazahoana ilay atao hoe tena fahamasinana ?
Marihina fa betsaka ny olona araka ny voalaza etsy aloha, manana fomba fijeriny manokana ny amin’izany atao hoe fahamasinana izany. Ho an’ireo izay manompo sampy ohatra na ireo izay mpitaiza olona mpilalao fanahy maloto dia milaza azy ho manana fahamasinany izy ireo ! Hoy izy ireo « masina oz’izy, masina oz’izy » hoz’iza ?? « masina oz’izy, masina oz zagnahary, andriamanitra andriananahary » ???.   Tena masina araka ilay fenitra napetrak’Andriamanitra ve nefa ny voalaza eo ? Ny mampametram-panontaniana olona maro dia izao ; milaza izy ireny fa andriamanitra na zagnahary no mampiteny azy ireny. Mamporisika tokoa izy ireny indraindray hanadio ny saina sy ny fo ka tsy avelany hanao ratsy aman’olona ianao (afa-tsy ny mamosavy). Asainy midio amina karazana rano na rà ihany koa ianao mba hahamasina anao. Amin’ny fotoana izay hanaovany fanamasinana dia misy ireo izay mampanao zavatra hafa mihintsy izay tsy mahazatra toy ny hoe « esory ireny akanjo anaovanao ireny fa maloto (tamam-paty ohatra), (na avy nikasika vehivavy nandalo fadim-bolana koa ohatra), dia ity sikino ny lambahoany, ary esory ny takon-kenatra rehetra fa masina ity toerana ity ka tsy tokony holotoina amin'ny zavatra avy any ivelany. Ajanontsika eo ny amin’iny, fa ny mahagaga dia tandreman'ny olona fatratra ny zavatra toy ireny ary tena inoany. Ny devoly dia mpangala tahaka, ary ny fomban’Andriamanitra ihany no ahodinkodiny eo mba ahatonga ny olona tsy hahafantatra ny tena marina mikasika ny amin’izany atao hoe fahamasinana sy ny tena fanatonana an'Andriamanitra izany. Andao ary ho jerevantsika izay voalazan’ny baiboly.

(Nom 15: 40 mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo ianareo). Ny fahamasinana takian’Andriamanitra amintsika dia miainga avy amin’ny fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra, ny fanarahana ny didin’Andriamanitra. Izay rehetra heverintsika izany ka tsy manaraka ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy hiteraka fahamasinana velively. Hoy Jesosy raha nivavaka ho an’ny mpianatra : (Jao 17 : 17 Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana).  MAINA = MARINA
Ilay fahamarinana avy amin’ny tenin’Andriamanitra no maha-masina antsika. Nahoana no tsy maha-masina ilay voalaza tetsy ambony mikasika ny sampy ? satria tsy avy amin’ny tena tenin’Andriamanitra izy ireny, ary tsy Andriamanitra rahateo no miteny ao ambadik’ireny fa fanahy hafa, sady misy fanahin'ireo razana rahateo izay lazainy fa andriamanitra (sy ny razana). Araka izany dia tsy afa-miala amin’izay voalazan’ny baiboly isika, ary mila miala amin’izay mety ho fahazarana na fihevitra tsy araka ny tennin'Andriamanitra. Isan’izany ohatra ny filazàna fa tsy masina ny miteka-tanana ho an’Andriamanitra, na ny mandihy ho an’Andriamanitra. Fihevitra avy amin’ny famaritan’olombelona izany fa tsy avy amin’Andriamanitra, satria Andriamanitra mihintsy no mampirisika antsika hanao izany (Sal 47: 1. Mitehafa tanana, ry firenena  rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra)(Sal 87: 7 Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.)(Sal 150: 4 Miderà Azy amin'ny apongatapaka sy ny dihy) . Maro ny zavatra azontsika resahana, kanefa ny hamintinana azy dia izao ; mila mamaky ny baiboly isika ka mankatoa izany tsy amim-pisalasalàna, izany no hahatonga antsika hanana ny tena fahamasinana.

Tsy isika akory no te hanandra-tena ho masina, Andriamanitra mihintsy no mitaky izany. Lev 19: 2 Mitenena amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo. Ny fahamasinana no antoka amin’ny fidirantsika amin’ny fiainana mandrakitray, satria dia tsy ho tafiditra any izay tsy masina (Sal 35: 8 Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio).

Ny fiatrehantsika ny asan’Andriamanitra ihany koa dia tena takiany mba hatao amin’ny fahamasinana tanteraka (Sal 93: 5 Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô). Toy izany koa ny fanatim-piderana sy  ny fankalazàna ho Azy (Eks 15: 11 Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin'izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?) Tsy afaka ny ahita an’Andriamanitra isika raha tsy masina, (Lev 10: 3 Dia hoy Mosesy tamin'i Arona: Izany dia ilay nolazain'i Jehovah hoe: Amin'izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan'ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro). Noho izany, dia mila manokan-tena iza vao tonga amin’ny fahamasinana, manadio ny tena ho afaka amin’ny loto rehetra, indrindra ny loton’ny fo, mitady fihavanana amin’ny olona rehetra, manaraka tsara izay rehetra lazain’Andriamanitra.

 

Indro misy andinintsoratra masina izay afaka hanomboantsika manantona ny fahamasinana sy hitomboantsika ho amin'ny fahamasinana:

Efes 4: 23 fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo,  24 ary mba hotafinareo ny toetra* vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. [* Gr. olona] 25 Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika. 26 Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. 27 Aza manome fitoerana ho an'ny devoly. 28 Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana. 29 Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana. 30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana. 31 Esory aminareo ny fo-lentika* rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; [* Gr. fangidiana] 32 ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.

Rom 6: 19 Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. 20 Fa fony mpanompon'ny ota ianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana. 21 Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran'izany zavatra izany. 22 Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.

Farany, tadidio fa « Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy. Apok 22 : 11”

Samia mitombo ho amin’ny Fahamasinana

 Ity pejy ity dia hipetraka ao anatin'ilay hoe lahatsoratra hafa amin'ny manaraka

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement