Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina izay ao anatinareo ?
1 Kor 6 : 19 Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo. 20 Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.
Fanontaniana iray goavana izay napetraky ny apostoly Paoly ity fanontaniana ity, ary fampahatsiahivana ihany koa ho an’izay tsy mahalala fa ny tenantsika dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatintsika. Voalohany aloha dia mampahafantatra antsika ny baiboly fa isika no tempoly amin’izao vanim-potoana izao, ary nametrahan’Andriamanitra tempoly ihany koa isika ao anatintsika ao, Izay noraisintsika avy tamin’Andriamanitra Ray. Izany hoe; ilay tempoly ao anatintsika no maha-tempoly ny tenantsika, ka ilazan’ny baiboly hoe “tsy tompon’ny tenanareo ianareo, fa olom-boavidy, ka amin’ny alalan’ny tenantsika, izay momba ny ao anatintsika no andrasan’Andriamanitra mba hankalaza Azy ka honenany mandrakariva miaraka amintsika.
Teny izay tsy zoviana amin’ny tsirairay ity teny ity. Samy efa nilaza azy ity avokoa angamba ny mpino rehetra, ary azo inoana fa mino izany isika rehetra. Asa na efa nandalina tsara ity teny ity isika na mbola tsia, tsy fantatro ihany koa na mahazo tsara ity teny ity isika na mandray azy am-pinoana fotsiny ihany ny amin’ny maha tempoly ny tenantsika. Tempoly hoe ?? Hoy Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana jiosy izay nanakihana Azy; (Jao 2: 19b : Ravao ity tempoly ity, ary amin'ny hateloana dia hatsangako indray izy). Ilay tempoly izay nireharehana hatramin’izay, ilay tempoly niadivana hatramin’izay ny hanangànana azy no nilazàny hoe “ravao” ity tempoly ity, fa hatsangako amin’ny hateloana. Marina fa toerana nofidian’Andriamanitra Ray hametrahany ny anarany mandrakizay io tempoly io(2Tant 7: 16), eny hatramin’izao amin’ny maha-mandrakizay azy. Saingy izao! Nandalo lalan-tsarotra maro io tempoly io, ary nanjary lasa toerana fieren’ny jiolahy ny fiafarany ka izany no nahatonga ny Tompo nanadio io tempoly io ka nandroaka ny mpivarotra sy ny mpanakalo vola teo amin’ny kianjan’ny tempoly (Mat 21: 12). Raha ny tena marina anefa dia toerana voatokana sy nohamasinina ny tempoly, na tamin’ny andron’i Mosesy izany, na tamin’ny andron’i Solomona mpanjaka. Io tempoly io anefa dia mampiseho ny tenan’i Jesosy, ary manambara Azy izy io (Apok 21: 22)
Rehefa noravan’ny Babyloniana ny tempoly voalohany natsangan’i Solomona mpanjaka (2Mpanj 25; 8,9) , dia naharitra roapolo taona tany ho any ny nananganana azy indray, raha niaritra fanakiviana sy fanenjehana nahazo azy ny Isiraelita tamin’ny vaninandron’i Ezra governora. Nolotoin’ny Grika indray io tempoly io tamin’ny andron’i Makabeo, ary nisy ny fahasimbana ihany koa vokatr’izany. Ny azo tsoahina dia izao; ny tempoly hita maso dia heverin’izao tontolo izao fa azo ongotana sy simbaina, kanefa tsy hainy fa izaho sy ianao no maha tempoly ny tempoly. Faharoa ihany koa dia izao; ireo fahasimbàna ireo dia vokatry ny fahotàna izay nataon’ny zanak’Isiraely, na hoe noho ny fanompoan-tsampy (andriamani-kafa). Fa hoy ny (1Kor 3; 17 Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany*. [* Na: dia masina koa ianareo])
Nilaza Jesosy hoe “ravao” io fa hatsangako amin’ny hateloana. Nilaza ny tenany izay tenan’io tempoly io Izy, izay niafina tanteraka tamin’ireo izay nanodidina Azy moa ilay teny, ka izany no nahatonga azy ireo nimonomonona hoe (Jao 2: 20 Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin'ny hateloana? 21 Fa ny tenany no tempoly nolazainy). Eto isika dia hanomboka hijery akaikikaiky kokoa mikasika ny maha-tempolin’ny Fanahy Masina antsika, mba ahafahantsika hitoetra ho tempoly masina tokoa, fa tsy am-bava fotsiny ihany.
