Mpanjaka Izy
Ny fiderana dia lalan’ny fanetren-tena ary fanandratana an’Andriamanitry ny lanitra. Raha nampianatra ny mpianatra hivavaka Jesosy dia nanome izao toro-làlalna izao koa hoe: ho tonga anie ny fanjakanao. Natao ho isan’ny laharam-pahamehana ny fahatongavan’io fanjakana io satria Mpanjaka Izy. Mendrika noho izany ny midera Azy amin’ny maha Mpanjaka Azy.
Raha midera Azy amin’ny maha-Mpanjaka Azy ianao, dia mampiditra anao ho eo ambany fitantanany izany satria izy no Mpanjaka ary ianao dia vahoakany. Tsara lavitra noho ny miteny fotsiny ary ny manaiky ny tena hanjakany amin’ny lafim-piainana rehetra. Mpanjaka Izy ary manapaka ny fiainanao rehetra, hatramin’ny fotoana ananana ka hatrany amin’ny fanapahan-kevitra.
Ny filazana ny maha-Mpanjaka an’i Jesosy dia mitondra horohoro ho an’ny devoly. Mitoetra ho Mpanjaka Izy satria efa naharesy izao tontolo izao sy ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao. Tamin’ny fotoana izay niakaran’i Jesosy tany an-danitra taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nandeha niady tamin’ilay devoly sy satana Izy sy ny anjeliny ka naharesy azy ireo (Apok 12: 7). Ny sary azo raisina dia izao; nanomboka teo amin’ny fotoana izay nandresen’i Jesosy ny fahafatesana ka nandreseny ny devoly no nampitoetra Azy ho Mpanjaka. Manaporofo izany ny andininy faha 11 ao amin’io toko io ihany fa taorian’ny nahafatesany rehefa nitsangana Izy, dia nitondra ny ràny izay nalatsaka ho fanavotana izao tontolo izao ho fitaovam-pandresena. Ny rà latsaka no nentin’i Jesosy sy ny anjeliny niady tamin’ny devoly ka nandreseny azy.
Io fandresena lehibe ananan’i Jesosy io no tsy zakan’ny devoly sady tsy ho zakany mandrakizay, satria ny devoly dia efa nitady hanjaka hatramin’ny fotoana niodinany ka mandrak’ankehitriny. Na i Jesosy tenany mihintsy aza dia efa nalainy fanahy mba hanjakany amin’ny alalan’ny fanomezana Azy izao tontolo izao, satria fantany fa Jesosy ilay ho Mpanjaka Mandrakizay. Efa hatramin’ny voalohany ny devoly no nanohitra ny fanjakan’i Jesosy, ary efa fantany fa voafetra ny heriny ka tsy maintsy ho resy izy(Matio 8: 28/29). Ny planin’Andriamanitra mihintsy no nokasainy ho potehana rehefa nampitoetra an’i Jesosy tao an-kibon’i Maria Izy. Tsy nisy nahafantatra an’io planina io na ireo mpitondra fivavahana tamin’izany fotoan’androny, na ny olom-panjakana izay nitondra, raha nahafantatra mantsy ireo hoe tao amin’i Maria no nisy ny Zaza dia tsy ela dia efa nahazo loza izy. Tsy navelan’Andriamanitra hahalala izy ireo raha tsy efa teraka Jesosy ka nampahafantatra izany tamin’ireo magy izay tsy isan’ny firenen’ny zanak’Isiraely akory aza.
Tamin’ny fotoana izay nilazana tamin’i Heroda mpanjaka fa teraka ilay ho Mpanjakan’ny jiosy, io ilay Mpanjaka (Mesia) efa nandrasan’ny jiosy hatry ny ela, dia nihorohoro fatratra izy sy ny fanjakany ka nitady hevitra hanao izay handringanana sy hanafoanana izany planina izany. I Heroda dia mahafantatra tsara fa avy amin’Andriamanitra ny planina momba ny Mesia, kanefa dia nanjakan’ny devoly tanteraka izy hanao izay hahafongotra tsy hahantanteraka izany. Vao nahare fotsiny i Heroda, dia nihorohoro ny fanjakana iray manontolo. Vao nahare fotsiny fa teraka ilay Mpanjaka avy any amin’Andriamanitra dia nihozongozona ny fanjakany. Ny fandrenesan’ny devoly fa teraka ao anatinao ny fanjakan’Andriamanitra izay entin’i Jesosy dia hihozongozona ny fanjakan’ny devoly iray manontolo. Derao amin’ny maha Mpanjaka Azy Izy dia ho hitanao fa handositra hiala eo amin’ny tontolonao rehetra ny devoly. Fantatrao ve ilay fanala-hidy?: ny ràn’io Jesosy io no nentiny nandresy ka nitoerany teo amin’ny fanjakana. Afaka mampiasa izany rà izany koa ianao handresenao ny devoly (Apok 17: 14)satria efa voasoratra eo amin’ny bokin’ny fiainana ny anaranao (Liok 10 : 20).
Jesosy no MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO (Apok 19:16). Mendrika ho Azy ny fiderana, ary miandry izany fidrana izany ho eo am-bavanao sy ho eo amin’ny fiainanao Izy.
Tamin’ny fotoana izay nidiran’i Jesosy tami’ny voninahiny raha hiakatra ho ao Jerosalema. Nidera Azy tamin’ny maha Mpanjaka Azy ny jiosy izay nomba Azy, nanao izay nety indrindra izy ireo, ary nampetraka azy tamin’ny toerany ka niantsoantso hoe “Hosana, hosana” izany hoe: “vonjeo re, vonjeo re!!” (Matio 21: 9). Ny Mpanjaka no angataham-pamonjena, ary izay fantatra fa mahery no itadiavam-pamonjena, ao amin’i Jesosy izany famonjena izany. Ny fanandratana an’i Jesosy Mpanjaka dia mahatonga Azy hiditra ao amin’ny tempoly ka hanadio azy, hanala izay rehetra mety ho fitadiavana tombony ara-nofo rehetra ka hametraka amin’ny toerany ny maha tranon’Andriamanitra ny tempoly(1 Kor 6: 19). Izany hoe ny fideranao Azy ho Mpanjaka dia hahatonga fanadiovana anao ho amin’ny fahamasinana hahitanao ny Tompo(Heb 12: 14), sy handresenao miaraka amin’ny Tompo ny fahavalo rehetra izay ampiasain’ny devoly.
Manasa anao ary izahay, asandrato amin’ny maha Mpanjaka Azy Jesosy fa Mpanjaka Izy ary hanjaka mandrakizay. Efa natao ao anatinao ny fanjakan’Andriamanitra(Liok 17: 21), meteza hanjakany dia ho hitanao ny voninahitry ny fanjakany fa hanova ny fiainanao izany. Tsarovy fa ny voninahitra dia azo avy amin’ny alalan’ny fanjakana, ka ny fikatsahanao bebe kokoa ny momba ny fanjakan’Andriamanitra ao anatinao no hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra aminao(Mat 6: 33).
Handroso sy hitombo ao anatinao anie ny fanjakan’Andriamanitra.