Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Ny fanasan'ny Tompo

 

 

Ity loha-hevitra ity dia nalaina sy notsoahana avy ao amin’ny baiboly, tsy fotom-pianaram-piangonana araka izany no aroso anao eto fa vokatry ny fandinihana ny baiboly. Ny angatahinay dia ny handinihanao tsara ny soratra masina sy hamantatra ny fahamarinana sy izay zava-miseho ankehitriny ka hanarahanao ny làlana tokony hizoranao. Na izany aza, dia tsy hoe fampianarana hafa noho ny hafa ny fampianarana eto fa araka ny fandinihana ny soratra masina sy ny fanampian’ny Fanahy Masina, koa tsara ny mamantatra ny zavatra rehetra ary mihazona izay tsara (1Tes 5: 21).

Nisy adi-hevitra lehibe tao amin’ny fiangonana tao Beria tamin’ny fotoan’androny, nandinika tsara izy ireo ary nikatsaka mafy ny fahamarinan’ny soratra masina sy ny fomba amam-panao teo anatrehan’ny fiangonana. Voalazan’I Paoly fa ny toem-panahin’ireo dia tsara lavitra nohon’ny tao Tesalonika satria nazoto nandray ny teny tamin’ny zotom-po izy ireo ka nandinika ny soratra masina isan’andro, na marina na tsia (Asa 17: 11). Tsy hoe ratsy akory ny tao Tesalonika, fa toy ny fiangonana rehetra izay efa natsangana ny azy ireo ka nanana ny rafitra izay efa nijoro ary nanaraka ny fampianarana izay efa natolotra azy. Kanefa tsara kokoa ny toem-panahy raha toa ka mazoto ho amin’ny fandinihana ny fahamarinan’ny soratra masina isika.

NY FANASAN'NY TOMPO: taratra tokoa ankehitriny fa maro karazana ny fisehoan’izy ireo izay samy manana ny mampiavaka azy. Tokony ho izany tokoa anefa ve? Tsy tokony ho endrika iray ve ny fanatanterahana azy io? Misy fepetra ve vao afaka mandray azy io?

Hojerevantsika ny nahatongavan’izy io, ny antony, ary ny fomba nanatanterahana azy.

Ny fanasan’ny Tompo sy ny Paska dia mifanindran-dàlana, mifandray, ary mifampitohy. Tsy vao taty amin’ny testamenta vaovao akory ny fankalazana ny Paska fa efa hatramin’ny nanavotan’Andriamanitra ny zanak’Isiraely niala tao amin’ny tany Egypta. Teo no niantombohany ary tsy maintsy notandremana izany nanomboka teo. Tamin’izany fotoana izany dia tsy hoe fanasan’ny Tompo no nilazana azy fa hoe; "fihinanana ny Paska".

Rehefa naniraka an’I Mosesy Jehovah mba hanavotra ny mpanompony izay teo ambanin’ny fanandevozan’i Egypta, dia tsy mba namela azy ireo handeha mora ny tompony satria asa fanompoana maro no mila nenjehiny. Nahavita nihantsy an’Andriamanitra mihintsy Farao izay mpanapaka azy ireo tamin’izany ka nilaza nanao hoe “Iza moa Jehovah no hekeko teny handefasako ny Isiraely?(Eks 5: 2). Nihevitra tao am-pony Farao fa izy no lehibe sy mpanapaka ambony indrindra sady andriamanitra ka tsy mila andriamanitra hafa, tsy nahalala akory an’I Jehovah izy araka izany. Nanana andriamanitra hafa sy maro ny Egyptiana, ary anisan’ny andriamanitra izay notompoin’izy ireo koa Farao. Nampiakatra ny hambom-pon’I Farao ny fahenoany ny anaran’I Jehovah ka vao maika nanamafy ny fony izy tsy handefa ny Isiraely.

Tsy vitan’izany anefa fa rehefa nanohitra ny fangatahan’I Mosesy sy Arona I Farao dia nampanaovin’Andriamanitra famantarana maro samy hafa izy ireo teo anoloan’I Farao sy ny olon-kendriny, ary anisan’ireny ny loza folo izay tsy maintsy nosedrain’ny Egyptiana. Tamin’ny faran’ireo loza ireo anefa dia nandray fe-petra Andriamanitra teo anoloan’ilay toe-draharaha ka ho mafy kokoa ny ho tambin’ny fandàvan’I Farao fa ny zanaka lahimatoa rehetra ka hatrany amin’ny biby fiompy dia tsy maintsy haringana avokoa. Tao anatin’izany anefa, mba hanavahana ny Isiraelita sy ny Egyptiana dia tsy maintsy nametraka famantarana ho eo aminy izy ireo, ka ny ràn’ny zanak’ondry no hisolo ny ain’izy ireo mba hanavotana azy.

Nanomboka teo dia lasa natao fanekena teo anatrehan’Andriamanitra sy ny zanak’Isiraely io fomba iray io, ary io famonoana ny zanak’ondry io no antsoina hoe Paska (Pesha) satria handalo eran’I Egypta ny anjelin’I Jehovah mba handringana ny lahy matoan’I Egypta rehetra ka izay tsy nisy ilay rà teo amin’ny tolam-baravarana dia tsy maintsy naringana. Tamin’io famonoana ny Paska io fony mbola tao Egypta ny olona dia tsy nasiana fe-petra maro samy hafa ny famonoana sy ny fihinana azy satria na ny kely na ny lehibe dia samy nihinana izany avokoa tao Egypta. Nisy ihany anefa ny fe-petra toy ny amin’ny fihinana azy izay tsy maintsy natao teo ampitsanganana, ary natao toy ny hoe olona vonona handeha, hohanina faingana, ary tsy misy azo ajanona na dia kely aza ka tsy azo ariana izay sisa tsy lany eo. Nisy ihany koa ny ana-mangidy izay nampiarahina taminy ary tsy maintsy tamin’ny fotoana voatondro ihany no azo nihinanana azy io satria nanamarika ny fanisan’andron’izy ireo izay voatondron’Andriamanitra izany. (Manomboka Eks 5 ka hat@ Eks 12).

Rehefa tafavoaka an’I Egypta izy ireo dia nisy ny fe-petra vaovao tsy maintsy narahina. Tsy maintsy tany Jerosalema no hihinanana azy(Deo 16:22), ary izay olona te  hihinana dia tsy maintsy foràna (Eks 12: 48), ny fitandremana ny mofo tsy misy masirasira dia tsy afa-misaraka taminy. Ary lalàna ho an’ny zanak’Isiraely sy ho an’ny taranany mandrakizay izany  (Eks 12: 14). Io Paska io rehefa  notandremana dia mba ho fahatsiarovana ny nanafahan’Andriamanitra azy ireo tao amin’ny tanin’ny fanandevozana (Egypta), ary nasaina nampianarina izany ireo taranaka isaky ny mitandrina azy io (Eks 12: 28)

Rehefa tonga nofo kosa anefa Jesosy izay tenan'ny zavatra rehetra, dia lazain’ny baiboly fa tonga hanatanteraka ny lalàna Izy (Mat 5: 17). Dia nitondra fanekena vaovao vaovao ny amin’ny rà Jesosy dia nilaza manao hoe: Tsy maintsy tanteraka izay rehetra nanoratana ahy teo amin’ny lalàn’ny Mosesy sy nyMpaminany ary ny Salamo (Lio 24: 44). Eto ny Tompo dia nilàna hoe voasoratra tao amin’ny lalàn’I Mosesy Izy, ary manamarika zavatra maro ny fomba namonoana Azy izay tamin’ny andro fitandremana ny Paska mihintsy.

Talohan’io anefa Jesosy dia niaraka tamin’ny mpianatra nitandrina ny Paska, io fitandremana nataon’izy ireo io dia hafa nohon’ny hafa satria tsy nifanandrify ny daty tokony nitandremana azy fa nandefa nialoha. Rehefa tonga tao amin’ny efitrano ambony ary izy ireo ka tonga teo amin’ny sakafo hariva dia nandray ny mofo Jesosy ka nilaza hoe: “ity ny tenako izay homena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy” (Lio 22: 19). Dia toy izany koa ny kapoaka: “ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo”. Nanomboka teo no nantsoina hoe “fanasan’ny Tompo” ilay fanekena vaovao ny amin'ny fitandremana ny Paska.

Eto ny Paska dia tsy fahatsiarovana  an’I Egypta intsony, tsy fahatsiarovana ilay zanak’ondry novonoina ary nohanina satria handao an’I Egypta. Nanoratra mazava tsara I Paoly taty aoriana fa ny Paska ho an’ny kristiana dia Jesosy voavono ho antsika, hoy izy: “Fa voavono Kristy, Paska ho antsika”(1Kor 5: 7). Mazàva noho izany fa ilay Paska tany aloha dia tsy mitovy amin’izao vanim-potoana izao satria efa tonga nofo Jesosy. Ireo lalàna niaraka taminy sy ny Paska tenany dia tafiditra ao anatin’ilay tenin’ny soratra masina manao hoe “aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’I Kristy”(Kol 2: 17). Izany hoe nanehoan’Andriamanitra ny zavatra tiany hatao ireo zavatra teo aloha, izay notsindriany hoe “aloka”. Eritrereto tokoa anie hoe raha hitandrina ny Paska isika, moa ve hitandrina ilay antony tany Egypta? Ny fanontaniana mipetraka dia izao; nandevozina tany Egypta ve isika ka mila mitandrina sy mahatsiaro io fahafahana io? Ny valiny tiana hampitaina dia toy izao; tsy isika no andevo tany Egypta, fa aloky ny fanandevozan’I satana ilay Egypta, ary ny fahafatesan’I Jesosy no nanafaka antsika tao amin’io fanandevozana io. Noho izany dia tsy ny Paska ho an’ny Jiosy no tokony hotandremantsika fa ilay Paska natokana ho antsika rehetra satria natolotra ho an’ny olona rehetra Kristy.

