Manompo amin'ny fahadiovana
MANOMPO AMIN'NY FAHADIOVANA
Amin’ny ankapo-beny dia maro ny mpino kristiana no liana amin’ny asa fanompoana. Maro rahateo ireo sampana misy ao anatin’ny fiangonana ka miezaka ny mampiditra azy ireo ao anatin’ny iray amin’ireo sampana ireo ny mpitarika azy. Tsy ratsy akory izany na hoe tsy mety fa izany indrindra no tokony hatao mba hamenoana ilay maha-tena iray an’I Jesosy ny fiangonana.
Manoloana izany ihany koa, maro ny olona izay te hiroso lalina amin’izany asa fanompoana izany kanefa tsy mety milamina ny saina manoloana ny tsy fahatanterahan’ny tena, tsy vitsy mantsy ireo mbola malemy amin’ny nofo, ao ny tsy ampy fandavan-tena, ao ihany koa ireo mbola tena miady mafy amin’ny fiainam-panahy tokony hanànana eo anivon’ny asan’Andriamanitra. Ny azo antoka anefa dia efa mpino sy resy lahatra ny ankabeazan’izy ireo, fa fotsiny tsy mety mahafeno ny fe-petra takian’ny fahamasinana ka eo no mahatonga ilay eritreritra tsy hitombina.
Tsy vitsy ihany koa anefa ireo fiangonana izay mamporisika ny mpino ao aminy hiditra ao anatin’ireny sampana na andraikitra feno ireny ao amin’ny sehatry ny fiangonana na dia hita miharihary aza ny fahalemeny. Heverin’izy ireny matetika mantsy fa ny fidirana ao no hanafaka ilay olona na mba hiaro ilay olona mba tsy hiverin-dàlana na hanaonao foana toy ny teo aloha. Maro amin’izy ireny ohatra ny manokana ireo olona mbola mpimamo ho lasa diakona(diakra), na ireo olona manana olana ara-tokantrano ho mpiandraikitra, ary tsy vitsy ireo olona mbola mitoky amin’ny sampy kanefa dia lasa mpiandry. Ny antony dia heverin’izy ireo fa mahafaka azy ireo ny fidirana amin’ny asa fanompoana ka mila tokanana haingana izy ireny. Tsy ny fiangonan-dehibe ihany anefa no manao toy izany, fa ao koa ireo fiangonana izay lazaina fa hoe zandriny. Maro ireo tanora sy ireo olona mety efa nanana olana tany amin’ireo fiangonan-dehibe ka manaraka ireo fiangonana zandriny indray izy ireo. Miroborobo rahateo ity sehatra farany ity sady ahitàna vokatra mivaingana na eo a min’ny lafim-piainana na eo amin’ny aim-panahy, hany ka izay tojo ny fiangonana zandriny dia tsy tamàna intsony any amin’ireo lazaina fa zokiny ireo na dia efa miezaka manaraka ny fomba amam-panaon’ireto zandriny aza ireo zokiny.
Mitady izay heveriny fa ahitany famonjena ny olona rehetra ankoatra an’ireo izay mitady vaha-olana fotsiny, kanefa na dia izany aza dia tsy mampaninona ny olona mihintsy ny miditra amin’ny asa fanompoana raha ilaina izany hamahàna ny zava-manahirana azy.
Nanana olana toy izany koa ny zanak’Isiraely izay sady firenena no fiangonana. Tany amin’ny tany Egypta izy ireo no nalefan’Andriamanitra mba hialàny tamin’ny mosary fony Isiraely mbola velona. Rehefa efajato (400) taona taty aoriana anefa dia nisy mpampahory nitsangana tao amin’io firenenea fivahinianana io ka nanandevo ny zanak’Isiraely. Tamin’izany fotona izany no nanomanan’Andriamanitra an’I Mosesy fony mbola tany an-kibon-dreniny mba hanavotra ny vahoakany. Tonga zanaky ny zanakavavin’I Farao I Mosesy nohon’ny fitondran’Andriamanitra, ary notezaina toy ireny Egyptiana rehetra ireny. Egypta izay lazaina fa tandindon’ny fanandevozan’ny ota, tao mosesy no notezaina ary anisan’ireo mpanandevo rahateo satria tonga andriana tao. Rehefa haniraka azy anefa Andriamanitra dia tsy maintsy nanaisotra an’i Mosesy tao amin’io firenena nitaizana azy io, tsy maintsy nankahàla, ary tsy maintsy nifampifahavàlo tamin’izy ireo. Andriamanitra no nametraka ny toem-po tsara sy tia ny vahoakany tao am-pon’I Mosesy, ary nahatonga zavatra tsy nampoizina akory teo aminy izany. Raha nikapoka ilay zanak’Isiraely iray ny egyptiana iray dia nananatra azy Mosesy ary nahafaty azy mihintsy. Vokatr’io anefa dia tsy azon’ireto zanak’Isiraely mihintsy izay nokasain’i Mosesy ka nahatonga an’I Mosesy voalàza fa mpamono olona, ary tsy mba ireo nandevozina no matiny fa ireo lazaina fa notompoina mihintsy. Rehefa ren’I Farao io olana io dia tsy maintsy voatery nandositra Mosesy, tsy avy aminy anefa izany fa avy amin’Andriamanitra. Tsy maintsy nandao an’I Egypta Mosesy mba ho afaka amin’ny andraikitra ratsiny, ary tany an’efitra no niantsoan’Andriamanitra azy raha iny izy niandry ondry iny ka nahita ny rohy memy nirehitra nefa tsy may.
Aza manakaiky ety; esory ny kapanao amin’ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io (Eks 3: 5). Andriamanitra no niteny io, fantatr’Andriamanitra tsara fa tsy mbola voadio Mosesy, kanefa efa niezaka nandositra ny faharatsiana ka nandao ireo asa ratsiny. Azon’I Mosesy natao tsara ny niverina tany an-dapa nifona tamin’I Farao, kanefa tsy nanao izany izy satria tsy tia io asa ratsy io intsony izy. Tsy maintsy nodiovin’Andriamanitra indray anefa izy ary nohamafisiny ny antsony tamin’I Mosesy ary noporofoiny fa tsy avy amin’ny fikasan’ny nofo izany fa avy amin’Andriamanitra.
Raha nahita an’Andriamanitra Mosesy, tsy avy hatrany dia afaka nanantona Azy na dia liana aza, tsy maintsy nahintsana ny kapa izay mariky ny fahalotoanan’ny lalan-kaleha. Satria masina ny Tompo, tsy maintsy nanintsana ny tsy fahatanterahany Mosesy, ary notarihin’Andriamanitra tamin’izay tokony hataony izy. Rehefa afaka izany dia nanantona Mosesy ka afaka niresaka tamin’Andriamanitra. Talohan’io dia tsy mbola afaka niroso tamin’ny asa fanompoana Mosesy na dia nanao ihany aza ny nofony saingy tsy mbola ilay tena nandrasana taminy aza iny. Tsy maintsy nandao an’I Egypta izy vao afaka ny hitondra ny fiangonan’I zanak’Isiraely.
Ny lesona azontsika raisina eto dia toy izao. Tsy mety ny mandeha mialoha an’Andriamanitra, tsy olona na sitrapon’olona ny asa fanompoana fa avy any ambony. Jereo tsara Mosesy fa tsy maintsy nandao an’I Egypta, izany hoe tsy maintsy mandao ny fahotàna ny olona izay vao afaka mirotsaka amin’ny asa fanompoana na dia efa mahatsapa ny antso ao anatiny aza izy. Rehefa afaka amin’ny fahotàna isika dia Andriamanitra no haniraka antsika amin’izay tiany hampandehanana antsika. Tsy mety velively raha ny asam-piangonana no ataon’ny olona tsy madio na fitondran-tena io na fiainam-panahy. Nahoana no tsy tany Egypta Mosesy dia efa nisehoan’Andriamanitra? Satria tsy misy olona mpanota ka avela hahita an’Andriamanitra, ary isika mahalàla fa Andriamanitra dia tsy mihaino ny fivavaky ny mpanota rahateo (Jao 9: 31). Tsy Mosesy ihany anefa no tsy maintsy nadio teo amin’ny sehatry ny fiangonana, fa ireo mpisorona be, ny mpisorona ihany koa sy ireo mpanampy azy. Ny olona misy kilema na fahasamponana, tsy navelan’Andriamanitra hanakaiky ny alitara na hiditra ao amin’ny fitoerana masina akory aza satria masina ilay asa fanompoana. Midika izany fa misy fe-petra ny fidirana ao anatin’ny asa fanompoana (Lev 21: 10).
Nisy fotoana nitondra afo tsy izy teo amin’ny fisoronana I Nadaba sy Abiho, nolevonin’Andriamanitra teo noho eo izy mirahalahy satria tsy nahatsapa ny fahamasinan’ny asa fanompoana nataony (Lev 10: 1-2). Nisy zanaky ny lohan’ny mpisorona ihany koa, olona mpirenireny eran’ny tanàna izy ireo, tsy nisy natao; namoaka demonia tamin’ny anaran’I Jesosy kanefa dia nahita loza izy ireo, satria nataony fa afaka manao toy izany avokoa ny olona rehetra, eny fa izy zanaky ny mpisorona aza (Asa 13-17).
Raha nisy fe-petra aoka izany aza takiana amin’ireo izay voatendry hiasa ny asan’Andriamanitra tamin’ny fotoan’androny, nahoana no tsy mihevitra izany ny olona amin’izao fotoana?
Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy. Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, ,hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, tsy mpimamo lian’ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola, manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana tsara. Fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’Andriamanitra? Tsy izay zazavao amin’ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fahamelohan’ny devoly.; Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly(1Tim 3: 1-7).
Ny diakona koa toy izany ihany, ho maontona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto, mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin’ny finoana amin’ny fieritreretana madio. Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.
Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maontona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra.
Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany. Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ny diakona dia mahazo toerana tsara hoan’ny tenany sy ny fahasahiana be amin’ny finoana izay ao amin’I Kristy Jesosy.(1Tim 3: 8-13)
Ireo rehetra ireo dia notsipihan’I Paoly mihintsy, tsy navela hiditra ao anatin’io sehatra io mihintsy ny olona tsy matoky amin’ny fitondran-tena, ary ny fifehezana ny ankohonana dia zava-dehibe. Eo koa ireo ho tsy ho mpimamo lian’ady, tsy tia divay be, ho tsara laza eny amin’ny eny ivelany; izany hoe olona tsy manan-tsiny eo amin’ny tany amamonina, mba tsy haharatsy laza ny fivavahana sy ny finoana. Ireo voalaza rehetra ireo dia nohon’ny fahadiovan’ny asa fanompoana, ny fahamasinan’ilay asa, ary indrindra fa maha tena iray ny mpino amin’ny maha tenan’I Kristy antsika. Ny tenan’ny Tompo dia tsy misy kilema, ary tena tsy misy kilema no natolony hamonjena antsika, dia toy izany koa isika ny amin’ny fanoloran-tenantsika hanao ny asa fanompoana; koa ami’nizany mangataka aminareo aho, ry rahalahy noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany (Rom 12: 1).
Be tokoa ireo olona manao asa ka mahita vokatra, na ho an’ireo izay manaraka ny fitsipiky ny baiboly, na ho an’ireo tsy manaraka. Io no mahatonga ny olana goavana satria ny olona dia tsy mijery afa-tsy ny vokatra entin’ny fivavahana iray, ao ny mitoky amin’nyy fahagagàna, ny fanasitranana, ny faminaniana… maro karazana ny fisehoany amin’izao andro iainantsika izao ka sarotra ho an’ireo izay tsy mahafantatra ny misafidy ny mety sy ny tsy mety.
Tsy izay rehetra manao ny asa sy mahita vokatra anefa dia eken’Andriamanitra avokoa, nampianatra toy izao ny Tompo rehefa nanontany azy ny mpianany iray hoe; moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin’ny olona: Miseseha hiditra amin’ny varavarana ety ianareo; fa hoy izaho aminareo: maro no hitady hiditra, fa tsy ho tafiditra. Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandonona ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareohoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; ary amin’izay ianareo dia hanao hoe: nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao. Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka (Lio 13: 23-27). Ireto olona ireto no nolazain’ny Tompo manao hoe: maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambaran’ny Tompo aminy marimarina hoe: tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.
Hitantsika fa tsy ny asa akory no maha-maika, fa mila madio isika eo anatrehan’Andriamanitra, mila manaraka ny toro-hevitry ny baiboly isika mba hahafaly Azy amin’ny andro anaovana ny asa. Lazain’ny baiboly fa mpanao meloka ireo olona ireo na dia nahita vokatra tamin’izay rehetra nataony aza. Ny devoly rahateo dia tsy mikatsaka afa-tsy ny hanao izay hampalemy ny mpino mba tsy hampatanjaka azy eo amin’ny fahatanterahana, ka mamitaka ny olona izy amin’ny vokatra izay hita miharihary kanefa mahajamba ny mason’ny olona amin’ny fahalemena.
Ny amintsika ary dia izao no hafatry ny soratra masina. Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindram-pon’I Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana; ary ny sasany kosa sariho avy amin’ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny ankanjo voapentipentin’ny nofo aza. Ary ho an’izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, ho an’Andriamanitra tokana, Mamonjy antsika, amin’ny alalan’I Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen (Joda 1 :20-25)
(ity lahatsoratra ity dia ho hitanao ao amin'ny takelaka LAHATSORATRA HAFA afaka fotoana fohy)
Azonao atao koa ny mijery lesona maro hafa ao anatin'io takelaka io)