Tempoly: tsy maintsy mijery ifotony mahakasika ny tempoly isika vao afaka ny hahazo tsara ny tian’ny baiboly lazaina. Marina fa mety ho sarotra amin’ny maro ny mieritreritra, na ny mahazo ny momba ny tempoly tamin’ny andron’i Mosesy, kanefa matoa izy nomena antsimpirihany ao amin’ny baiboly dia ilaintsika ny mahafantatra ny zava-miafina ao aminy. Izy io aloha voalohany indrindra dia tsy fisainan’olom-belona na eritreritr’olombelona no namorona azy, fa araka ny voalazan’ny (Eks 25: 8 Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho. 9 Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy). Hitantsika eto fa na dia i Mosesy aza dia nofe-perana mihintsy hoe “ataovy araka izay asehoko anao”. Nasehon’Andriamanitra an’i Mosesy teo an-tendrombohitra ny endrik’ilay tempoly, dia ilay tempoly ao an-danitra. Nohamafisina tsara izany ka nilazany indray hoe (Eks 26: 30 Ary manangàna ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra). Raha nijery io tabernakely(tempoly) io Mosesy, dia ny Tompo no hitany teo, saingy niseho tamin’ny endriky ny maha-tempoly Azy, izay harafitra hakambana mba ho hitoeran’Andriamanitra eo amin’ny olona. Tena misy tempoly ve ao an-danitra ? Eny ny valiny. Jaona apostoly ihany koa dia nanehoana io tempoly io raha nentin’ny Fanahy niakatra izy; hoy ny (Apok 15: 5 Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia* ny tabernakelin'ny vavolombelona** tany an-danitra; [* Na: tao amin'] [* Dia ny Didy Folo]). Eto isika dia mahamarika sahady fa ny maha-tempoly ny tempoly dia ny fisian’ireo vato fisaka nisy ny didy folo. Ilay tempoly tao an-danitra izay naseho an’i Mosesy araka izany dia tsy hafa fa ilay naseho an’i Jaona ihany koa. Rehefa nasaina nanamboatra ilay tempoly Mosesy, dia nasain’Andriamanitra napetraka tao ireo vato fisaka nisy ny didy folo ireo, rehefa vita izy io. Iza no nanoratra ilay didy folo tamin’ny vato fisaka ? Andriamanitra Ray no nanoratra azy(Eks 31: 18). Nolazaina ihany koa hoe fiaran’ny vavolombelona io fiara izay nitondràna ny didy folo io, na tabernakelin’ny vavolombelona. Io no maha-tempoly ny tempoly araka ny efa voalaza tetsy aloha, fa raha tsy eo izy io dia tsy nijanona tao anatin’ilay tempoly ny fanatrehan’Andriamanitra (Eks40:34,35).
Nametraka fanontaniana tokoa ny apostoly Paoly “Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina?” Nampahatsiahivin’ny apostoly Paoly fa tahaka an’i Jesosy isika, izay tsy ilay tempoly natao tànana toa ilay tany Jerosalema fahiny (Jao 4; 21-23), fa ilay mitovy amin’ilay any an-danitra no nomen’Andriamanitra antsika ( 1Kor 6; 19). Hoy ny baiboly (1 Jao 3; 2b Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa). Araka izany, raha ho avy eny amin’ny rahon’ny lanitra ny Tompo dia manantena tempoly tahaka Azy, ka raha hijery antsika Izy dia izay tahaka Azy ihany no hakariny ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Noho izany, dia tsy maintsy hisy fiovàna lehibe haterak’ity lahatsoratra ity eo amin’ny fiainanao manomboka izao, mba ahafahanao mandrafitra tsara ny tenanao ho tempoly masina ho fanateram-panatitra ho an’ny Tompo (2 Tant 7:12).
Hiverenantsika kely indray ary ilay tena zava-dehibe ao amin’ny tempoly. Tsy inona izany fa ny fiaran’ny fanekena, na ilay antsoina hoe fiaran’ny vavolombelona (tabernakely). Natao tao amin’ny fitoerana masina indrindra io fiara io. Inona avy no hita ao anatin’io fiara io ? voalohany indrindra aloha dia ny vato fisaka misy ny didy folo (Deo 10: 5), ny faharoa dia ny mana (tsy nety simba rehefa voatahiry tao anaty fiara) izay natao ho vavolom-belon’ny asa mahagaga izay nataon’Andriamanitra izay manaporofo fa miasa sy mitsahatra Izy, ary ny fahatelo dia ny tehin’i Arona izay nitsimoka nisy voninkazo sy voan-kazo, ka na dia maina sy efa lasa tehina aza, dia nitsiry sy voatahiry ary tsy maty io voninkazo (voan-kazo) io tao anatin’ilay fiara (Heb 9: 3,4).