Mampianatra toy izao I Paoly ny amin’ny fanasan’ny Tompo, “ Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-pihaviny”(1Kor 11: 26). Ny fanasan’ny Tompo dia natao ho fahatsiarovana ny fahafatesan’ny Tompo, ary toy izany koa ny Paska; manambara ny fahafatesan’ny Tompo izany fa tsy ny fitsanganany. Eto koa dia tsy nampianatra antsika hitandrina azy io isan-taona ny baiboly fa hoy izy hoe”na oviana na oviana”, “izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy”. Ka tsy mety ary raha toa ka in-dray mandeha isan-taona ihany isika no mahatsiaro ny fahafatesan’ny Tompo fa tokony ho isan’andro mihintsy aza araka ny voalazan’I Paoly manao hoe: “Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ny hazo fijaliana(1Kor 2: 2). Manamarika toy izao koa ny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2: 46 “Ary dia niray saina isan’andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ny fifaliana sy ny fahatsaram-po”.

Raha tsy afaka nihinana azy io izay tsy voafora tany aloha, inona kosa no fe-petra takiana ankehitriny. I Paoly dia nampianatra fa ny famoràna dia tsy eo amin’ny nofo fa ao amin’ny fo(Rom 2: 28-29). Noho izany dia tsy olona no manao ny famoràna fa Andriamanitra, ahoana anefa no ahafantarana fa voafora fo ny olona iray?. Hoy ny baiboly; “ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ny famorana tsy nataon-tànana, tamin’ny fanesorana ny tenan’ny nofo, dia tamin’ny famoran’I Kristy, fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ny maty” (Kol 2: 11-12). Noho izany dia ny olona nibebaka marina, na vita batisa ihany no tokony manantona ny fanasan’ny Tompo.

Ankoatra izay anefa dia tokony handinin-tena ny olona rehetra manantona io fanasana io, fa aoka ny olona hamantatra ny tenany aloha, dia vao hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka izy (1Kor 11: 28). Ny fandinihan-tena ilaina eto dia ny hamantarantsika ny tenantsika raha niverina nivelona amin’ny nofo ota indray isika ilay efa voafora teo na  tafatoetra tsara ao amin'i Jesosy ka Izy no Manapaka ao anatintsika, ao anatin’izany koa ny ahafantarantsika indray raha tokony hiverina hanolon-tena indray isika ho an'ny Tompo mba ho Azy tanteraka ka ahafahantsika mahatsiaro ny fanasan’ny Tompo.

Voalazan’ny baiboly fa izay rehetra tsy mandinin-tena kanefa mandray izay fanasana izany dia misotro sy mihinana fanamelohana ho an’ny tenany (1Kor 11: 29) ary tsy vitan’izany ihany fa lasa miteraka ozona eo amin’ny tena ilay izy izay mitarika aretina sy fahafatesana mihintsy ho an’ilay olona. Araka izany dia tsy vazivazy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo fa tena zava-dehibe tokoa ary tokony hianarana ny sitrapon'Andriamanitra mikasika azy io. Tsy natao hampitahotra koa anefa fa matoa ianao mahatsiaro ny fahafatesan’ny Tompo dia vonona hiala amin’ny ratsy rehetra. Raha tsy mandray ny fanasan’ny Tompo rahateo isika dia tsy ho tonga tena iray aminy satria Izy velona ato anatintsika no tanjony ka ny ho iray nofo sy ho iray rà aminy no maha zanak’Andriamanitra itovizantsika aminy.


Mino izahay fa nitondra fahalalàna ho anao mikasika ny fanasan’ny Tompo ity lahatsoratra iray ity na dia tsy feno araka ny tokony ho izy aza. Natao hitondra fahalalàna ho anao izy ity ary raha mila fanampim-panazavàna ianao dia aza misalasala manoratra aty aminay amin’ny alàlan’ny mail: 1nissipraise@gmail.com

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement