Sakaizan'i Kristy
Nissi Praise Ministry

FOTOTRA (famonjena)

“Fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny famonjena, raha tàhiny "nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo;" 1Petera 2: 2,3

 

Araka izany dia tsara ny mianatra ireo fototra aram-panahy avy amin’ny soratra masina mba hitomboana ho amin’ny famonjena ny fanahy. Matetika mantsy ny olona no tsy mahazo akory na tena tsy mahay sy tsy mahafantatra ny tena antom-pamonjena na ireo fototra ijoroany fa dia manaraka fotsiny vondrom-bavaka iray izay arahiny izy ary heveriny fa ampy izany. Marina fa fiainana mandrakizay no tadiavina ao anatin’ny famonjena, ary io fiainana mandrakizay io mihintsy anefa no hita taratra fa tsy dia maharototra ny olona akory fa zary variana amin’ny resaka ivelany toy ny fitahiana sy ny fanambinana ara-nofo fotsiny ihany. Hoy ny soratra masina: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.”(Jao  17: 3). Tsy lavina fa misy fampianarana ny sitrapon’Andriamanitra ao anatin’izy ireny kanefa ny firoborobony ankehitriny no ahatarafana fa tsy ny tena sitrapon’Andriamanitra no maha-maika ny olona na ny hahafantatra an’Andriamanitra, tsy ny hoe hahazoana izay fiainana mandrakizay akory aza no tena imasoany fa ny hamonjena ny tenany hiala ao anaty fahantrana. Mitaky fahagagana sy famantarana ny ankabeazan’ny olona amin’izao fotoana izao, ny olona tsy mino anefa no tena mpitady famantarana (Mat 12: 39), hany ka tsy mahatoky intsony ny tena fiasan’ny Tompo amin’ny alalan’ny finoana sy ny teniny velona avy amin’ny baiboly fa lasa mitady fangarony.

 

Inona moa no atao hoe famonjena? Hojerevantsika ao anatin’ity pejy ity ny mikasika ny famonjena sy ny manodidina azy, ny antony dia mba hahazoantsika antoka ny famonjena izay raisintsika ka ahafahantsika mahafantatra ny Ray sy Jesosy Kristy zanany. Tianay ny hianaranao ny fototry ny famonjena, ary hiezaka ny hamaly ireo fanontanina mety manitikitika ny sainao mikasika ny amin’ny fanarahana ny Tompo izahay.

 

Tsiahivina fa ny fanazavana rehetra izay ho hita ato dia mifototra amin’ny soratra masina avokoa, ka tsara noho izany ny mianatra azy miaraka amin’ny baiboly mba hitomboanao na dia miainga amin’ny atao hoe rononom-panahy aza isika ka ho tonga ho lehilahy lehibe hahatratra ny ohatry ny finoana marina tokoa

 

Aoka isika tsy ho toy ireo zanak’Isiraely izay nitady ny Tompo satria nihinana ny mofo ka voky, fa hitady ny Tompo satria mino ny asa izay nataony(Jao 6: 26). Tsy hoe noho ny maha mpanao fahagagàna Azy ka mihevitra fa rehefa miaraka Aminy dia tsy maintsy voky hatrany. Tadidio fa tsy noho ny sakafo na ny filàntsika amin’ny fiainana an-davan’andro no tokony hitadiavana Azy fa efa voalazan’ny Tompo rahateo fa ny jentilisa no fatram-pikatsaka izany fatratra (Mat 6: 32), isika anefa dia nalaina ho fanaka hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra (2Tim 2: 21).

 

“Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra. (2Tim 3: 16,17). Andriamanitra dia manana tanjona ny amin’ny teniny, mba handresy lahatra anao ilay izy, hitaizana anao amin’ny fahamarinana ilay izy, mba hahatanteraka anao ho olony ka ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra izay efa nomanin’Andriamanitra ho anao.

 

Noho izany, dia heverinay fa hahasoa anao izao fampianarana fototra izao. Raha misy fanontaniana manitikitika anao mikasika ny fampianarana na ny zavatra tianao ho fantatra dia aza misalasala manoratra aty aminay amin'ny adiresy mailaka: 1nissipraise@gmail.com

 

(tsidiho ny onglet)

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement