Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

Andro farany

Ho jerevantsika manaraka eto indray ny vanim-potoana izay iainantsika ankehitriny. Raha nanambara ny apostoly fa andro no nisaina tany aloha, dia nohamafisiny fa ora kosa izy tamin'ny fotoana nanoratany (Rom 13; 11). Amin'izao andro iainantsika izao dia azo heverina fa fohy ny fotoana hihavian'ny Tompo eny amin'ny rahon'ny lanitra, na dia maro aza ny olona no mihevitra fa mbola ho ela na tsy ho amin'ny andro iainany no hitrangan'izany. Eo ihany koa ireo famantarana izay voalazan'ny baiboly izay heverin'ny olona fa toe-javatra izay efa nisy hatrizay izy ireny ka mitohy hatraty aoriana fotsiny ihany.
Manoloana izany anefa dia te hampahatsiahy antsika ny Tompo fa mandalo ny fotoana ary araraotina ny andro azo anaovan-tsoa satria vao mainka hiharatsy izao fiainana izao.(Efes 5;16). Raha jerentsika tokoa ireto tranga izay nolazain'ny Paoly fa ho toetran'ny olona amin'ny andro farany ireto dia afaka ny hanaporofo isika fa efa mbÿ akaiky ny fihavian'ny Mpamonjy.
Andeha ary ho vahantsika tsikelikely ireo tranga voalaza ireto.
2Til 3; 1 [Ny amin'ny fihemorana any am-parany,] Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy*, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9,3] 3 tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, 4 mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.


- Raha raisintsika voalohany indrindra ny hoe hisy andro mahaory: angamba efa nisy hatry ny ela ny andro mahaory saingy tsy mitovy amin'izao fitaintainana misy antsika amin'izao fotoana izao ny teo aloha. Azo heverina fa bitika ihany ireo tranga teo aloha mihoatra ny tranga izay iainantsika amin'izao fotoana izao. Marina fa nisy ny ady lehibe roa izay natrehana, saingy tsy mbola nisy ny famantarana izay mbola tsy tanteraka tamin'izany fotoana izany araka ny nolazain'i Jesosy. Ohatra amin'ireny ny hoe "hisy horohoron-tany", marina fa efa nisy hatramin'izay ny horohoron-tany saingy tsy mbola nisy toy ny amin'izao fotoana izao. Azo nantenaina ihany ny fifankatiavana sy ny firaisan-tsaina ary ny fihavanana teo aloha saingy amin'izao fotoana izao kosa dia tsy hainao intsony hoe hery  inona no manosika ireo manam-pahefana hiditra lalina amin'ny tontolo aram-panahy izay tsy hainao idirana. Anisan'izany fahoriana izany ny kirizy eran'izao tontolo izao, kirizy ara-bola izay manenika ny tany manontolo ary indrindra fa ity fotoana izay hidiranan amin'ny troisième dimension ity izay hampivadika ny tontolo rehetra. Hisy fahoriana be izay tsy mbola nisy toy izany hoy Jesosy (Mat 24; 21), izany hoe fahoriana hiavaka, fahoriana tsy mbola nandalo ary tsy handalo  intsony. Moa ve tsy efa mananontanona izao tontolo izao izany fahoriana izany? ary iza no hahasakana izany?

-Hoe ho tia tena: angamba dia tsy fahagagàna ho an'ny olona intsony izany hoe tia tena izany ankehitriny "ny ahy aloha vao ny azy". Teo aloha dia tena mbola nahamenatra izany hoe mampiseho fitiavan-tena izany, ankehitriny kosa dia efa toetra raiki-tapisaka amin'ny olona io toetra io ka zara raha misy azo isaina amin'ny ratsan-tànana ny olona mikendry ny tombo-tsoa iombonana na eo amin'ny toeram-piasana izany na eo amin'ny fiaraha-monina, indrindra fa eo anivon'ny fifanankaviana. Maro amin'ny olona no tsy te hisahirana ho an'ny hafa, mampahatezitra azy ny fanelingelenanao azy raha sendra misy ny fasahiranana ilaina azy tampoka.  Izany rehetra izany anefa dia toa miafina ao ambadiky ny hoe fahalalam-pomba, kanefa ny tena marina dia mazàna fitiavan-tena no mibahana ao anaty.