Nahoana no voatahiry ireo zavatra rehetra ireo na dia tsy manaraka ny lalàn’ny natiora aza ? Ny mana izay tsy azo notehirizina mihoatry ny iray andro akory raha tsy amin’ny andro sabata ihany, dia tonga mofo velona voatahiry ho vavolom-belon’ny fanatrehan’Andriamanitra. Ny tehin’i Arona ihany koa, dia nitsimoka tao ary tsy niova fa namoaka ilay hatsaràna nandritra ny iray alina monja, izay manambara ihany koa ny fifidianan’Andriamanitra (Nom 17; 21-23). Ny tsiambara-telony dia tsy alavitra, fa noho ireo vato fisaka izay napetraka tao. Amin’ny maha-tempoly antsika, dia tsy maintsy mitahiry io vato fisaky ny didy io isika. Ny vato fisaka dia ny tenin’Andriamanitra izay nosoratan’Andriamanitra ho antsika, ka noraisintsika sy ninoantsika ary iainantsika. Tsy maintsy mitahiry ny tenin’Andriamanitra isika araka izany mba ahafahantsika miaina aminy, ka ho afaka ho vakian’ny olona ety ivelany ho filazantsara mivelatra. Hoy ny baiboly (2Kor 3; 3 eny, aseho ho epistilin'i Kristy izay entinay* ianareo, tsy nosoratana tamin'ny ranomainty anefa, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona, tsy teo amin'izay tena vato fisaka, fa teo amin'izay vato fisaka nofo, dia ny fo.[*Na: soratanay; Gr. anompoanay]). Mazàva ho azy fa tsy afaka ny ho tempoly isika raha tsy feno ny tenin’Andriamanitra, raha tsy manaraka ihany koa ny sitrapon’Andriamanitra. Matoa ny didy no natao hoe didy; dia natao hisy fitsipika ny fiainantsika fa tsy mandeha amin’izay heveriny fa mety. Noho izany dia izay heverin’ny Tompo àry no lasitra voalohany fa tsy izay namboarin’ny fisainan’ny olombelona. Tsy mahazo mandray anjara amin’izany ny adi-hevitra mampisalasala reheta mikasika ny didin’Andriamanitra. Ireo izay manao ankilabao ny didin’Andriamanitra sy ny sistrapony moa dia efa azo adika avy hatrany fa tsy ho tempoly na oviana na oviana. Tsy asiantsika adi-hevitra ny hoe foana na rava ny didy, fa ny zavatra hita aloha hatreto dia tafatoetra nanomboka tany an-danitra ireo didy ireo ary mbola mitsena antsika ny fankatoavana azy rahatrizay ka tonga ao amin’ilay tany sy lanitra vaovao (Isa 66: 22, 23). Voalaza tetsy ambony fa tsy ilay endriky ny tempoly naseho an’i Mosesy intsony no ho hitantsika rahatrizay fa ny Tompo Andriamanitra araka ny ambaran’ny (Apok 21; 22 Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny). Araka izany dia ireo didy izay tao amin’ny tempoly ireo dia ao amin’ny Zanak’ondry sy ny Tompo Andriamanitra rahateo, satria Izy ilay Teny tonga nofo (Jao 1;14). Maniry antsika ho tonga tahaka Azy ny Tompo, araka ny nambaran’ny apostoly Paoly hoe “aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy (1 Kor 11; 1). Koa satria Paoly nanahaka an’ilay Kristy (tempoly) dia tiany hanahaka an’i Paoly koa isika, dia ny hanahaka an’i Kristy izany.
Tsy afaka ny hanafoana na hanamboamboatra ny sitrapon’Andriamanitra isika ka hataontsika hifanaraka amin’ny sitrapontsika, isika no mila manaraka ny sitrapony. Nampianatra antsika nivavaka toy izao Jesosy “Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra”(Mat 6; 10b). ny sitrapony no mila atao eto an-tany, satria any an-danitra dia manao ny sitrapony, ary mbola hanao izany ihany koa isika. Hianatra zavatra maro mikasika io tempoly io isika aoriana kely, satria mifono faminaniana maro sy hevi-dalina maro io tempoly io. Eny fan a dia maro aza ny tsy miraharaha izany intsony, dia tadidio fa tsy lany andro ny baiboly, ary tsy nomena mba ho dinganina fotsiny ihany ny sasany amin’izy io, fa natao hahafantarana an’ilay Jesosy Kristy izay tompointsika. Ka raha sanatria isika ka diso filazan-tsara, na diso fototra eo amin’ny famonjena, dia mety ho diso lalana ihany koa na dia mandeha am-pitiavana sy amin’ny fahatsoram-po aza. Koa izany no mahatonga anay tsy mikely aina fatratra mampahafantatra antsika rehetra ny sitrapon’Andriamanitra. Ataonay rahateo fa adidinay ny mamerina amin’ny laoniny sy amin’ny tokony ho izy ny fiainam-panahinao, ary vonona izahay hifanome-tànana aminao mba hijoroanao mafy tsy ho voahozongozon’ny fisalasalàna sy ny tsy fahalalàna. Mbola vonona hatrany izahay handray ny fanamarihana avy aminao na ny hafatra avy aminao, indrindra raha misy zavatra tianao hazavaina ao amin’ny baiboly.
Samia ho tahian’Andriamanitra, mirary soa anao ny sakaizan’i Kristy.