Ny Fiderana
INONA NO ATAO HOE FIDERANA
Ny fiderana dia teny na fihetsika entina ilazàna fitiavana na ny fahatsaran-javatra iray, mety ihany koa hoe entina hanamboniana zavatra iray izay tiana ka ny tsara sy ny mampiavaka azy no aseho. Ny fiderana ihany koa dia entina milaza ny hery sy (na) ny voninahitry ny zavatra iray, izay manana izany toerana izany.
Natao hidera
Ny olona izay noforonin’Andriamanitra dia manana toetra (caractère) izay efa nambolena tao anatiny ho amin’ny fiderana. Tsy misy izay tsy mahay midera izay tiany ho deraina ny olona rehetra, ary ny soratra masina aza dia milaza mazava tsara fa ny toetran’ny olona dia mitovy amin’ny toetran’ny zavatra izay derainy(Oha 27;21). Toy ny olona iray izay mijery tantara iray eo amin’ny vata fahitalavitra ohatra, ka mahita olona iray izay tiany sy nahakasika azy izy ao anatin’izany tantara izany. Rehefa tena tafalatsaka ao anatin’ny fony ilay olona tiany dia manomboka miresadresaka ny momba iny am’izay izy avy eo ka tsy mahita afa-tsy iny sy izay rehetra ataony no ifantohan’ny fony aman’eritreriny. Tiany ny fihetsiny, ny fiteniny, ny fiankanjony, ny mombamomba azy rehetra aza mety ho jereny amin’ny alalan’ny boky na internet. Mazava ho azy fa hanomboka hampitovy fomba amin’ilay tiany ilay olona avy eo, ka na miresaka amin’ny olona aza izy dia tsy maintsy hilaza ilay mampiavaka an’iny amin’ny olona rehetra izay mifanena aminy. Io ilay atao hoe fiderana.
Ny asan’ny tanan’Andriamanitra rehetra dia natao mba hidera sy hanompo Azy, ary anisan’izany ny olom-belona (Sal 145; 10), “izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara fiderana Ahy” (Isaia 43; 21) mazava ho azy fa ny olona tsirairay avy dia natokana hanandratra fiderana ho an’Andriamanitra matoa Izy miandry izany amintsika. Matetika no tsy fantantsika mazava ny atao hoe “midera”, fa ny fahalalantsika azy dia ny hoe “mihira na mivavaka” na miteny tsotra hoe; “midera Anao aho” ao anatin’ny vavaka na hira. Tsy mahafeno ny tena atao hoe “fiderana” anefa izany, mety ho fomba fotsiny hanehoana ny fiderana izy ireny.
Ny 2Petera 1; 9 dia milaza toy izao ; “Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga;” Eto ny soratra masina dia maneho ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olona izay navotany niala tamin’ny fahotana, ary napetrany mazàva tsara fa hoe ny mba hilaza ny hatsaran’Ilay niantso anareo. Maro ny olona no mametraka ho laharam-pahamehana ny famahana ny olana mianjady aminy eo amin’ny fiainana raha vao tafahaona amin’ny Tompo, ary matetika aza ny olona no tsy mahita afa-tsy ny hoe “ny fivavahana dia fandosirana ny fahantrana, aretina”. Tsy handiso ireny olona ireny isika fa Andriamanitra dia mijery ny fahorian’ny malahelo (Sal 69; 33) sy manafaka izay voafatotra ho an’izay manantona Azy. Kanefa kosa dia mety hahadiso làlana antsika ny tsy fahafantarantsika ny tena fikasan’Andriamanitra ny amin’ny antony nanavotany antsika.
Ny Efes 1 ; 5,6 dia milaza ny amin’ny fanavotan’Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy mba ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala (Efes 1;14). Izany hoe; na inona na inona mety ho fitaizam-panahy hitaizana antsika dia tsotra ny tanjona, tsy ny hoe ahatonga antsika ho mpanan-karena, na hahatonga antsika ho afaka amin’ny zava-manahirana antsika fotsiny fa mba hiderana ny voninahiny. Eto isika dia afaka manamarika fa ny fiderana dia tsy mipetraka ho hira fotsiny, fa tena fiainam-panahy iainana an-davanandro Ny fiainantsika mihintsy no fideràna tadiavin'Andriamanitra amintsika, ny olona koa afaka ny hidera Azy raha mahita ny fiainantsika. Raha miresaka ny Salamo 145 ka manao hoe “ ny asanao dia midera Anao.... dia milaza toy izao koa ny soratra masina; miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy sady miresaka ny herinao. Izany hoe ilay fifampiresahana atao, dia mitory sy manambara fiderana an’Andriamanitra.