- Ho tia vola: Tsy zoviana amintsika intsony angamba ny fisehoan'ny tsolotra etsy sy eroa, famonoana olona, famadihana mpiara-miasa, fangalàrana maro samy hafa amin'ny endriny tsy dia mahazatra sy ny mahazatra... Mikikitra kokoa ny olona ary mahafoy tena ho amin'ny fitadiavam-bola ankehitriny. Misy ny olona no tsy mety mandany andro miresaka raha tsy resaka vola, izay hampidi-bola aminy ihany ny azy. Na any amin'ireny toerana fampindramam-bola ireny aza dia entanina mafy ny olona mba hindrana araka izay azo atao mba hiodonan'ny vola ho betsaka indrindra eto ambonin'ny tany ka ho raharaha fanaon'ny olona rehetra ny raharaham-barotra, kanefa dia fampidiram-bola no anton'ireny. Tsy ny vola akory no ratsy fa ny fitiavana azy tafahoatra no mahafaty. Ekena fa Andriamanitra dia tsy namorona ny vola ary tsy miankina amin'ny vola ny ho avinao kanefa afaka ny hitahy anao ara-bola ny Tompo. Manafatra toy izao ny baiboly: fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala, ary raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany. Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandetika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be (1Tim 6; 7-10). Voaporofo izany fa ny vola no anisan'ny fitaovana ampiasain'ny devoly hampihemotra ny fitiavan'ny maro an'Andriamanitra, ary ny vola eo amin'ny toeran'Andriamanitra.

- Ho mpandoka tena, mpiavonavona: iniana natambatra izy ireto satria toy ny zavatra mifampiankina. Na izany aza anefa dia nosarahan'ny baiboly ny filazàna azy ireo satria efa diso tafahoatra ny fitrangan'izany. Ny avonavona tokoa mantsy dia mitarika ho amin'ny fandokafan-tena, izany hoe mihevin-tena ho zavatra na mihoatra noho ny hafa. Ny fitiavana tsy te hitakosina amin'ny hafa ihany koa dia avonavona izay avy amin'ny fitiavan-tena no nipoirany, maro noho izany ny endriky ny avonavona izay miseho etsy sy eroa raha tsy hiresaka ny avonavona sy anjonanjona amin'ny olona fantatra fotsiny aza vokatry ny zavatra izay nampifanolana. Miseho sesilany ihany koa anefa ny fandokafan-tena ankehitriny, mihevitra ny maro fa tsy misy toa azy ary mahavita azy eo amin'ny fiainana. Deraina manokana ireny olo-malaza ireny mazàna, ary maro anefa no manana io tanjona io dia ny mba halaza. Miezaka noho izany ny olona mba hampahafantatra ny tenany amin'ny manodidina fa izy no izao..., ary raha tsy misy mahafantatra aza moa ny tena dia izy mihintsy no mandoka ny tenany ho toy izao. Manetsika ireny filàna maro ireny ny haino aman-jery maro samy hafa na eto an-toerana na any ivelany, ny karazana tranokala maro izay izaràna ny fomba fiainana miafina any mba ho fantatry ny maro fa mahavita zavatra izao olona izao.  Ao anatin'io tranga io ihany koa ny hoe"mpieboebo", ny amin'ny zavatra vita na kely na lehibe dia tiana ho fantatry ny olona avokoa. Mieboebo ny olona na tsy mahavita zavatra aza fa saingy ny vavany kosa no manambara fa hoe mahavita azy isika rehefa manao. Te hampiseho ny tenany tsy ho ambany ireny olona ireny. Mety ho fanjifian-javatra fotsiny ihany ve anefa raha toa ka mirongatra izany toe-tsaina izany ankehitriny sa mety haharesy lahatra antsika fa famantarana ny amin'ny andro farany izany?


- Miteny ratsy: Efa hatry ny ela ny olona no niteny ratsy, nisy ihany koa ireo nanao blasphémie (miteny ratsy an'Andriamanitra) kanefa tsy mbola toy ny ankehitriny izany. Raisintsika ohatra fotsiny amin'izany ny tsy fahamenaran'ny olona miteny ratsy, ary toy ireo mananatra ny olona miteny ratsy indray no atao ho zava-mahamenatra. Ankehitriny kosa anefa dia tsy ny vava irery intsony no miteny ratsy fa na dia ny fitafiana anaovana aza dia efa voasoratra teny ratsy, ny sary maro isan-karazany izay toa lamaody ankehitriny, ny hira heno etsy sy eroa izany manazàtra ny sain'ny olona ho amin'ny fitenenana ratsy mivatambatanana kokoa. Moa ve tsy efa mihoatra ny voasoratra izany?

- Tsy manoa ray sy reny: Tsy mba kolon-tsaintsika malagasy ny tsy fanajana ny ray aman-dreny. Marina fa misy ihany ireo tanora no  maditra ka manome alahelo ny rainy na ny reniny, tsy vao izao akory no nitrangan'izany saingy ny mahalasa ny fisainana indrindra dia ny hoe tsy vitan'ny tsy manoa (tsy mankatoa) ray aman-dreny fotsiny ny zanaka ankehitriny fa ny mamono azy mihintsy no efa mitranga.  Manohatra azy ireo ny ankamaroan'ny tanora na ny zanaka ankehitriny ka tsy mihaino azy ireo. Mananatra antsika toy izao ny baiboly "Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao (Deo 5; 16). Hitantsika fa misy fiantraikany amin'ny fahatezàna sy ny fahavelomana ny fanajàna azy ireo, antoky ny fitahiana antsika koa izany. Tokony hanaja azy ireo isika noho izany fa tsy hanao izay fanaon'ny olona, kanefa raha manao izany aza ny olona dia fantaro fa efa mby akaiky ny Tompo fa efa famantarana izany.

- Efa zavatra mahazatra ny olona ny tsy misaotra taty amin'ny taon-jato faha 21, tsy ny eto Madagasikara  ihany fa manerana ny tany rehetra izay manaraka na ny tsy manaraka ny Tompo. Toy ny mieritreritra ny olona fa manana zo ny hampiana izy ka tsy mampaninona na tsy misaotra aza. Maro rahateo koa ny olona no mieritreritra fa tokony homena azy izay tokony ilainy nan dia tsy mangataka aza fa toy ny hoe adidy tsy maintsy atao ny fanaovan-tsoa sy fifanampiana eo amin'ny fiainana. Ny olonan mahazo aza moa mieritreritra fa tsy mbola ampy izay nomena azy, ao koa ny sasany malahelo na tezitra raha mangataka kanefa tsy mifanaraka amin'izay nangatahiny ny zavatra azony ka dia tsy misaotra izy. Ny marina anefa dia misy toem-po tian'Andriamanitra hitoerantsika kao anatin'ny fisaorana, fankasitrahana ilay izy ary fanekena izay voalahatra ho anao. Ny fisaorana dia tsy hoe hoan'ilay olona tiana hivantanana ihany fa ho an'Andriamanitra izay nanome làlana hahatongavan'ny fahazahoana izay fanomezana. Ka ny toem-po misaotra dia fankasitrahana an'Andriamanitra feno.

- Tsy manaja izay masina: manao blasfemia na miteny ratsy an'Andriamanitra koa ny filazan'ny baiboly azy. Izany dia ireo izay tsy miraharaha ny fahamasinan'Andriamanitra ka manimbazimba amin'ny alàlan'ny oham-pitenenana maro samy hafa, ny blagy mananihany fivavahana, ny maniratsira ihany koa ny fivavahana  izay tena mahazo vahana hatramin'ireo génération teo aloha. Ny fandàvana ny fahalehibiazan'Andriamanitra na fampitoviana Azy amin'ny hosoka na fisolokiana dia tsy mety ihany koa. Maro ny endrika tsy fanajàna sy fitenenan-dratsy an'Andriamanitra izay hitantsika eny amin'ny fiainana andavan'andro. Tadidio anefa fa ny devoly no manana anarana izay tena fitenenan-dratsy an'Andriamanitra, ka tsara atao ao an-tsaina fa tsy tongatonga ho azy ny fidirana amin'izany sehatra izany fa avy amin'ny devoly. Io fitenenan-dratsy izay voalaza ao a min'ny bokin'ny Apokalypsy io dia zavatra hiseho aty amin'ny andro farany, koa tsy mahatonga saina antsika ve izany fa efa akaiky ny farany?

- Manana ny toem-panahy araka an'Andriamanitra nefa  mandà ny herin. Toa zavatra mifanipaka ny zavatra voalaza eto, izany hoe ity olona voalaza eto ity dia olona manana ny endriky ny toem-panahy araka an'Andriamanitra, olona tena hita hoe mivavaka, olona tena hoe azo atao ohatra eo amin'ny fiainana amin'ny maha-pino azy. Masina izy eo amin'ny fitafy, manam-pahendrena izy eo amin'ny fiteny, matotra tsara izy ary tsy tia zavatra mifangaroharo amin'ny faharatsiana. Ny olalna anefa dia izao, nahoana no mandà ny herin'Andriamanitra izy? Manana fandresen-dahatra hafa mihintsy ity olona ity, izay ifikirany mafy ka tsy azo ahodina velively na dia voaporofo ara-tsoratra masina aza. angamba tsy dia vaovao amintsika ireo olona izay toy izany, tena mpivavaka, tena mpandray andraikitra ao amin'ny fiangonana, tena manana finiavana hampandroso ny asan'Andriamanitra kanefa tsy manaiky ny tena asan'ny Fanahy Masina. Ny fitondran'ny Fanahy Masina dia tsy hainy, ary tsy ekeny, ny rafitra anatiny na ny fifampifehezana no mibaiko azy ary ny fanavaozana dia manahirana azy na mety hamkarary fo azy mihintsy. Tsarovy anefa fa ny Tompo dia mitady ireo izay mpivavaka aminy mba hivavaka amin'ny Fanahy sy ny Fahamarinana, izany hoe tarihin'ny Fanahy izany olona izany rehefa mivavaka, ka amin'ny alàlan'izany no itondran'ny Tompo fandrosoana ho azy ka hanànany révélation mahakasika ny fiainany. Nahoana ny olona na ny fiangonana no variana amin'ny asa fanorenana foto-drafitr'asa na fihetsiketsehana izay mahafinaritra fotsiny fa tsy mitaona ny olona hiditra ao anatin'ny tena famonjena? Ireny koa dia alaviro hoy ny baiboly.


- Tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra ihany koa ny olona amin'izao fotoana izao, ny tena fitiavana anefa dia tsy ny hoe izay mahafinaritra ihany fa ny famonoana ny momba ny tena ho an'Andriamanitra. Firifiry moa ny olona no manakalo ny asa fanompoana amin'ny zavatra hafa izay manintona ny saina kokoa? Angamba mety ho fahoriana tokoa ny manao ny sitrapon'Andriamanitra ka vitsy ny misafidy ny handà ny tena hiantsehatra amin'ny asa fanompoana. Mahita isika, rehefa fety malaza tsy aram-pivavahana dia matetika no vitsy kokoa ny mpiangona raha sendra mifanitsaka ilay andro. Teo aloha kosa anefa dia fatratra amin'ny fanajana ny sitrapon'Andriamanitra ny olona, matotra amin'ny foton-keviny, ary miaro tsara izany. Ankehitriny kosa dia zary lasa fahazarana ilay hoe mangingina ny ao am-piangonana na aoriana na ao anatin'ny fety na eo alohany. Mety ho tongatonga ho azy ve izany?

- Raha hijery kosa indray isika ny amin'ny hoe "tsy manam-pitiavana", ilay fitiavana mitia ny namana mihoatra ny tena no tiana hasongadina, fitiavan-tena no mibahan-toerana ary manosika ny olona tsy hifampiraharaha raha tsy misy ny tombon-tsoa manokana ho an'ny tenany. Tsy zoviana intsony amin'ny olona ny trangan-javatra maro samy hafa miseho etsy sy eroa amin'ny fisolokiana sy ny fifamitahana. Tsy mifampijery ary tsy mifamonjy ihany koa ny olona fa samy miaro ny azy sy ny ankohonany, ndrao mantsy ka ny an'ny tena indray no hidim-pasahiranana amin'ilay tranga. Ity tsy fananam-pitiavana ity no anisan'ny mahatonga ny olona ho mpanontolo-fo sy ho mpanendrinkendrika. Ny mpanontolo fo dia ireo olona izay miampanga olona amin'ny sainy, ary tena mipetraka ao anatin'ny sainy mihintsy hoe ity olona ity dia toy izao sy toy izao. Io zavatra io anefa dia tsy voaporofo akory ny fisian'ilay tranga, saingy ao anatiny ao dia manamafy ary mihidy fo amin'ilay olona vokatr'ilay fiampangàna ao anaty. Ny mpanendrikendrika kosa indray dia ireo olona izay mandainga tsotra izao, miampanga olona ho nanao zavatra iray izay tsy nety ary mijoro ho vavolom-belona (tsy marina) kanefa dia tsy niatrika ilay tranga na te hiaro olona iray na koa tsy te hilaza ny marina. Vokatr'io fanendrinkendrehana io dia maro ny olona tsy diso no lasa voaheloka eo amin'ny fiaraha-monina, maro no azon'ny fitsaram-bahoaka, ary maro amin'ireo tena nanao ratsy no afa-maina. Eto koa no matetika no mitranga ilay toetra hoe mpamadika: ny hoe mpamamdika dia tsy ilay famadihana fomba malagasy akory no voalaza eto fa ilay toetra mivadika amin'ny fifampatokisana. Rehefa tsy manam-pitiavana ny olona dia tonga ho azy izy io, hany ka mivoaka ho azy ny tsiambaran-telo izay tsy tokony hivoaka, eo koa ny teny nomena nefa nilaza ho tsy nilaza izany, ary ireo izay nindram-bola nefa tsy mety mamerina fa lazainy fa lainga izany.

- Tsy mahonom-po: ny olona tsy manana te hanana, ny olona manana mbola te hanana hatrany, resaka harena iny. Fa tsy amin'io lafiny io ihany anefa fa firifiry moa ny olona no manao zavatra diso tafahoatra eo amin'ny fiainana? na ny fihinanan-kanina izany, na ny fisotroana alkaola izany, na ny fivoahana alina izany, na ny fijangajangana izany... mety ho zavatra tsara koa no isehoany toy ny hoe famonoan-tena amin'ny asa izay efa tsy zakan'ny aina nefa tena mbola atao ihany satria te hanan-karena na te hanana mihoatra. Indraindray ny tena no mijanona satria reraka saingy ny ao anatin'ny fo kosa tena mbola te hitroatra mafy hanao ilay izy "tsy mahonom-po".  Efa miha-mahazo vahana eto amintsika rahateo ny kolon-tsaina sinoa dia ny hoe "fiaretana", miaritra mafy izy ireo mba hahavita zavatra, miaritra mba hahazoana zavatra. Marina fa toa tafavoaka izany izy ireo kanefa inona no tena tanjony? ny ahatonga azy ireo ho matanjaka indrindra eran-tany. Ary isika, moa ve izany koa no hanosika antsika hanimba ny tempolin'Andriamanitra? Hoy ny baiboly: fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany (1Tim6; . Ny tokony hatao dia ny hoe "mahonona-tena ho amin'ny fivavahana". Antomotra ny faran'ny zavatra rehetra, koa hendre ka mahonona tena ho amin'ny fivavahana (1Pet 4; 7). Tsy afaka ny hahonona amin'izao isika raha tsy mandà ny tena ka hivavaka, saingy firifiry ny olona no mandany fotoana amin'ny asa mafy dia avy eo mitady fialam-boly hanariana dia ho an'ny saina toy izay hanajanona ny asa araka ny antonony ka hanolon-tena hivavaka avy eo. Mahita olona toy izany ve ianao? angamba 1 ao anatin'ny zato sisa no mahavita izany.

- Loza be, kirina, toy ny zavatra mitovitovy ihany izy ireo kanefa misy maha samy hafa azy ihany. Ny lozabe dia ireo olona izay tsy azo ifandaharana mihintsy, ny kirina kosa indray dia ireo olona kizintina amin'izay mitranga. Ny lozabe dia ireo olona tsy manaiky mihintsy ary ny kirina kosa dia ireo olona mimenomenona lava. Tsy efa miha-mitombo be ve ny isan'izy ireo?

Voaporofo fa andro farany izao, tsy fara-andro fa andro farany. Miaina vanim-potoana izay tena antomotra tokoa isika ka tsy tokony hovariana amin'ny fiainana andavan'andro. Efa lakolosy fanairana avokoa ireny tranga etsy sy eroa ireny ka tokony hampanantona bebe kokoa  an'Andriamanitra. Ho avy ny Tompo ary tsy ho ela intsony izany. Maro ny famantarana ankoatra an'ireo ary hezahintsika hampitaina eto ny ankamaroan'izy ireny raha sitrapon'Andriamanitra.
Manasa anao ary izahay mba hitaona ireo olona manodidina antsika hibanjina ny Tompo, tsy hanjeny ny andro ho lava, ary hanomana ny ho aviny hiatrehana ny fihavian'ny Tompo.

Mino izahay fa anisan'ny nilainao ity laha-tsoratra ity, mba hampirehatra indray ny afo izay ao anatinao. Tsy hotapahina ny volotara torotoro, ary tsy ho vonoina ny lahin-jiro manetona (Isaia 42; 3). Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. AMen. Avia, Jesosy Tompo (Apok 22; 20)

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement