Navelan'Andriamanitra ho rava
Navelan'Andriamanitra ho rava
Hatramin’ny voalohany dia efa fantatr’Andriamanitra izay tsy maintsy hizoran’ny tany sy ny mponina eo aminy. Manamafy izany ny soratra masina milaza manao hoe « Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin'ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza” Sal 139.
Izany dia manome toky antsika fa efa nisy ny fikasan’Andriamanitra momba izao rehetra izao aorian’ny fandravana ataon’ny devoly izay efa fantany mialoha. Ary izany dia voaporofo ato amin'ny bokin'i Apok 13; 8 "Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao." Hatrany am-boalohany dia efa nanomana ilay zanak'ondry Izy, ary efa nolazainy fa efa voavono talohan'ny nisian'ny fahotana mihintsy aza, izany hoe efa vita mialoha ny famonjena.
Tany am-boalohany die efa naneho ny sary izay ahafahantsika mitazana ny fahamarinany Andriamanitra. Ny fahatsarany àry ny tanjony. Raha tsy naseho io sary voalohany io dia mety ho kely ny finoantsika, na mety hitsingevana mihintsy aza.
Eto isika dia afaka misintona lesona iray ny amin’ny maha Andriamanitry ny fahariana Azy. Mahary Izy, ary ilay sarin’ny fiadanana na ilay sarin’ilay paradisa izay efa nomaniny ho an’izay voafidy hovonjena io nasehony io. Nahoana no hisy ny tany vaovao sy ny lanitra vaovao? Amin’ny maha Andriamanitra Azy dia misy zavatra izay tsy azontsika sainina akory mikasika ny momba azy sy ny fahalehibiazany, kanefa raha mandinika tsara ny baiboly isika dia afaka ny hahita fa ady nifandroritan’Andriamanitra sy ny devoly no naharava ilayfahariana teo aloha, ary efa hitan’ny devoly io, ka fantany izay hiafarany fa ho fatorana any amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy amin'io faharavàn'ny fihariana voalohany nanànany fahefana io.
Tany am-boalohany die efa naneho ny sary izay ahafahantsika mitazana ny fahamarinany Andriamanitra. Ny fahatsarany àry ny tanjony. Raha tsy naseho io sary voalohany io dia mety ho kely ny finoantsika, na mety hitsingevana mihintsy aza.
Eto isika dia afaka misintona lesona iray ny amin’ny maha Andriamanitry ny fahariana Azy. Mahary Izy, ary ilay sarin’ny fiadanana na ilay sarin’ilay paradisa izay efa nomaniny ho an’izay voafidy hovonjena io nasehony io. Nahoana no hisy ny tany vaovao sy ny lanitra vaovao? Amin’ny maha Andriamanitra Azy dia misy zavatra izay tsy azontsika sainina akory mikasika ny momba azy sy ny fahalehibiazany, kanefa raha mandinika tsara ny baiboly isika dia afaka ny hahita fa ady nifandroritan’Andriamanitra sy ny devoly no naharava ilayfahariana teo aloha, ary efa hitan’ny devoly io, ka fantany izay hiafarany fa ho fatorana any amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy amin'io faharavàn'ny fihariana voalohany nanànany fahefana io.
Rehefa nanomboka nikomy ny devoly; fony tsy mbola nahary ny tany sy ny lanitra akory Andriamanitra, dia efa fantatr’Andriamanitra mialoha ny handroahana azy sy izay mety ho fikomiana maro samy hafa hataony mbamin’ny fitaka izay hataony amin’ny zava-boahary rehetra. Izany no anton’ny didy izay napetrak’Andriamanitra voalohany tao amin’ny saha edena.
Maro ny olona no manome tsiny an’Andriamanitra ny amin’io didy io, misy milaza mihintsy aza fa tsy marina Andriamanitra satria vao maika manome fakam-panahy ho an’ny olona ilay didy. Ao aza no milaza m anao hoe; “raha tena fitiavana Andriamanitra, nahoana no noforonina io hazo tsy azo hanina io, na koa tsy tokony napetrany ho taza-maso teo izy io”. Amin’ny lafiny sasany dia toa marina izany fanatsoahan-kevitra izany, kanefa Andriamanitra tsy mba tsy marina Izy “Heb 6:10” fa isika no mila manahaka an’i Kristy mba ahafahantsika mahita ny fomba fiheviny sy ny fisainany “I Kor 2:13”.
Manana antony iray Andriamanitra namela izao rehetra izao hitranga, ny voalohany dia ny hitsarana ilay andrian’izao tontolo izao“Jao16:10,11”. Eritrereto kely ange hoe; inona re no fomba hafa nataon’Andriamanitra nitsara ny devoly ho tsy marina raha tsy toy izao no fomba nataony e?
Ny faharoa dia izao; afaka ny mahita izao tontolo izao fa Fitiavana Andriamanitra. Raha tsy fitiavana Izy dia navelany nopotehan’ny devoly avokoa ny zavatra rehetra, kanefa nanome làlana ho an’ny olona rehetra Izy mba ahafahany hanantona Azy ka hahita indray ilay tena fahatsarany izay efa nasehony tany am-boalohany.
Manoloana izany dia tsy afaka ny tena hahalala an’Andriamanitra tanteraka isika raha tsy manantona Azy, nefa na ny 1Pet 1;2 na ny 2Pet 1;2 dia milaza zavatra iray ihany; “hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.”(2Pet 1;2)
Eto ny fahalalana tsara an’Andriamanitra dia tena voafaritra ho zava-dehibe tokoa, satria milaza ny baiboly hoe; hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana.... amin’ny fahalala tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika. Ny fahasoavana zany dia vokatry ny fahalalana Azy, ary ny hitomboan’izany fahasoavana izany dia vokatry ny fitomboan’ny fahalalana Azy tsara. Mazava ho azy fa ny fidirantsika ilay tontolo vaovao izay hamboarin’Andriamanitra dia mifandraika amin’ny fahalalana Azy, ary tsy misy zavatra tsy ampoizina na tampoka izany na tongatonga ho azy any amin'ny fiainana mandrakizay izany !!
Nahoana moa isika no mianatra sy miditra amin’izany loha-hevitra izany. Mazava hoazy; satria tiana hazava ny tena tanjon’Andriamanitra sy ny antom-pisiantsika eto a mbonin’ny tany. Raha tsy mazava mantsy ny mikasika izany dia ho diso zavatra maro loha isika eo amin’ny fanarahana ny Tompo. Izany dia hitantsika eo amin’ny lafin’ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny samy fiangonana, eo a min’ny fandresendahatry ny tsirairay. Ary na dia ny mikasika ny lanitra izay andrandraina aza dia efa samy manana ny maha-resy lahatra azy ny tsirairay, ao ireo izay resy lahtra fa natao hoan’ireo vitsy an’isa ny lanitra na ho an’ireo olona voatendry ihany fa ny tany kosa no honenan’ny olona izay navotan’Andriamanitra. Ao kosa indray izay resy lahatra fa ny lanitra ihany, dia ny lanitra hatrany no tanjon’Andriamanitra hamonjena ny vahoakany ka ho any mandrakizay ny olom-boafidiny.
Hitantsika amin’izany ary, fa raha tsy resahina ny momba ny sitrapon’Andriamanitra dia ho diso sori-dàlana isika, ary mety ho diso fivavaka ihany koa satria làlana na hoe diso fahalalàna.
Ity pejy ity dia natokana manokana tena hianarantsika sy handalinantsika marimarina izay voalaza ao amin’ny soratra masina. Tsy misy zavatra mandehandeha ho azy araka izany ny zava-miseho eto ambonin’ny tany fa efa voalahatra hatrany am-boalohany ny zavatra rehetra. Hoy ny Tompo; “ny amin’ny zavatra ho avy no anontanio Ahy” Isa 45; 11. Ny Fanahy Masina irery ihany anefa no afaka milaza izany zavatra izany satria rehefa ho tonga Izy dia Izy no hampahafantatra antsika ny zavatra rehetra. Jao 14; 26.