Ny zavatra rehetra namboarin’Andriamanitra dia nilazany manao hoe; “indro tsara indrindra izany”. Feno fahatsarana ny tenan’ny zavatra rehetra, ka tsy nisy izay tsy nitory ny voninahitry ny Ray izay nahary azy. Koa satria feno fahatsarana ny zavatra rehetra sady feno fiderana an’Andriamanitra dia nitoetra teo ny fanatrehany. Hoy ny soratra masina ao amin’ny Sal 22; 3 “ Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonnin’ny fideran’ny Isiraely.
Andriamanitra dia mitoetra sy tamàna eo amin’ny fiderana, raha tsorina kokoa dia izao; manorina fitoerana eo ambonin’ny fiderana Azy Izy. Na iza na iza eny na aiza na aiza no anambarana fiderana Azy dia eo ny fanatrehany. Tamin’ny fotoana izay mbola nahitan’ny Adama ny fahatsarany dia teo ny voninahitry ny fanatrehan’Andriamanitra, fa rehefa nivadika ny fomba fijerin’ny olombelona dia nanomboka teo koa ny fisarahany tamin’Andriamanitra. Raha mbola teo ny fanatrehany tamin’izy mbola tsy nanota, dia afaka nifanerasera mivantana tamin’Andriamanitra Adama, fa rehefa tafatsofoka ilay ota dia tsy afaka nifanerasera nivantana taminy intsony izy. Manamarika toy izao ny baiboly; “Ary nandre an’i Jehovah Andriamanitra nitsangatsangana teo amin’ny saha izy (Adama), rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan’i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ny saha (Gen 3;8). Satria tsy teo intsony ilay toem-panahy nidera ny fahatsaran’Andriamantra, dia sady tafiditra ny tahotra, no tsy afaka nahita ny tavan’Andriamanitra intsony izy ireo fa dia ny nandre Azy nitsangatsangana sisa hatreo, teo no nahavery ilay endrik’Andriamanitra teo amin’ny olombelona voalohany.
Namboarin’Andriamanitra sy noforoniny isika mba hidera Azy hatramin’ny voalohany, rehefa tafatsoaka tamin’ilay planina izay efa nomaniny ny olombelona dia tsy nijanona teo akory Izy fa nanome ilay làlana tokana mba hamerenana izany planina izany indray ho an’ny olona rehetra. Ilay fiainana mandrakizay izay namboariny hatramin’ny voalohany ka tsy afaka nananan’ny olona mpanota, dia ny taranak' ilay Adama voalohany izany, ka nahatonga an’Andriamanitra nandefa ny Zanany izay anton’ny zavatra rehetra sy nanamboarana ny zavatra rehetra, satria ao aminy izany fiainana mandrakizay izany izay nilaozan’i Adama (1Jao 5; 11). Tao aminy no nananganana antsika ho zanak’Andriamanitra indray, io ilay atao hoe ateraka indray mba handova ny teny fikasana ka ho tonga mpiray fomba amin’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy isika (Kol 2; 8 -11). Ary rehefa tonga zanak’Andriamanitra isika dia hoy ny Tompo miteny amintsika hoe: “izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara fiderana Ahy” (Isaia 43; 21).
Nahoana Andriamanitra no miandry ahy sy ianao mba hidera Azy? Satria izaho sy ianao no ilay mpanota tafàla tamin' ny planina efa nomaniny ka naveriny ho amin’io toerana io indray. Isika no nandova ny ozona ka nanjary voaozona avokoa ny zavatra rehetra manodidina antsika. Ny zavatra rehetra anefa dia mbola midera an’Andriamanitra ihany araka ny Salamo 145, ny riaka dia manandram-peo (Sal 93; 3) miteha-tanana izy ireo , ny tendrombohitra dia mihoby Azy mbamin’ireo hazo any an’ala (Sal 98; 8 ) (1Tantara 16;33). Izany no mahatonga an’Andriamanitra mahatsiaro ireo zava-manan’aina hafa toy ny zava-maitso, ny biby maro isankarazany ka miaro azy ireny amin’ny fotoanany rehetra. Tsinjovy hoy ny Tompo ny voro-manidina (Mat 6; 26); nataony fanoharana izy ireny mba hanalàna antsika ao anatin’ny fanahiana amin’izao fiainana izao, satria izy ireny tsy mba nikomy tamin’Andriamanitra ka tahiany hatrany.
Tamàna any an-danitra Andriamanitra satria toeram-piderana ny lanitra, raha mijery ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra izay niseho tamin’i Isaia mpaminany isika dia afaka ny hampitaha izany amin’ny bokin’ny Apokalypsy izay maneho ny any an-danitra. Rehefa niseho tamin’i Isaia ny voninahitr’Andriamanitra dia nisy feo nifamaly nataon’ny anjely marobe manao hoe; Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra (Isaia 6; 3), heniky ny voninahiny ny tany satria tonga teto an-tany ilay fideràna nataon'ny anjely rehefa namangy an'i Isaia Andriamanitra. Io tsy hoe fombafomba fisehoan’ny voninahitr’i Jehovah fotsiny fa Izy mihintsy Ilay mitoetra ao anatin’ny fiderana hatrany an-danitra. Ny Apokalypsy 4; 8 dia milaza ny fiderana Azy izay tsy mitsahatra hatramin’izay ka ho mandrakizay; “Ary ny zava-manan'aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman'alina izy manao hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy”. Efa hatramin’izay ny fiderana no niainan’Andriamanitra sy naha-tamàna Azy, eny mbola ho mandrakizay ihany koa ny fiderana. Hoy ny mpanao salamo hoe; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy (Sal 111; 10). Araka izany, aoka isika tsy ho diso hevitra fa rehefa tonga any an-danitra dia fiderana no iainana any, eny fiderana mandrakizay. Fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana (1Kor 13; 8 ) hitantsika amin’izany ary fa tena zava-dehibe amin’ny Tompo ny fiderana, fa tsy ny fanomezam-pahasoavana izay tena katsahintsika mafy tsy akory. Tadidio tsara fa i losifera izay lehiben'ny devoly dia nanana anjara-toerana lehibe iray tao an-danitra ny amin’ny fitarihana fiderana, satria ny anjely nofeheziny dia nanao ny anjara-asany hidera an'Andriamanitra, saingy niavonavona izy satria te hahazo tombon-tsoa manokana dia nazeran’Andriamanitra niala tamin’io toerana io. Rahalahy sy anabavy malala, ny toem-po sy toem-panahy tsy mahay sy tsy manaiky midera an’Andriamanitra dia mety hiteraka fianjerana goavana eo amin'ny fiainana. Avereno ho Azy ny fiderana, ny voninahitra, ny fisandratana satria efa Azy hatramin’izay izany ka ho Azy mandrakizay. Tsy tokony haka ny toeran'Andriamanitra isika noho izany fa hanetry tena ho eo ambanin'ny fanatrehany.
Manasa anao ary izahay hiditra sy hiverina ao amin’ny planin’Andriamanitra mba hisian’ny fanatrehany eo amin’ny fiainanao. Manomboha hanana fiainam-pideràna, midera Azy dia ho hitanao fa hisy fanatrehana tsy takatry ny sainao eo amin’ny fiainanao, ka hahita ny voninahiny isanandro ianao. Ilaintsika ny fanatrehany saitra raha misaraka aminy isika dia tsy mahay manao na inona na inona (Jao 15; 5) Ary tadidio fa tsy afa-misaraka ny fideràna sy ny famoronana (Joba 38; 4 -7) Koa raha tianao ny hanaovan'Andriamanitra zavatra tsy takatry ny sainao eo amin'ny fiainanao dia fenoy fideràna ny tontolom-piainanao.
Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy* Tompo. Amena (Apok 22 ; 21)